Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Madio, Fahadiovana

Madio, Fahadiovana

Teny hebreo sy grika maromaro no ampiasaina hilazana zavatra madio sy ny asa fanadiovana, izany hoe fanesorana tasy, na pentina, na loto, na zavatra manatsatso na manimba. Tsy hoe madio ara-bakiteny fotsiny no tiana hotenenina amin’ireo teny hebreo sy grika ireo, fa matetika kokoa aza madio fitondran-tena na madio eo amin’ny lafiny ara-panahy. Matetika no misy ifandraisany ny fahadiovana ara-bakiteny sy ny fahadiovana araka ny fombafomba takin’ny Lalàna. Ilay matoanteny hebreo hoe taher (madio; manadio) mazàna no ampiasaina eo amin’ny resaka fitondran-tena na eo amin’ny fahadiovana araka ny fombafomba takin’ny Lalàna. Ilay teny hebreo hoe barar no mitovy dika aminy. Toy izao avy no nandikana azy io: “Esorina; fantenana; madio; isehoana ho madio; anadiovana.” (Ezk 20:38; Mpto 3:18; Sl 18:26; Je 4:11) Katarôs kosa no teny grika midika hoe “madio.” Ampiasaina hilazana ny hoe madio ara-bakiteny sy madio fitondran-tena ary madio eo amin’ny lafiny ara-panahy izy io. (Mt 5:8; Mt 23:26; Tit 1:15) Avy amin’ilay teny hebreo hoe tameʼ ny teny nadika hoe “fahalotoana.” Akatarsia kosa ny teny grika nadika hoe “fahalotoana.”​—Le 5:3; Mt 23:27; Ga 5:19.

Fahadiovana ara-bakiteny. Efa zatra nadio ny firenen’Israely ka salama kokoa noho ny firenen-kafa, na dia nifindrafindra monina sy nirenireny 40 taona tany an-tany efitra aza. Azo antoka fa ny nahatonga izany dia ny lalàn’Andriamanitra izay nifehy ny fiainan’izy ireo tao an-toby, ka anisan’izany ny lalàna momba ny famantarana aretina sy ny fitsaboana. Notakin’ny lalàna ny tokony hampiasana rano madio. Voalaza koa fa ny biby madio ihany no azo hanina. (Jereo BIBY.) Nasaina nandray fepetra fiarovana izy ireo rehefa nikarakara faty na nandevina. Natokan-toerana ny marary sasany mba tsy hiparitahan’ny areti-mifindra. Efa fantatr’izy ireo tamin’izany fotoana izany fa tokony halevina ny diky mba hitandroana ny fahasalamana. (De 23:12-14) Nahasoa ny firenen’Israely koa ilay lalàna hoe mila mandro matetika sy manasa ny fitafiany izy ireo.

Matetika ny Soratra Masina no mampiasa ny fahadiovana ara-bakiteny mba hanazavana ny fahadiovana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Miresaka momba ny “lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara”, ohatra, ny Apokalypsy 19:8, ary manazava hoe tsy inona izany fa “ny asa marina nataon’ny olona masina.” Niresaka momba ny fahadiovana ara-bakiteny koa i Jesosy mba hanasongadinana fa tsy nadio teo amin’ny lafiny ara-panahy ny Fariseo sady nihatsaravelatsihy. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny olona manadio ny ivelan’ny kaopy na vilia fa tsy mba manadio ny ao anatiny ireo Fariseo ireo, satria nihatsaravelatsihy. (Mt 23:25, 26) Nilaza fanoharana mitovy amin’izany tamin’ny mpianany koa i Jesosy rehefa nihinana ny Paska farany. Mbola teo i Jodasy Iskariota tamin’izay. Efa avy nandro izy ireo, ary efa nosasan’ny Tompony ny tongotr’izy ireo, ka ‘nadio ny tenany manontolo.’ Nilaza anefa i Jesosy fa ‘tsy izy rehetra’ no nadio teo amin’ny lafiny ara-panahy.​—Jn 13:1-11.

Antony 70 eo ho eo no lazain’ny Baiboly fa mahatonga fahalotoana ara-bakiteny na tsy ara-bakiteny. Ireto avy ny antony sasany: Fikasihana faty (Le 11:32-40; No 19:11-19); fikasihana olona na zavatra maloto (Le 15:4-12, 20-24; No 19:22); habokana (Le 13:1-59); tsiranoka mivoaka amin’ny taovam-pananahana, anisan’izany ny tsirinaina mivoaka rehefa manao firaisana (Le 15:1-3, 16-19, 32, 33); fiterahana (Le 12:1-5); ary fihinanana biby maloto, na vorona izany na trondro na biby hafa (Le 11:41-47). Ny mpisorona indrindra indrindra no tena tsy maintsy nadio rehefa nanompo teo anatrehan’i Jehovah. Tsy maintsy nadio ara-bakiteny sy araka ny fombafomba takin’ny Lalàna izy ireo. (Ek 30:17-21; Le 21:1-7; 22:2-8) Azo lazaina hoe naloto ny tany raha nisy vonoan’olona na fanompoan-tsampy tao.​—No 35:33, 34; Ezk 22:2-4; 36:25.

Fahadiovana araka ny fombafomba takin’ny Lalàna. Voaheloka ho faty izay Israelita tsy nitandrina an’io karazam-pahadiovana io. Hoy ny Levitikosy 15:31: “Ataovy izay tsy hampahaloto ny zanak’Israely, sao ho faty ao anatin’ny fahalotoany izy noho ny nandotoany ny tranolaiko izay eo aminy.” Mazàna no rano sy lavenon’ny ombivavy mena no nampiasaina tamin’izany mba hanadiovana. Olona na toerana na zavatra no nodiovina tamin’izany fomba izany. (No 19:2-9) Ireto no antony telo mpitranga indrindra nahatonga ny olona haloto, araka ny Nomery 5:2: Habokana, tsiranoka mivoaka amin’ny taovam-pananahana, ary fikasihana faty.

Habokana. Aretina faran’izay maharikoriko izy io. Nisy fepetra hentitra tsy maintsy noraisina mba tsy hiparitahany, anisan’izany ny fanokanan-toerana maharitra. Nodinihina tsara imbetsaka koa ilay marary na ny zavatra voan’ilay aretina mba hahafantarana raha sitrana ilay aretina. (Le 13:1-46; De 24:8) Tena nanam-pinoana àry ilay boka matoa niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Tsy hoe sitrak’i Jesosy fotsiny izany, fa nasehony koa fa vitany ny nanasitrana an’io aretina maharikoriko io, ka hoy izy: “Madiova ianao.” Hoy izy avy eo tamin’ilay boka efa sitrana: “Mandehana miseho any amin’ny mpisorona, ka atolory ny fanomezana nandidian’i Mosesy.”​—Mt 8:2-4; Mr 1:40-44; jereo HABOKANA.

Notakin’ny Lalàna ny hanarahan’ny boka fombafomba indroa miantoana, rehefa sitrana izy, mba hahafahany hiaina toy ny taloha indray. Nampiasana rano, rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra, hysopa, ary vorona roa ny dingana voalohany, ka ilay boka efa sitrana ihany no nanome an’ireo rehefa niseho teo anatrehan’ny mpisorona teny ivelan’ny tobin’ny Israely izy. Novonoina ny vorona iray ka notantazana tamin’ny vilany tany nisy rano avy tamin’ny rano mandeha ny rany. Natsoboka tao anatin’ilay ra ny rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra, hysopa ary ilay vorona velona. Nofafazan’ny mpisorona impito tamin’ilay boka efa sitrana ilay ra, ary nalefany handeha ilay vorona velona. Niharatra ilay olona sitrana, nandro, ary nanasa ny akanjony, rehefa nambara hoe madio. Afaka niditra tao an-toby amin’izay izy, nefa tsy maintsy mbola nijanona fito andro teo ivelan’ny tranolainy. Noharatany daholo indray ny volo teo amin’ny lohany, anisan’izany ny volomaso eo ambony masony, tamin’ny andro fahafito. Ny ampitson’iny, dia nitondra ondrilahy roa, sy ondrivavy kely iray tsy nihoatra ny herintaona, ary lafarinina kely sy menaka izy, ho fanatitra noho ny heloka, sy fanatitra noho ny ota, sy fanatitra dorana ary fanatitra varimbazaha. Natolotry ny mpisorona teo anatrehan’i Jehovah aloha ny fanatitra noho ny heloka, izany hoe ny ondrilahy sy menaka, ho fanatitra ahetsiketsika. Novonoiny ilay ondrilahy avy eo, ary nakany ny ran’izy io ka nataony teo amin’ny ravintsofina ankavanana, sy ny ankiben-tanana ankavanana ary ny ankiben-tongotra ankavanan’ilay olona nidio. Nakan’ny mpisorona koa ilay menaka ka nataony teo amin’ireo toerana telo efa nasiana ra ireo. Nafafiny impito teo anatrehan’i Jehovah ny ambin’ilay menaka, ary ny sisa kosa nataony teo amin’ny lohan’ilay nidio. Nanolotra ny fanatitra noho ny ota, fanatitra dorana ary fanatitra varimbazaha ilay mpisorona avy eo, ka nandrakotra ny fahotan’ilay olona ary nanambara azy hoe madio. Raha nahantra be ilay olona, dia domohina roa na zana-boromailala roa no azony natolotra ho solon’ilay ondrivavy kely sy ny iray amin’ireo ondrilahy, ho fanatitra noho ny ota sy fanatitra dorana.​—Le 14:1-32.

Tsiranoka mivoaka. Nisy lalàna nasaina narahin’ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa nivoaka tsiranoka ny taovam-pananahany, na vokatry ny aretina izany na voajanahary. Aoka hatao hoe nisy tsirinaina nivoaka ho azy tamin’ny lehilahy iray nandritra ny alina. Tokony handro sy hanasa ny akanjony izy, ary haloto mandra-paharivan’ny andro. Raha tonga fotoana kosa ny vehivavy, dia hanisa fito andro izy ho fe-potoana mampahaloto azy.

Raha tsy ara-dalàna ny fahatongavan’ny fotoanan’ny vehivavy iray, na maharitra ela kokoa, dia hanisa fito andro indray izy aorian’ny nijanonan’ilay izy. Hanisa fito andro koa ny lehilahy iray aorian’ny nijanonan’ny tsiranoka nivoaka taminy. (Aretina ny tsiranoka resahina eto fa tsy hoe tsirinaina mivoaka ara-dalàna.) Naloto daholo izay zavatra nokasihin’ilay lehilahy na ilay vehivavy, nandritra ny fotoana nampahaloto azy. Naloto koa izay zavatra nipetrahany (fandriana, seza, lasely, akanjo, sy ny sisa). Izay nikasika an’ireny zavatra ireny na nikasika olona maloto dia tsy maintsy nandro sy nanasa ny akanjony ary naloto mandra-paharivan’ny andro. Tokony handro sy hanasa ny akanjony ny lehilahy sy vehivavy amin’ny andro fahavalo, sady tokony hitondra domohina roa na zana-boromailala roa teo amin’ny tranolay fihaonana. Tokony hanolotra an’ireo ny mpisorona, ka ny iray ho fanatitra noho ny ota ary ny iray ho fanatitra dorana, mba handrakofana ny fahotan’ilay olona nidio.​—Le 15:1-17, 19-33.

Raha nanao firaisana ny lehilahy iray sy ny vadiny, ka nisy tsirinaina nandeha, dia tsy maintsy nandro izy ireo ary naloto mandra-paharivan’ny andro. (Le 15:16-18) Raha tonga fotoana tampoka ilay vehivavy nandritra ny fanaovana firaisana, dia naloto fito andro ilay lehilahy, ary toy izany koa ilay vehivavy. (Le 15:24) Raha ninia nanazimbazimba ny lalàn’Andriamanitra izy ireo ka nanao firaisana ihany nefa ilay vehivavy tonga fotoana, dia voaheloka ho faty na ny lahy na ny vavy. (Le 20:18) Noho izany rehetra izany, dia tsy nahazo nanao firaisana tamin’ny vadiny ny lehilahy rehefa tsy tokony handoto tena, ohatra hoe rehefa nohamasinina izy satria handeha hiantafika.​—1Sa 21:4, 5; 2Sa 11:8-11.

Naloto koa ny vehivavy rehefa tera-bao. Naloto fito andro, toy ny rehefa tonga fotoana, izy raha lahy ny zanany. (Noforana ilay zaza tamin’ny andro fahavalo.) Naloto nandritra ny 33 andro fanampiny ilay vehivavy, ka tsy afaka nikasika zava-masina na niditra tao amin’ny toerana masina. Tsy lasa naloto kosa anefa izay zavatra hafa nokasihiny. Lasa avo roa heny ilay fe-potoana 40 andro nampahaloto azy, raha vavy ny zanany, izany hoe 14 andro niampy 66 andro. Nasehon’ny Lalàna àry fa vao teraka ny lehilahy sy ny vehivavy dia efa tsy mitovy. Asehon’izany fa natao ho eo ambany fahefan’ny lehilahy ny vehivavy. Na lahy na vavy anefa ny zanany, dia tokony hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona ilay vehivavy, ho fanatitra dorana, ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota, rehefa tapitra ny fotoana nidiovany. Domohina roa na zana-boromailala roa kosa no nentiny ho sorona fidiovana, raha nahantra izy mivady ka tsy nahatakatra ondrilahy. Toy izany i Maria sy Josefa.​—Le 12:1-8; Lk 2:22-24.

Nahoana no lazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe lasa “naloto” ny olona rehefa nanao firaisana sy niteraka?

Zavatra voajanahary sy ara-dalàna ny hoe tonga fotoana sy ny hoe mpivady manao firaisana, ary ny hoe miteraka. Nahoana àry no lazain’ny Lalàna hoe nandoto ny olona ireo zavatra ireo? Antony iray ny hoe nampianatra ny olona hihevitra ny firaisan’ny mpivady ho masina ny Lalàna, ka nampianatra azy ireo hifehy tena, hanaja ny taovam-pananahana ary hihevitra ny aina sy ny ra ho masina. Voalaza koa fa nanatsara ny fahasalamana ny fanarahana tsara an’ireo lalàna ireo. Misy antony hafa koa anefa.

Efa nataon’Andriamanitra haniry hanao firaisana sy ho afaka hanan-taranaka ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, ary nasainy nanao firaisana sy niteraka. Tsy nanota àry io mpivady lavorary io raha nanao firaisana. Nisy fiovana lehibe anefa rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo (fihinanana tamin’ilay voankazo voarara izany fahotana izany, fa tsy hoe fanaovana firaisana). Nanjary nanameloka azy ireo ny eritreriny satria efa lasa mpanota izy mivady, ka nanjary tsapany tampoka hoe nitanjaka izy ireo. Notakonany haingana ny taovam-pananahany mba tsy ho hitan’Andriamanitra. (Ge 3:7, 10, 11) Tsy afaka nanome taranaka lavorary intsony ny olona nanomboka teo. Lasa mpanota izy ireo ary voaheloka ho faty, ary izany ihany no nafindrany tamin’ny taranany. Na dia ny olo-marina sy matahotra an’Andriamanitra indrindra aza dia miteraka olona mpanota.​—Sl 51:5.

Ny Lalàna momba ny taovam-pananahana dia nampianatra ny lehilahy sy vehivavy hifehy tena, sy hifehy ny faniriany, ary hanaja ny fomba nataon’Andriamanitra hahazoana taranaka. Natao koa io Lalàna io mba ho azo antoka fa hotadidin’ny olona foana hoe mpanota izy. Tsy nomena mba hitandroana fahasalamana fotsiny izy io, na hampianarana ny olona hadio mba hisorohana ny fihanahan’ny aretina. Rehefa nisy tsiranoka nivoaka tamin’ny taovam-pananahan’ny lehilahy na ny vehivavy, na dia ara-dalàna aza izany, dia nety ny hanajany fe-potoana nampahaloto azy mba hampahatsiahy azy fa nandova ota izy. Raha tsy ara-dalàna na naharitra ela kosa ny tsiranoka nivoaka taminy noho izy narary, dia tokony ho lava kokoa ny fe-potoana nampahaloto azy. Nila nandro koa izy, ary nanolotra fanatitra noho ny ota tamin’ny faran’izany fe-potoana izany, toy ny vehivavy tera-bao ihany. Ho afaka handrakotra ny fahotany ny mpisorona amin’izay. Izany no nahatonga an’i Maria, renin’i Jesosy, hitondra sorona fandrakofam-pahotana rehefa avy niteraka ny lahimatoany. Nekeny mantsy fa nandova ota izy, izany hoe mpanota fa tsy hoe tsy voakasi-pahotana.​—Lk 2:22-24.

Fikasihana faty. Nisy sokajiny ny fahalotoana, raha jerena ny Lalàn’i Mosesy momba ny fikasihana faty. Raha fatim-biby, ohatra, no nokasihin’ny olona iray, dia naloto nandritra iny andro iny fotsiny izy, fa raha fatin’olona kosa dia naloto herinandro izy. Tokony hanasa ny akanjony ny olona nikasika fatim-biby. Tsy izay fotsiny anefa, fa tokony handro koa izy, raha nihinana henam-biby nefa atỳ aoriana vao fantany hoe biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia ilay izy. (Le 5:2; 11:8, 24, 27, 31, 39, 40; 17:15) Nihatra tamin’ny mpisorona koa izany. Ankoatra izany, dia novonoina ho faty ilay mpisorona raha nihinana zava-masina nefa mbola naloto.​—Le 22:3-8.

Betsaka kokoa ny zavatra natao tamin’ny fombafomba fidiovana, raha fatin’olona no voakasika. Tsy maintsy namono ombivavy mena tany ivelan’ny toby ny mpisorona mba hahazoana lavenona. Nakany ny ran’ilay ombivavy, ary nafafiny impito nanandrify ny tranolay fihaonana. Nodorana ilay omby manontolo (ny hodiny, ny nofony, ny rany, ny tainy). Natsipy tao anatin’ilay afo nandoroana ilay ombivavy koa ny rantsankazo sedera sy hysopa ary kofehy mena midorehitra. Notehirizina ilay lavenona, ary nampiasaina tamin’ny “rano fanadiovana.” Nafafy tamin’izay nikasika fatin’olona io rano io, tamin’ny andro fahatelo sy fahafito, mba hanadiovana azy. Tokony hanasa ny akanjony izy sady handro, tamin’ny faran’ireo fito andro. Taorian’izay izy vao nambara hoe madio.​—No 19:1-13.

Raha nisy maty tao an-trano na tao an-tranolay, dia naloto izay olona rehetra tao sy ilay trano na tranolay ary ny fitaovana rehetra nisokatra tao. Naloto koa izay nikasika taolam-paty teny amin’ny toerana nisy ady, na izay nikasika fasana. Fanao tamin’ny andron’i Jesosy àry ny nandalotra fasana ho fotsy, iray volana talohan’ny Paska mba tsy hanitsaka fasana tsy nahy ny olona, ka tsy ho afaka hihinana ny sakafon’ny Paska. (No 19:14-19; Mt 23:27; Lk 11:44) Raha sendra nisy olona maty teo anatrehan’ny Nazirita, na teo anilany, nefa mbola voafehin’ny voady naha Nazirita azy izy, dia tsy hisaina ireo andro teo aloha nanefany ny voadiny, ary tokony hitondra fanatitra izy mba hatao sorona.​—No 6:8-12; jereo NAZIRITA; SAMSONA.

Araka ny fifaneken’ny Lalàna, dia tokony hodiovina izay toerana na zavatra voaloto. Raha nisy maty novonoin’olon-tsy fantatra, dia nofantarina hoe iza no tanàna akaiky indrindra an’ilay faty. Naka vantotr’ombivavy mbola tsy nampiasaina ny anti-panahin’izany tanàna izany, avy eo, ho solon’ilay mpamono olona. Novelezin’izy ireo teo amin’ny lohasaha falehan-driaka nisy rano ny hatok’ilay ombivavy mba hahafaty azy. Nanasa ny tanany teo ambonin’ilay vantotr’ombivavy izy ireo mba hanaporofoana fa tsy tompon’andraikitra tamin’ilay fandatsahan-dra, ka niangavy mba tsy hisaina ho helony ilay fandatsahan-dra.​—De 21:1-9.

Tsy maintsy nodiovina araka ny fombafomba takin’ny Lalàna ny akanjo sy fitoeran-javatra nikasika faty na voaloto tamin’ny fomba hafa. (Le 11:32-35; 15:11, 12) Nandraisana fepetra henjana kokoa ny fitomboan’ny habokana teo amin’ny akanjo na teo amin’ny rindrin-trano. Tsy maintsy nodorana mantsy ilay akanjo ary noravana tanteraka ilay trano, raha tsy voafehy ilay aretina ka toa nitatra.​—Le 13:47-59; 14:33-53.

Tsy maintsy nodiovina ny zavatra azo babo tamin’ny ady, vao azo nentina tao an-toby. Nosasana tamin’ny rano ny zavatra mety may, fa natao tao anaty afo kosa ny zavatra vita tamin’ny metaly.​—No 31:21-24.

Fahadiovana eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy asaina manaraka ny Lalàna sy ny fombafomba fanadiovana takin’izy io ny Kristianina, na dia mbola nanan-kery aza izany tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Jn 11:55) “Aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàna, fa “ny tena izy dia an’i Kristy.” (He 10:1; Kl 2:17) Hoy àry i Paoly momba ireny fombafomba fanadiovana ireny: “Saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, araka ny Lalàna [Nofafazan’i Mosesy ra ny boky, ny vahoaka, ny tranolay fihaonana, ary ny fanaka]. Ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka. Koa tokony hodiovina amin’izany fomba izany koa ny tandindon’ny zavatra any an-danitra.” “Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy izay nafafy teo amin’izay naloto aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy? Nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.”​—He 9:19-23, 13, 14.

Ny ran’i Jesosy Kristy Tompo àry no manadio ny Kristianina ho afaka amin’ny ota sy ny tsy fahamarinana rehetra. (1Jn 1:7, 9) Tian’i Kristy ny fiangonana ary nanolotra ny tenany hamonjy azy izy, “mba hanamasinany azy, ka hanadiovany azy amin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny”, mba ho fiangonana tsy misy pentina, masina ary tsy misy tsiny izy io, izany hoe “firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.” (Ef 5:25-27; Tit 2:14) Tsy tokony hohadinoin’izay anisan’io fiangonana kristianina io àry “fa efa nodiovina ho afaka tamin’ny fahotany fahiny izy.” Tokony hiezaka kosa izy hanana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra foana, (2Pe 1:5-9) ka hitadidy fa rantsanan’Andriamanitra hadio izay rehetra mamoa mba hahafahany hamoa bebe kokoa.​—Jn 15:2, 3.

Ambony be ny fitsipika arahin’ny Kristianina eo amin’ny resaka fahadiovana, na ara-bakiteny izany na eo amin’ny fitondran-tena na eo amin’ny lafiny ara-panahy, ka miezaka izy ireo mba “ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.” (2Ko 7:1) Nilaza i Jesosy fa ‘tsy misy mahaloto ny olona izay zavatra avy eny ivelan’ny tenany, fa izay mivoaka avy amin’ny olona no mandoto azy.’ Hita amin’izany fa ny fahadiovana eo amin’ny lafiny ara-panahy no zava-dehibe kokoa amin’ireo nodiovin’ny ran’i Kristy. Miezaka foana izy ireo hanana “fo madio” sy “feon’ny fieritreretana madio” eo anatrehan’Andriamanitra. (Mr 7:15; 1Ti 1:5; 3:9; 2Ti 1:3) “Madio ny zava-drehetra” amin’ireny olona manana feon’ny fieritreretana madio ireny, fa “tsy misy madio” kosa amin’ny olona tsy manam-pinoana, satria voaloto ny feon’ny fieritreretany. (Tit 1:15) Manaraka an’izao torohevitra ao amin’ny Isaia 52:11 izao ireo te hadio am-po foana: “Aza mikasika an’izay maloto! ... Aoka hadio ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah.” (Sl 24:4; Mt 5:8) Azo lazaina hoe madio ny ‘tanany’ raha manao izany izy, (Jk 4:8) ka raisin’Andriamanitra ho toy ny olona madio izy.​—2Sa 22:27; Sl 18:26; jereo koa Da 11:35; 12:10.

Tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony ny apostoly Paoly. Nitandrina ny Lalàna anefa izy, indray mandeha, ka nankao amin’ny tempoly mba hanadio ny tenany araka ny fombafomba takin’ny Lalàna. Nifanipaka tamin’izay nolazainy ve izany nataony izany? Tsia, tsy nanohitra ny Lalàna na ny fombafomba takin’izy io i Paoly, fa tiany haseho fotsiny hoe tsy notakin’Andriamanitra tamin’ny Kristianina intsony ny hankatoavany ny Lalàna. Raha tsy nifanohitra tamin’ireo fahamarinana vaovao azon’ny Kristianina anefa izay voalazan’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna, dia tsy voarara ny fanarahana izany. Nankao amin’ny tempoly mba hanadio ny tenany àry i Paoly satria tsy tiany hoe avy aminy no hahatonga ny Jiosy tsy hihaino ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (As 21:24, 26; 1Ko 9:20) Nilaza koa, ohatra, ilay apostoly fa tsy hihinana sakafo iray izy, na dia madio aza izy io, raha hanafintohina ny rahalahiny ny fihinanany izany. (Ro 14:14, 15, 20, 21; 1Ko 8:13) Hita amin’izany fa nanao izay fara heriny i Paoly mba hahavoavonjy ny hafa satria tena zava-dehibe taminy izany. Afaka nilaza àry izy hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho.”​—As 20:26; 18:6.