Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Loza

Loza

Midika ara-bakiteny hoe “fikasihana”, “famelezana”, “kapoka”,“faharesena”, ary “fahafatesana” ireo teny hebreo nadika hoe “loza.” Nahatonga loza i Jehovah Andriamanitra mba hanasaziana an’ireo nimenomenona ka nikomy (No 16:41-50), ireo tsy nety nanao ny sitrapony (Za 14:12, 15, 18), ireo nanazimbazimba zava-masina (1Sa 5:1–6:4), ireo nikasika ny voahosony (Ge 12:17; Sl 105:15), ary ireo nivadika taminy na nandika ny lalàny. (Le 26:21; No 14:36, 37; 31:16; De 28:59-61; 1Ta 21:17, 22; 2Ta 21:12-15) Mety ho anjely na olona no nampiasainy mba hahatonga ilay loza. (2Sa 24:17; Je 19:1-8; 25:8, 9; 49:17; 50:13, 14) Izao ihany no nampitsahatra ny loza nalefan’Andriamanitra: Na nisy mpanompony nitalaho momba izany, na nibebaka ireo nanota ka nivavaka tamim-pahatsorana taminy.​—Ge 20:17, 18; 1Mp 8:37, 38; 2Ta 6:28, 29.

Mety ho vokatry ny fahotan’ny olona iray koa ny loza manjo azy. (Oh 6:32, 33) Mety ho aretina ilay loza, ohatra hoe “habokana” (Le 13:2), na zava-mampahory tsy nampoizina.​—Sl 38:11; 73:5, 14.

Namely an’i Ejipta tamin’ny loza maro i Jehovah tamin’ny andron’i Mosesy mba hampisehoana ny heriny lehibe sy mba hanambarana ny anarany tany amin’ireo firenena. (Ek 9:14, 16) Mbola niresaka momba ireny loza ireny foana ny taranaka maro tatỳ aoriana. (Js 2:9-11; 9:9; 1Sa 4:8; 6:6) Ireny loza ireny koa no porofo fa tsy mahavita na inona na inona ireo andriamanitr’i Ejipta.​—Ek 12:12; No 33:4; jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY (Ireo loza folo); MOSESY (Teo anatrehan’i Farao tany Ejipta).

Miresaka momba ny loza (gr.: plegai, a.b.t.: kapoka) koa ny bokin’ny Apokalypsy. Azo inoana fa fomba anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany izany, ary manambara an’ohatra ny vokatry ny didim-pitsarany.​—Ap 9:18, 20; 11:6; 15:1, 6, 8; 16:9, 21; 18:4, 8; 21:9; 22:18.