Lykia
(Lykìa).
Faritra be tendrombohitra teo amin’ny morontsiraka atsimoandrefan’i Azia Minora. I Karia no teo avaratrandrefan’i Lykia; i Frijia sy Pisidia kosa no teo avaratra; ary i Pamfylia no teo avaratratsinanana. Anisan’ny Tandavan-tendrombohitra Taurus ireo tendrombohitra tao amin’ny faritr’i Lykia fahiny. Tonga dia ny ranomasina no teo am-pototr’ireo tendrombohitra, indrindra fa ireo tany amin’ny ilany atsinanana. Mamokatra be ireo lohasaha lalovan’ny renirano any amin’iny faritra iny, indrindra fa ilay lalovan’ny Reniranon’i Ksantosy (Koca ankehitriny). Maitso mavana ireo havoana, ary azon’ny andian’ondry iraofana ahitra ireo tehezan-tendrombohitra.
Voatantara ao amin’ny dia nataon’ny apostoly Paoly i Patara sy Myra, izay samy tanànan’i Lykia. Tsy voalaza anefa hoe nitory tany izy.—As 21:1; 27:5.