Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lysania

Lysania

(Lysanià) [teny natambatra avy amin’ny fototeny midika hoe “mamaha; mivaha” sy ny fototeny midika hoe “alahelo; fahoriana”].

Lehibem-paritr’i Abilena tamin’ny fotoana nanombohan’i Jaona Mpanao Batisa ny fanompoany (taona 29), tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara. (Lk 3:1) Faritra nofehezin’ny Romanina i Abilena, ary i Abila, tany akaikin’i Damaskosy any Syria, no renivohiny. Nisy soratra tamin’ny andron’i Tiberio Kaisara hita tany Abila, ary natao hahatsiarovana ny nitokanana tempoly iray izy io. Voalazan’izy io fa olona nomen’i “Lysania lehibem-paritra” fahafahana no nitokana an’ilay tempoly. (Corpus Inscriptionum Graecarum, Boky Faha-3, No. 4521) Misy milaza fa diso ny fitantaran’i Lioka ao amin’ny Lioka 3:1. Milaza mantsy, hono, i Josèphe fa nisy an’izany Lysania izany novonoin’i Marc Antoine tamin’ny taona 34 T.K. tany ho any, noho ny fampirisihan’i Kleopatra. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 92 [iv, 1]) Tsy diso anefa i Lioka satria tsy mitovy ilay Lysania resahiny sy ilay Lysania (zanakalahin’i Ptolémée) niaina tany aloha kokoa izay noresahin’i Josèphe. Tsy nanjaka tany Abilena mantsy i Lysania zanak’i Ptolémée fa tany Chalcis, tanàna teo akaiky teo. Tsy nantsoina hoe lehibem-paritra koa izy.