Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lozy

Lozy

(Lòzy) [Hazo Amandie].

1. Anaran’i Betela fahiny. Azo inoana fa ny Kananita nonina tao no nanome io anarana io. Nantsoin’i Jakoba hoe Betela (midika hoe “Tranon’Andriamanitra”) ilay toerana, rehefa nahazo nofy avy tamin’Andriamanitra izy. Efa nitoby teo koa i Abrahama taloha. (Ge 28:16-19; 35:6) Maro no milaza an’i Lozy ho ilay tanàna rava eo akaikin’ny tanàna kelin’i Beitin, tokony ho 17 km any avaratr’i Jerosalema. Toa Betela no lasa niantsoana an’ilay toerana tamin’ny farany fa tsy Lozy intsony, taorian’ny nandresen’ny Israelita ny tany Kanana. (Mpts 1:22) Misy mihevitra fa tanàna roa samy hafa i Betela sy Lozy. Misy Baiboly mantsy milaza fa ny sisin-tanin’i Efraima resahin’ny Josoa 16:2 dia “hatrany Betela ka hatrany Lozy” (Prot.), na “avy ao Betela ... nihatra tamin’i Lozy” (Kat.). Ireo fandikan-teny maoderina kokoa anefa milaza hoe “Betelan’i Lozy” (TV). Tsy hita ao amin’ny Baiboly intsony ny anarana hoe Lozy aorian’ny Mpitsara toko voalohany.​—Jereo BETELA No. 1.

Rehefa miresaka momba ny tsorakazo amandie nampiasain’i Jakoba ny Genesisy 30:37, dia teny hebreo (loz) mifanitsy amin’ny anaran’ny tanànan’i Lozy no hita ao.

2. Anaran’ny tanàna iray tany amin’ny “tanin’ny Hetita”, izay naorin’ny lehilahy iray avy tao Betela (Lozy). Nanampy an’ireo Israelita taranak’i Josefa nandresy an’i Betela io lehilahy io. Tsy niharan-doza izy mianakavy, toy ny fianakavian’i Rahaba ihany. Tsy nitovy tamin’i Rahaba anefa izy, satria tsy nieritreritra ny hiaraka tamin’ny Israely, fa naleony nankany amin’ny tanin’ny Hetita, ary nanorina tanàna tany. Asehon’izany fa tsy hoe natahotra an’i Jehovah Andriamanitra, na niaiky ny amin’ny toetrany izy matoa nanampy ny Israely. Nantsoiny hoe Lozy ilay tanàna naoriny ho fahatsiarovana ny tanàna niaviany. Tsy mba nahazo voninahitra tahaka an’i Rahaba ilay lehilahy, satria tsy nolazain’ny Baiboly ny anarany. (Mpts 1:23-26) Misy milaza fa ny anaran’i Lozy, dia mbola voatahiry kely ihany ao amin’ny anaran’ilay tanàna ravan’i el-Louaize, tokony ho 20 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Sidona.