Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lohasaha

Lohasaha

Toerana iva eo anelanelana harambato mijidina na havoana na tendrombohitra. Rariny raha lazaina hoe i Jehovah Andriamanitra no namolavola ny firafitry ny vohon-tany, anisan’izany ireo lohasaha maro. (Sl 104:8) Antsoina fotsiny hoe lohasaha ny sasany (Js 8:11; 1Sa 13:18), fa ny hafa kosa natao hoe “lemaka” (faritra iva mitovy tantana eo anelanelana tendrombohitra sy havoana). (De 11:11; jereo LEMAKA.) Eo koa ny “lohasaha falehan-driaka.” Nisy riaka mandavantaona ny sasany indraindray, fa ny hafa kosa tamin’ny fotoanan’ny orana ihany matetika vao feno rano. (De 8:7; jereo LOHASAHA FALEHAN-DRIAKA.) Misy Baiboly mandika ny “lemaka iva” hoe “lohasaha.” (Ge 14:3; 1Ta 12:15) Adikan’ny Baiboly hafa hoe “lohasaha” na “lemaka iva” ny “Sefela”, izany hoe ilay faritra be havoana ivaiva eo anelanelan’ny lemaka amoron-tsirak’i Filistia sy ny tandavan-tendrombohitra eo afovoan-tanin’i Palestina.​—De 1:7; 1Mp 10:27.

Misy lohasaha voaresaka matetika ao amin’ny Soratra Masina, anisan’izany ny Lohasahan’i Moaba “tandrifin’i Beti-peora” (De 3:29; 34:6), ny Lohasahan-tsira (2Sa 8:13), ny lohasahan’i Hinoma (Ne 11:30), Jifta-ela (Js 19:14), Zeboima (1Sa 13:18) ary Zefata (2Ta 14:10). Misy kosa sady lemaka no lohasaha ka tonga dia natao hoe ‘lemaka.’ Anisan’ny resahin’ny Soratra Masina ny lemak’i Sinara (Ge 11:2, f.a.p.), Jeriko (De 34:3, f.a.p.), Mizpe (Js 11:8, f.a.p.), Libanona (Js 12:7, f.a.p.), Ono (Ne 6:2, f.a.p.), ary Megido (2Ta 35:22, f.a.p.; Za 12:11, f.a.p.).

Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana. Mety hahita loza eny amin’ny lohasaha na hantsana maizim-pito feno lavaka sy bibidia ny andian’ondry, indrindra amin’ny alina, raha tsy misy mpiandry tsara miahy azy. Nisy loza maro koa nety hahavoa an’i Davida, nefa tsy natahotra izy satria fantany fa i Jehovah no Mpiandry azy. Hoy àry izy: “Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako.”​—Sl 23:1, 4.

Azo inoana fa momba an’i Jerosalema fahiny ilay “fanambarana momba ny lohasahan’ny fahitana.” Toy ny ‘lohasaha’ mantsy izy io, na dia eny amin’ny avo aza, satria nisy tendrombohitra avo kokoa nanodidina azy.​—Is 22:1, 5.

Azo inoana fa toy ny hoe ‘nasondrotr’i Jehovah ny lohasaha rehetra’, ‘naetriny ny tendrombohitra sy ny havoana’, ary nataony lasa toy ny “lemaka [na lohasaha lemaka] ny tany mikitoantoana”, rehefa nanaisotra ny sakana rehetra izy mba hahafahan’ny olony hiverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Is 40:4) Tsy nangetaheta ireo Jiosy sisa ireo teny an-dalana, satria notanterahin’i Jehovah ilay faminanian’i Isaia hoe: “Hampiboiboika renirano eny amin’ny havoana mangadihady aho, ary hampiboiboika loharano eny amin’ny lemaka [na lohasaha lemaka].”​—Is 41:18; ampit. Is 35:6, 7, 10; 43:19-21; 48:20, 21.