Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lokanga

Lokanga

Tsy tena fantatra hoe inona ilay (na ireo) zavamaneno notondroin’ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “lokanga.” Samy hafa amin’ny hoe kinnôhr (harpa) ny hoe nevel, matoa miara-voatonona matetika izy ireo. Mora entina sady vita tamin’ny hazo ny nevel (1Mp 10:12), ary nitendrena mozika ara-pivavahana sy tsotra. (2Sa 6:5; 2Ta 5:12; Ne 12:27; Is 5:12; 14:4, 11) Isan-karazany ny lokanga nampiasaina. Tao ny minnim (“lokanga”; Sl 150:4), keli nevel (“lokanga”; 1Ta 16:5; Sl 71:22), nevel ʽasôhr (“lokanga misy tadiny folo”; misy ifandraisany amin’ny teny midika hoe “folo” ny hoe ʽasôhr; Sl 33:2; 144:9), neginôht (iray tarika amin’ny matoanteny midika hoe “mitendry lokanga”; teny mampiditra ny Sl 4, 6, 54, 55, 61, 67, 76), ary pesanterin (midika hoe “lokanga” telozoro; Da 3:5, 7, 10, 15).​—Jereo HARPA.