Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lota

Lota

(Lôta).

Zafikelin’i Tera, ary zanakalahin’i Harana rahalahin’i Abrahama (Abrama). Zana-drahalahin’i Abrahama àry i Lota.​—Ge 11:27.

Maty tany Oran’ny Kaldeanina i Harana rain’i Lota. Niaraka tamin’i Tera sy Abrama ary Saray àry i Lota, rehefa niala tany Ora izy ireo ka nankany Harana, ary tany i Tera raiben’i Lota no maty. (Ge 11:28, 31, 32) Nankany Kanana niaraka tamin’i Abrama sy Saray i Lota avy eo. Nanaraka azy mivady nankany Ejipta koa izy taorian’izay. (Ge 12:4, 5; 13:1) Niverina tany Kanana izy ireo tatỳ aoriana, ary nihamaro ny fananan’i Lota sy Abrama, ka tsy antonona azy mianaka intsony ilay tany. Nifanditra koa ny mpiandry ny biby fiompin’izy ireo. (Ge 13:5-7) Tsy tian’i Abrahama hitohy izany, ka nilaza izy hoe tokony hisara-toerana izy ireo, ary ilay zana-drahalahiny no nasainy nifidy izay tiany haleha. Nifidy faritra azon-drano tsara i Lota, izany hoe ny faritr’i Jordana Ambany manontolo. Namindra ny tobiny niantsinanana i Lota, ary nanangana ny tranolainy teo akaikin’i Sodoma, taorian’izay. (Ge 13:8-12) Tsy nanahaka an’ireo mponin’i Sodoma anefa izy. “Olo-marina” izy ary ‘nahatsiaro ho nijaly noho ny zavatra hitany sy reny tamin’izy nonina isan’andro teo amin’izy ireo, satria nanao ny tsy ara-dalàna ireo.’​—2Pe 2:8.

Nisy mpanjaka efatra mpiray dina tonga nanafika sy nandresy mpanjaka dimy tany Kanana, anisan’izany ny mpanjakan’i Sodoma. Nandroba an’i Sodoma izy ireo ary nentiny ho babo i Lota. Nandre izany i Abrahama, ka nanangona mpanompo 318 lahy, ary niady ka nandresy an’ireo mpandroba. Azo indray ny entana voaroba, ary avotra i Lota.​—Ge 14:1-16.

Nisy anjely nitsidika. Nisy anjely roa nitsidika an’i Lota tatỳ aoriana, ka nampiantranoiny. Kely sisa dia horavana i Sodoma tamin’izay. Nanodidina ny tranon’i Lota anefa ny lehilahy tao an-tanàna ary nitaky ny hamoahana an’ireo vahiny, mba hanaovany firaisana. Niezaka niaro an’ireo vahininy i Lota, hany ka natolony an’ireo lehilahy ireo mihitsy ny zanany roa vavy mbola virjiny. Tezitra be anefa ireo lehilahy ireo ka nanosika mafy an’i Lota. Nosintonin’ireo anjely avy hatrany hankao ao an-trano i Lota, ary nataony jamba ireo Sodomita ratsy toetra ireo.​—Ge 19:1-11.

Novonjena avy tao Sodoma. Nilaza tamin’i Lota ireo anjely, taorian’izay, fa nihamafy ny fitarainana tonga teo anatrehan’i Jehovah momba ny mponin’i Sodoma, ka nirahina handrava an’ilay tanàna izy ireo. Nasaina nampitandrina an’ireo vinantolahiny i Lota. Azo antoka fa vao fofombadin’ny zanany vavy ireo. (Ampit. Ge 19:8, 14.) Tsy nanaraka ny tenin’i Lota anefa ireo vinantolahiny. (Ge 19:12-14) Nasain’ireo anjely roa niala haingana tao an-tanàna i Lota sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, rehefa nazava ratsy ny andro. Mbola nitaredretra anefa i Lota, ka notantanan’izy roa lahy mihitsy izy ireo. Niangavy i Lota mba havela handositra tao amin’ny tanànan’i Zoara, teo akaiky teo. Nanaiky ireo anjely. Rehefa tonga tao Zoara i Lota, dia naringan’i Jehovah tamin’ny afo i Sodoma sy Gomora. Tsy nankatò anefa ny vadin’i Lota (tsy voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny anarany) ka “niherika.” Angamba izy tsy nahafoy an’ireo zavatra nilaozany. “Lasa vongan-tsira mitsangana” àry izy.​—Ge 19:15-26.

Niala tany Zoara i Lota tatỳ aoriana, ary nipetraka tao anaty lava-bato teny amin’ny faritra be tendrombohitra. Azo inoana fa maty tao Sodoma ireo saika ho vinantolahiny ka tsy nanana vady ny zanany roa vavy. Nanao tetika izy roa vavy mba tsy ho lany tamingana ny rainy: Nomeny divay i Lota mba ho mamo, ary nataony tsy fantatr’i Lota akory hoe nanao firaisana tamin’izy ireo izy. Samy nitera-dahy àry izy roa vavy, ary avy tamin’ireo zanany lahy ireo no niavian’ny Moabita sy ny Amonita.​—Ge 19:30-38; De 2:9, 19.

Anatra ho antsika. Noporofoin’i Jesosy Kristy fa marina ny tantaran’i Lota ao amin’ny Soratra Masina. Nilaza izy fa ho toy ny tamin’ny andron’i Lota ny zava-misy “amin’ny andron’ny Zanak’olona”, izany hoe mandritra ny fanatrehany. Tsy niraharaha ny olona tamin’izany, fa nihinana sy nisotro, nividy, nivarotra, namboly, ary nanorina trano, mandra-pandefan’i Jehovah afo sy solifara avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Nilaza i Jesosy fa tsy tokony hiverina any amin’izay zavatra any aoriany ny olona, amin’ny hoavy, satria ho ratsy be ny vokatr’izany. Hoy mantsy izy: “Tsarovy ny vadin’i Lota.”​—Lk 17:26-32.