Loza, Voina
Mazàna no zava-mitranga tsy ampoizina vokatry ny tsy fahalalana na kitoatoa na ny zava-misy tsy azo ialana. Amoizana fananana na aina ny loza na voina, ary mahatonga ratra. Midika ara-bakiteny hoe “fanasitranana” ilay teny hebreo hoe ʼasôhn, izay teny malefaka kokoa ilazana “loza mahafaty.” (Ge 42:4) Nadika hoe “loza” (1Sa 6:9) ny teny hebreo hoe mikreh, izay avy amin’ny fototeny midika hoe “tojo; manjo.” (Ge 27:20; 44:29) Nadika hoe ‘fiafarana’ (Mpto 2:14, 15; 3:19) sy “sendrasendra” (Rt 2:3) koa anefa izy io.
Natahotra i Jakoba sao hisy loza mahafaty hanjo an’i Benjamina, zanany tsy foiny, raha avelany hiaraka tamin’ny rahalahiny ho any Ejipta izy. (Ge 42:4, 38) Nalain’ny Filistinina ny Vata masin’i Jehovah ka voan’ny hemoroida izy ireo. Naverin’izy ireo àry ilay Vata mba hahalalany raha avy tamin’i Jehovah tokoa izay nanjo azy na “loza” sendra nitranga fotsiny. (1Sa 6:9) Niaiky i Solomona fa mety ho azon-tsampona ny rehetra.—Mpto 9:11.
Samy hafa ny lalàna momba ny loza mahafaty sy ny loza tsy mahafaty. (Ek 21:22-25) Samy hafa koa ny lalàna momba ny vonoan’olona niniana natao sy tsy fanahy iniana. Tsy maintsy novonoina ho faty izay ninia namono olona, fa nasaina nandositra tany amin’ireo tanàna fialokalofana kosa ireo nahafaty olona tsy nahy. (No 35:11-25, 31; jereo TANÀNA FIALOKALOFANA.) Iray ihany ny lalàna ho an’ny Israelita sy ho an’ny vahiny nonina teo aminy. Nohazavain’ny Lalàna ny sorona nilaina natao mba handrakofana ny fahotan’izay nanota tsy nahy ka nahatonga loza.—Le 4:1-35; 5:14-19; No 15:22-29.