Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loha Andry

Loha Andry

Tendron’ny andry natao handravahana azy. Nanana loha andry ngezabe ireo andry roa (Jakina sy Boaza) teo anoloan’ny tempolin’i Solomona. (2Ta 3:15-17) I Hirama mpanao asa tanana no nanao an’ireo andry sy loha andry ireo, fony naorina ilay tempoly (1034-1027 T.K.). Efajato taona mahery tatỳ aoriana izy ireo vao potika, rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema (607 T.K.). (2Ta 4:11-13; Je 52:17, 22) Kôteret foana ny teny hebreo ilazana an’ireo loha andry ireo, afa-tsy ao amin’ny andininy iray. Avy amin’ny fototeny hoe katar (‘mihodidina’; Mpts 20:43) izy io, ary iray tarika amin’ny hoe keter (“diadema”; Es 1:11). Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe tsafah (‘mametaka’; Ek 25:11) kosa ny teny hebreo (tsefet) nadika hoe “loha andry” ao amin’ny 2 Tantara 3:15.

Varahina narendrika no nanaovana an’ireo andry, ka 1,7 m teo ho eo ny savaivony ary 18 hakiho (8 m) ny haavony. Dimy hakiho (2,2 m) kosa ny haavon’ireo loha andry. (1Mp 7:15, 16) Manam-pahaizana maro àry no milaza fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay hoe “telo hakiho” ao amin’ny 2 Mpanjaka 25:17. Nosoloan’ny Baiboly sasany (ohatra, Jé, Li) hoe “dimy hakiho” àry ilay hoe “telo hakiho.” Poakaty ireo andry ary 7,5 sm teo ho eo ny hateviny. Azo inoana fa toy izany koa ireo loha andry, izay narendrika tao anaty lasitra tanimanga “teo amin’ny Faritr’i Jordana.”​—2Ta 4:17; Je 52:21.

Tsy voalaza hoe hoatran’ny ahoana marina ireo loha andry niendrika vilia baolina ireo. Nahodidina toy ny rojo teo amin’ny tapany ambany amin’izy ireo anefa ny harato varahina fito nifampidipiditra, izay nihantonan’ny ampongabendanitra varahina nisy andalana roa (ampongabendanitra 100 avy). (1Mp 7:17, 18, 20, 42; 2Ta 3:16) Toa tsy tazana ny 4 tamin’ireo ampongabendanitra 100 teo amin’ny andalana tsirairay, teo amin’ny lafin’ilay loha andry akaikin’ny tempoly. Nilaza mantsy i Jeremia fa “enina amby sivifolo ny isan’ny ampongabendanitra teo amin’ireo lafiny” (a.b.t.: teo ivelany, Prot.). (Je 52:23) Natao “miendrika voninkazo lisy” nirefy 4 hakiho (1,8 m) ny tapany ambony amin’ireo loha andry, teo ambonin’ireo ampongabendanitra.​—1Mp 7:19, 22.

Voaresaka ao amin’ny Baiboly koa ireo “tendron’ny andry” (heb.: kaftôhrim) tao Ninive izay ho lasa fonenan’ny “gisandrano sy sokina.”​—Ze 2:13, 14.