Loha
Faritra ambony indrindra amin’ny tenan’olombelona, ary misy ny atidoha, ny maso, ny sofina, ny orona, ary ny vava. Resahina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “loha” (heb.: rôʼsh; gr.: kefale), na ara-bakiteny na an’ohatra.
Potika sy Torotoro. Mampiasa sarin-teny ny bokin’ny Mpitoriteny mba hilazana ny vokatry ny fahanterana izay mifarana amin’ny fahafatesana. (Mpto 12:1-7) Voalaza ao, ohatra, fa “potika ny vilia baolina volamena.” Ny atidoha sy ny karandoha fitoerany, izay toy ny vilia baolina, no tiana holazaina. Potika mantsy ireo rehefa maty ny olona. Ny hoe ‘torotoro loha’ kosa dia midika hoe maty na ringana. (Sl 68:21; 74:13, 14) Milaza ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly (Ge 3:15) fa hanorotoro ny lohan’ny menarana ‘ny taranaky ny vehivavy’ rehefa avy noratraina teo amin’ny voditongony. Ho tanteraka izany rehefa halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka tsy ahafahany manao na inona na inona mandritra ny arivo taona ilay Menarana (i Satana Devoly), sy rehefa haringana mandrakizay ao amin’ny “farihy afo” na ny “fahafatesana faharoa” izy aoriana kelin’izay.—Ap 20:1-3, 7, 10, 14; 12:9.
“Mampitraka” sy ‘manandratra’ ny loha. Nalam-baraka sy nikorontan-tsaina i Davida Mpanjaka, ka nitanondrika. Nitady an’i Jehovah àry izy satria Izy no Ampingany sy mahay ‘mampitraka ny lohany’ indray. (Sl 3:3; ampit. Lk 21:28.) ‘Nasandratr’i Farao ny lohan’ny’ lehiben’ny mpandroso zava-pisotro, izany hoe naveriny tamin’ny toerany taloha izy io. ‘Notapahiny [kosa] ny lohan’ny’ lehiben’ny mpanao mofo, izany hoe novonoiny izy io. Tena araka ny nanazavan’i Josefa ny nofin’izy roa lahy tokoa no nitranga.—Ge 40:13, f.a.p.; Ge 40:19-22.
Tsodrano, fanosorana, fianianana. Rehefa notsofina rano ny olona iray, dia teo amin’ny lohany no napetraka ny tanan’ilay nitso-drano azy. (Ge 48:13-20; 49:26) Ampitovina amin’ny jiro mamirapiratra eo ambony loha sy amin’ny fehiloha tsara tarehy eo amin’ny loha ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny tari-dalany ary ny fahendreny. (Jb 29:3; Oh 4:7-9) Teo ambony loha no nararaka ny menaka masina fanosorana. (Le 8:12; Sl 133:2) Nasain’i Jesosy ‘nanosotra menaka teo amin’ny loha’ ny olona nifady hanina, mba ho hita hoe metimety foana. Tsy tokony hiseho ho mahafoy tena mba hoderain’ny olona mantsy izy. (Mt 6:17, 18) Lasa anisan’ny fomba ny manisy menaka ny lohan’ny vahiny tiana horaisina tsara. (Lk 7:46) Nianiana tamin’ny lohany koa ny Jiosy (na nianiana hoe: ‘Raha mbola velona koa aho’). Nomelohin’i Jesosy anefa io fanao io.—Mt 5:36, 37; jereo FIANIANANA.
Ilay olona mihitsy. Ny loha no mibaiko ny vatana, ka ampiasaina mba hilazana an’ilay olona mihitsy. ‘Tsy mba nanana izay nametrahany ny lohany’ i Jesosy Kristy, izany hoe tsy nanan-trano. (Mt 8:20) Nanao voady ny Nazirita, ka teo amin’ny lohany no marika nahitana izany satria navela ho lava ny volony. (No 6:5, 18-20) Voalaza fa mihoatra ny loha ny fahotana na ny fahadisoan’ny olona iray. (Ezr 9:6; Sl 38:4) Nankasitrahan’i Davida ny anatra nomen’ny olo-marina, ka nampitoviny tamin’ny menaka ahosotra amin’ny lohany izany ary tsy nolaviny. (Sl 141:5) Lazaina hoe atsingerina eo an-dohan’ny ratsy fanahy ny ratsy nataony, rehefa sazina izy. (Mpts 9:57; 1Sa 25:39; Je 23:19; 30:23; Jl 3:4, 7; Ob 15; ampit. Ne 4:4.) Ny hoe mitsingerina eo an-dohan’ny olona ihany ny rany, dia midika hoe izy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. Ampiasaina amin’ny mpanao ratsy mendrika ny homelohina ho faty izany. (2Sa 1:16, f.a.p.; 1Mp 2:37, f.a.p.; Ezk 33:2-4, f.a.p.; As 18:6, f.a.p.) Atsingerina eo an-dohan’ny olona iray ny ran’ny olona novonoiny, izany hoe sazina izy satria meloka ho nandatsa-dra.—1Mp 2:32, 33.
Niaiky ny fahotan’ny vahoaka ny mpisoronabe isan-taona, ka nametraka ny tanany roa teo amin’ny lohan’ny osilahy ho an’i Azazela (nafindra tany amin’ilay osilahy ny fahotana). Nalefa tany an-tany efitra ilay osy avy eo mba hitondra an’ireny fahadisoana ireny ka tsy hotsarovana intsony izy ireny. (Le 16:7-10, 21, 22) Tanteraka izany rehefa ‘nitondra ny aretintsika sy nizaka ny fanaintainantsika’ i Jesosy Kristy, sady ‘nitondra ny fahotan’ny maro.’—Is 53:4, 5; He 9:28; 1Pe 2:24.
Nasaina nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny biby sasany natao fanatitra ny mpisorona sy ny olona nanao fanatitra. Midika izany hoe neken’izy ireo fa ho azy ireo no hanaovana an’ilay sorona.—Le 1:2-4; 8:14; No 8:12.
Ezk 32:27) Voalaza fa “eo amin’ny lohany ny mason’ny” hendry, izany hoe hitany tsara ny lalan-kizorany. (Mpto 2:14, f.a.p.) Nanisy vovoka na lavenona teo an-dohany ny olona rehefa nalahelo na nisaona na naetry. (Js 7:6; 1Sa 4:12; 2Sa 13:19) Nitantara an’ireo olana sy fijaliana nanjo ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanao salamo, ka nilaza fa nanitsaka ny lohan’ny Israely ny olona. Toa ny fahefana nampiharin’ny olona hafa firenena (heb.:ʼenôhsh, “olombelona mety maty”) teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra no tiana holazaina. Natanjaka sy nasiaka ary nanambony tena mantsy ireny olona ireny. (Sl 66:12; ampit. Is 51:23.) Manetry tena na misaona ny olona rehefa manondrika ny lohany (Is 58:5), ary maneso na manambany na mitolagaga izy rehefa mihivingivin-doha.—Sl 22:7; Je 18:15, 16; Mt 27:39, 40; Mr 15:29, 30.
Voninahitra, fietrena, fanambaniana. Tany amin’ny firenena sasany, dia niara-nalevina tamin’ny miaramila ny sabany, ka natao teo ambany lohany ho mari-boninahitra. (Hatsaram-panahy amin’ny fahavalo. Mampirisika ny olona ho tsara fanahy amin’ny fahavalony ny Baiboly, ‘satria ny fanaovana izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany.’ (Ro 12:20; Oh 25:21, 22) Nalaina avy tamin’ny fomba fandrendrehana metaly fahiny io sarin-teny io: Nalaina ny vato nisy metaly ka nasiana vainafo teo amboniny sy tao ambaniny. Niempo ny metaly rehefa nahamay be, ka nisaraka tamin’ny tain-drendrika. Raha anehoana hatsaram-panahy ny fahavalo, dia mety halefaka ny fony, ka hiala ireo toetra ratsy toy ny loto, fa hivoaka kosa ny toetra tsarany.
Fahefana. Mety hilazana lehiben’ny fianakaviana na lehibem-poko koa ny hoe ‘loha’, na hilazana filohan’ny firenena na fitondram-panjakana. (Mpts 11:8; 1Sa 15:17; 1Mp 8:1; 1Ta 5:24) Patriarkes no teny grika nadika hoe ‘loham-pianakaviana.’ (As 2:29; 7:8, 9; He 7:4) Ho lohan’ireo firenena na ho fara tampony ny Israely raha nankatò an’Andriamanitra, izany hoe, ho lasa firenena afaka sy manankarena izy ka hampisambotra an’ireo firenen-kafa mihitsy aza. (De 28:12, 13) Raha tsy nankatò kosa anefa izy, dia ny vahiny nonina teo aminy no hampisambotra azy ka ho lasa lohany.—De 28:43, 44.
Loha fiton’ilay dragona. Nanana loha fito nisy diadema ilay “dragona” tany an-danitra izay hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana. Voalaza fa ny Devoly io dragona io. (Ap 12:3, 9) Samy manan-doha fito koa na ilay “bibidia” eto an-tany, izay nahazo fahefana avy tamin’ilay dragona, na ilay “bibidia mena midorehitra.” Tsy inona ireo loha ireo fa firenena matanjaka. (Ap 13:1; 17:3, 9, 10; ampit. Da 2:32, 37, 38 izay miantso ny tarana-mpanjaka avy amin’i Nebokadnezara hoe “loha.”) Azo inoana àry fa ireo loha fiton’ilay dragona dia ny fahefana ananan’i Satana eo amin’ireo firenena matanjaka fito resahin’ny faminanian’ny Baiboly.—Ef 6:12; jereo BIBY AN’OHATRA.
Lohan’ny fiangonana kristianina. I Jesosy Kristy no Lohan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ary io fiangonana io no ‘vatan’i Kristy’, izay misy Kristianina 144 000. (Ef 1:22, 23; Kl 1:18; Ap 14:1) Tsy mety maty i Jesosy, ka izy no rantsana mampifandray foana an’ireo Kristianina nateraky ny fanahy mbola eto an-tany, sady manome an’izay ilain’izy ireo mba hitombo tsara amin’ny ara-panahy izy ireo ary hiara-miasa ho voninahitr’Andriamanitra. (1Ko 12:27; Ef 4:15, 16; Kl 2:18, 19) I Jesosy no lohan’ny fanjakana sy ny fahefana rehetra, izay eo ambany fahefan’Andriamanitra, ary Andriamanitra kosa no Lohan’ny zava-drehetra. (Kl 2:10; 1Ko 11:3) Milaza ny Baiboly fa toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana ny lehilahy izay lohan’ny vadiny. Hita amin’izany ny fomba tokony hifampitondran’ny mpivady: Ny lehilahy no tokony hanome tari-dalina ny vadiny sy ho tia ary hikarakara azy, ary ny vehivavy kosa tokony hanaiky ny vadiny.—Ef 5:22-33.
Manana fahefana feno Andriamanitra, izay Lohan’i Kristy. Manana fahefana eo amin’ny vehivavy koa ny lehilahy, saingy voafetra ihany. Nampiasa an’ireo ohatra ireo ny apostoly Paoly mba hanomezana toro lalana momba izay tokony hatao eo anivon’ny fiangonana kristianina: Tokony heken’ny vehivavy hoe avy amin’Andriamanitra ny fahefana ananan’ny lehilahy, ka raha mivavaka na maminany eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy dia tokony hanao saron-doha izay “mariky ny fanajana fahefana.”—1Ko 11:3-16; jereo FAHEFANA No. 1; SARON-DOHA; VOLO.
Hafa. Maromaro ny fomba ampiasana ny teny hebreo midika hoe “loha”, ary ireto ny sasany: Ny tampon’ireo andry tao amin’ny tranolay masina, sy tao an-tokotany, ary tao amin’ny tempoly (Ek 36:37, 38; 38:17; 1Mp 7:16); ny tampon’ny tendrombohitra (Ge 8:5); ny tendron-kazo (1Ta 14:15); ny tampon-tohatra (Ge 28:12); ary ny tendron’ny tehina (Es 5:2). Ampiasaina koa io teny hebreo io mba hilazana ny fiandohan’ny zavatra iray (renirano na lalana) (Ge 2:10; Ezk 21:21); ary ny volana voalohany (Ek 12:2). Antsoin’ny Jiosy hoe Rosh Hashanah ny andro voalohany amin’ny taona, ary midika hoe “Lohan’ny Taona” izy io.—Jereo FIHETSIKA SY FANAO.