Madmena
(Madmèna) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “zezika”].
1. Toerana nolalovan’ny Asyrianina tamin’izy ireo hanafika an’i Jerosalema. (Is 10:24, 31, 32) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Misy anefa milaza azy io ho i Shoʽfat, tokotokony ho 4 km any avaratra avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema.
2. Toa toerana tany Moaba izay voalaza fa hisy hamely amin’ny sabatra. Ny teny hebreo hoe gam-madmen tiddômmi no nadika hoe “tokony hangina koa ianao, ry Madmena”, ao amin’ny Jeremia 48:2. Manam-pahaizana maro no milaza fa nisy namerina tsy nahy ilay m avy amin’ilay teny eo aloha (gam), ka izany no nahatonga ilay m voalohany amin’ny hoe madmen (“Madmena”). Raha tsy nisy an’io m io, hono, dia ho nitovy ny renisoratra amin’ny hoe Dimona sy Madmena. Maro àry no mihevitra fa i Dimona (angamba i Dimna, 10 km eo ho eo avaratr’i Karak) ihany no Madmena. Tsy anaran-toerana angamba anefa ny hoe Madmena, satria toy izao no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Peshitta syriàka ary ny Vulgate latinina an’ilay teny hebreo: ‘Eny, hatao gina tanteraka ianao [ry Moaba].’