Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lorie

Lorie

(lôriè) [heb.: ʼôren].

Hazo madinika maitsoririnina, nefa mety hahatratra 15 m eo ho eo koa. Nampiasaina hatry ny ela tamin’ny fitsaboana ny menak’ilay hazo (raviny, hodiny, fakany, ary voany). Boribory lavalava sy henjana ny raviny, izay mangirana ny atiny.

Izy no voatonona farany amin’ireo hazo resahin’ny Isaia 44:14, izay hany ahitana azy io ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny hazo lorie (Laurus nobilis) izy io, hoy ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros (nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 88). (Jereo koa Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 293.) Ahitana Laurus nobilis ny morontsirak’i Palestina ka hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any afovoan-tany, ary any an-tany hafa amoron’i Mediterane.

Nataon’ny Grika fahiny fehilohan’ireo nandresy tamin’ny Lalao Pytika ny ravina lorie, ary natolony ho an’ny olona ambony ho fanomezam-boninahitra azy.