Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Madona

Madona

(Madòna) [avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe “mpitsara”].

Tanànan’ny mpanjaka kananita. Niaraka tamin’ny tanànan’i Hazora i Madona mba hiady tamin’ny Israelita ka resy. (Js 11:1-12; 12:19) Maro no milaza an’i Madona ho i Karn Hattin (Horvat Karne Hittim), tokotokony ho 8 km any andrefana avaratrandrefan’i Tiberiasy. Toa mbola ahitana ny anaran’i Madona mantsy ao amin’ny hoe Kirbet Madina, tokotokony ho 1 km any atsimo kokoa. Tsy eken’ny olona anefa ny ilazana an’i Karn Hattin ho i Madona satria fotsiny hoe misy anaran-tanàna (Madina) mitovy amin’ilay ao amin’ny Baiboly eo akaikiny eo.