Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loloha

Loloha

Fanambadian’ny lehilahy iray ny vady navelan’ny rahalahiny maty tsy nitera-dahy, mba tsy ho lany taranaka ilay rahalahiny. Midika hoe ‘mitondra loloha’ ny matoanteny hebreo hoe yavam, izay iray tarika amin’ny teny hebreo nadika hoe ‘rahalahim-bady’ sy ‘vady navelan’ny rahalahy.’​—Ge 38:8; De 25:5, 7.

Izao ilay lalàna momba ny fitondrana loloha ao amin’ny Deoteronomia 25:5, 6: “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty tsy nitera-dahy ny iray, dia tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa ny vady navelan’ny maty. Tokony handeha ho any amin-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary hampakatra azy ho vady ka hitondra loloha azy. Ary ny zaza voalohany hatera-dravehivavy aminy no hitondra ny anaran’ilay rahalahiny efa maty, mba tsy ho voakosoka tsy ho eo amin’ny Israely ny anarany.” Nihatra io lalàna io, na nanambady ilay rahalahim-bady na tsia.

I Jehovah no “ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Ef 3:15) Tiany hisy hamelo-maso àry ny fianakaviana mba tsy ho lany taranaka. Efa nisy namelo-maso toy izany ny loham-pianakaviana fahiny. Lasa anisan’ny Lalàna nomena ny Israely izany. “Tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa” ilay vehivavy maty vady, izany hoe tsy tokony hanambady lehilahy tsy anisan’ny fianakaviany. Rehefa niteraka izy sy ilay rahalahim-badiny, dia nitondra ny anaran’ilay nodimandry ny lahimatoan’izy ireo, fa tsy ny anaran’ilay rahalahim-badiny. Tsy hoe tsy maintsy nitovy anarana tamin’ilay nodimandry akory ilay zaza, fa hoe tsy lany taranaka ilay nodimandry ary tsy nifindra tamin’olon-kafa ny lovan’ny ankohonany.

Voalaza koa hoe: “Raha misy mpirahalahy miara-monina.” Toa midika izany hoe nifanakaiky izy ireo fa tsy iray trano. Milaza anefa ny Mishnah (Yevamôt 2:1, 2) fa niara-belona izy ireo fa tsy niara-monina. Sarotra tamin’ny lehilahy iray nipetraka lavitra ny nikarakara ny lovany sy ny an’ny rahalahiny, mandra-pahalehiben’ilay mpandova ny rahalahiny. Matetika anefa no tao amin’ny faritra iray ihany ny lovan’ny mpianakavy.

Azo lazaina hoe nitondra loloha i Joda, loham-pianakaviana fahiny. Efa nomeny ho vadin’i Era lahimatoany i Tamara. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah anefa i Era, ka novonoin’i Jehovah ho faty. “Dia hoy i Joda tamin’i Onana [rahalahin’i Era]: ‘Manaova firaisana amin’ny vadin-drahalahinao, ary alaivo ho vady izy ka ento loloha, dia miteraha hamelo-maso ny rahalahinao.’ Fantatr’i Onana anefa fa tsy ho azy ny zaza. Koa rehefa nanao firaisana tamin’ny vadin-drahalahiny izy, dia nariany tamin’ny tany ny tsirinainy, mba tsy hanomezany taranaka ho an’ny rahalahiny.” (Ge 38:8, 9) Novonoin’i Jehovah ho faty koa àry i Onana. Nasain’i Joda niandry mandra-pahalehiben’i Sela zanany fahatelo i Tamara. Tsy noteren’i Joda hitondra loloha an’i Tamara anefa i Sela.

Maty ny vadin’i Joda tatỳ aoriana. Nitady hevitra àry i Tamara mba hahazoana taranaka avy tamin’ny rafozandahiny. Nosaronany lamba ny tenany, ary nosaronany koa ny tarehiny. Fantany ny lalana handalovan’i Joda, ka nipetraka teo amoron’ilay lalana izy. Nihevitra azy ho mpivaro-tena i Joda ka nanao firaisana taminy. Nangataka antoka taminy i Tamara, ho porofon’ny nanaovan’izy ireo firaisana. Nipoitra ny marina tatỳ aoriana, nefa tsy nanome tsiny azy i Joda fa nilaza kosa hoe: “Marina noho izaho izy.” Tsy nanao firaisana tamin’i Tamara vinantovaviny intsony izy taorian’izay. Nanome taranaka tsy satry ho an’i Era àry i Joda.​—Ge 38.

Nilaza ny Lalàna fa tokony hanatona an’ireo anti-panahin’ny tanàna ny vehivavy maty vady, raha tsy nanaiky hitondra loloha azy ny rahalahim-badiny. Tokony hiseho eo anatrehan’izy ireo ralehilahy ka hilaza fa tsy te hanambady azy. Hanala ny kapa eny an-tongotr’ilay lehilahy ravehivavy ary handrora azy eo amin’ny tarehiny. “Ny ankohonan’ilay nalana kapa” no ‘anarana hiantsoana an-dralehilahy eo amin’ny Israely’ aorian’izay. Midika ho fahafaham-baraka ho an’ny ankohonany izany.​—De 25:7-10.

Fanaon’ny Israelita fahiny ny nanitsaka tamin’ny kapany ny tany vao azony ary nitsangana teo, ho porofo fa lasany ilay tany ka nananany zo. Mety ho izany no niavian’ilay fanao hoe manala kapa. Nesorin’ny lehilahy iray ny kapany ary nomeny olon-kafa, mba hampisehoana tamin’ny vavolombelona zokiolona teo am-bavahadin’ny tanàna fa tsy te hitondra loloha sy tsy te hahazo tany izy.​—Rt 4:7.

Misy tsipiriany hafa koa ao amin’ny bokin’i Rota. Maty ny Jodianina iray atao hoe Elimeleka, ary maty koa ny zanany roa lahy. Lasa mpitondratena àry i Naomy vadiny sy ireo vinantovaviny roa. Nanana havana akaiky nantsoin’ny Baiboly hoe “ingahy” i Elimeleka. Rahalahiny angamba izy io. Izy àry no gôʼel na mpanavotra. Tsy nanaiky hitondra loloha anefa izy fa nesoriny ny kapany ka nomeny an’i Boaza. I Boaza indray àry no havana akaiky indrindra nanan-jo hanavotra. Novidiny ny tanin’i Elimeleka ary tokony halainy ho vady i Naomy. Efa be taona anefa i Naomy ka tsy afa-niteraka intsony. I Rota vinantovaviny àry no lasa vadin’i Boaza mba hamelo-maso ny anaran’i Elimeleka. Niteraka an’i Obeda izy mivady. Hoy ireo vehivavy teo an-tanàna: “Zazalahy no teraka ho an’i Naomy.” Zanak’i Elimeleka sy Naomy mantsy no fiheveran’izy ireo an’ilay zaza. Nanao fanompoana ho an’i Jehovah koa i Boaza sy Rota, satria midika hoe “Mpanompo; Ilay Manompo” ny anaran’ilay zanany. Notahin’i Jehovah ilay fitondrana loloha satria razamben’i Davida i Obeda, ka lasa razamben’i Jesosy Kristy koa.​—Rt 4.

Ny lehilahy havana akaiky indrindra no nanan-jo hitondra loloha, nifanaraka tamin’ny lalàna momba izay nanan-jo handova tany: Ny zokiny indrindra aloha, avy eo ny zandriny, ny rahalahin-drainy, vao ny havana hafa. (No 27:5-11) Ny rahalahiny zokiny indrindra no nanana adidy hitondra loloha ny vady navelan’ny lehilahy iray, ary avy eo ny rahalahiny nanarakaraka azy, raha maty izy. Dia toy izany hatrany, araka ny voalazan’ny Matio 22:23-28 sy Lioka 20:27-33. Tsy nahazo nisongona ny zokiny ny zandriny, raha tsy hoe tsy nanaiky hanao ny adidiny angaha ilay zokiny.