Lystra
(Lỳstra).
Tanànan’i Lykaonia, tany amin’ny ilany atsimon’ny faritra afovoan’i Azia Minora. Maro no milaza an’i Lystra ho havoana iray any avaratr’i Hatonsaray, eo amin’ny faritra mahavokatra sy azon-drano tsara, tokotokony ho 32 km any atsimo atsimoandrefan’i Konya (Ikonioma).
Nankany Lystra (any Galatia, faritany romanina) ny apostoly Paoly sy Barnabasy rehefa voatery niala tao Ikonioma satria saika notoraham-bato. Efa nataon’i Aogosto zanatany romanina i Lystra tamin’izay. Fiteny lykaonianina foana anefa no nampiasain’ny teratany tao. Nanasitrana lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny i Paoly tao. Nahita an’izany ny vahoaka ka nihevitra an’i Paoly sy Barnabasy ho andriamanitra Hermesy sy Zeosy nitafy nofo. Saika tsy nahasakana ny olona tsy hanao sorona ho azy izy roa lahy. Tonga tao Lystra anefa ny Jiosy avy tany Ikonioma sy Antiokia any Pisidia, ka nampirisika ny mponina tao hanohitra an’i Paoly. Nitora-bato an’i Paoly àry ny olona sady nitaritarika azy teny ivelan’ny tanàna, satria noheveriny fa maty. Nanodidina an’i Paoly ny mpianatra avy eo. Niarina izy ary niditra tao Lystra. Niala tao izy sy Barnabasy ny ampitson’iny, ary nankany Derbe.—As 14:1, 5-20.
Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia i Paoly sy Barnabasy, rehefa vita izay nataony tany Derbe. Nohatanjahin’izy ireo sy nampahereziny ny mpianatra teo anivon’ireo fiangonana kristianina vaovao tany amin’ireny tanàna ireny. Nanendry anti-panahy tany koa izy ireo.—As 14:21-23.
Rehefa voalamin’ny apostoly sy ny anti-panahin’ny fiangonana tao Jerosalema (t. taona 49) ilay adihevitra momba ny famorana, dia niverina tany Derbe sy Lystra i Paoly. Miresaka an’izany ny Asan’ny Apostoly 16:1, ka mety hidika izany fa avy any Lystra na avy any Derbe, teo akaiky teo, ilay tovolahy nantsoina hoe Timoty. Toa tany Lystra no marina kokoa, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 16:2. Tsy voatonona ao mantsy i Derbe. Voalaza kosa hoe “tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” i Timoty. (Jereo koa 2Ti 3:10, 11.) Nandroso tsara i Timoty, ka nifidy azy i Paoly mba hiaraka hanao dia misionera taminy.—As 16:3.
Mety ho nijanona tao Lystra ny apostoly Paoly, tamin’izy nitsidika toerana maro tany amin’ny “faritr’i Galatia”, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony.—As 18:23.