Loda
(Lòda).
Tanàna lehibe izay nanana tanàna maromaro niankina taminy. Toa i Samada Benjamita “zanakalahin’i” Elpala no nanorina azy io. (1Ta 8:1, 12) Anisan’ireo tanàna andrefana indrindra nonenan’ny Jiosy nody avy tany an-tsesitany tany Babylona i Loda. (Ezr 2:33; Ne 7:37; 11:35) Voalaza fa izy io ihany ilay toerana nantsoina hoe Lyda, izay nanasitranan’i Petera an’i Enea. (As 9:32-38) Eo amin’ny lohasaha iray mahavokatra, eo amin’ny sisiny atsimon’ny Lemak’i Sarôna no misy an’i el-Lodd (Loda), tokony ho 18 km any atsimoatsinanan’i Jopa. Teo amin’ny fihaonan’ilay lalambe fahiny nampitohy an’i Ejipta sy Babylona ary ilay lalambe nampitohy an’i Jopa sy Jerosalema no nisy an’i Loda taloha. Tamin’ny andron’i Jesosy sy taorian’izay, dia io toerana nisy an’i Loda io no nahatonga azy ho mora notafihin’ny tafika romanina, ny Silamo, ny mpanao ady masina, ary ny Mongol.