Mafy Loha
Maromaro ny teny midika hoe mafy loha, amin’ny fiteny tany am-boalohany. Mafy na matanjaka no hevitr’ireny teny ireny, saingy amin’ny heviny ratsy. Matetika izy ireny no ampiasaina rehefa misy minia mikomy amin’ny sitrapon’Andriamanitra na ny didiny, ka manaraka ny ditran’ny fony fotsiny. (Sl 78:8; 81:12; Is 1:23; 65:2; Je 3:17; 5:23; 7:23-26; 11:8; 18:12; Ho 4:16; As 7:51) Asongadin’ny Baiboly imbetsaka fa hahita loza ny olona mafy loha tsy mety miova. (De 29:19, 20; Ne 9:29, 30; Oh 28:14; Is 30:1; Je 6:28-30; 9:13-16; 13:10; 16:12, 13; Da 5:20; Ho 9:15; Za 7:12; Ro 2:5) Milaza, ohatra, ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fa tokony hotoraham-bato ho faty ny zanaka mafy loha sy manohitra.—De 21:18, 20.
Manam-paharetana amin’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra, ka nisy olona na firenena mendrika ny ho faty nefa tsy naringany. (Ge 15:16; 2Pe 3:9) Niova ny sasany tamin’ireny olona ireny ka nanjary mendrika ny hamindrana fo (Js 2:8-14; 6:22, 23; 9:3-15), fa ny sasany kosa vao mainka nanamafy ny fony ka nanohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy aza. (De 2:30-33; Js 11:19, 20) Tsy misakana ny olona tsy ho mafy loha i Jehovah, ka lazaina fa namela an’ireny olona ireny “hikiribiby amin’ny heviny” na “hanamafy ny fony” izy. Tsy maintsy hamaly an’ireny olona mafy loha ireny izy amin’ny farany, ka hiharihary fa tena mahery izy ary hambara eran-tany ny anarany.—Ampit. Ek 4:21; Jn 12:40; Ro 9:14-18.
Mampiseho tsara izany ny nataon’Andriamanitra tamin’i Farao. Tsy namela an’ireo Israelita handao an’i Ejipta i Farao. Namely an’i Ejipta tamin’ny loza folo nahatsiravina àry i Jehovah. Nanamafy ny fony anefa i Farao isaky ny tapitra ny loza tsirairay. Nanararaotra izany i Jehovah mba hampisehoana bebe kokoa ny heriny lehibe, ka nanao fahagagana hafa izy. (Ek 7:3-5, 14–11:10) Takatry ny Ejipsianina sasany àry fa Andriamanitra tokony hankatoavina i Jehovah. Rehefa nilaza, ohatra, i Jehovah fa hahatonga ny loza fahafito, dia nisy mpanompon’i Farao nampandositra ny mpanompony sy ny biby fiompiny hamonjy fialofana talohan’ny nilatsahan’ny havandra. (Ek 9:20, 21) Tamin’ny farany, dia naringan’i Jehovah tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny (Ek 14:27, 28; Sl 136:15), satria mbola nikiribiby tamin’ny heviny ihany ka nanangona ny tafiny mba hamaly faty, taorian’ny namelany ny Israelita handeha. (Ek 14:8, 9; 15:9) Mbola notononina teo amin’ireo firenena ny anaran’Andriamanitra, taona maro tatỳ aoriana, rehefa niresaka momba izay nataon’i Jehovah tamin’ny Ejipsianina mafy loha izy ireo.—Ek 18:10, 11; Js 2:10, 11; 9:9; 1Sa 6:6.
Mampitandrina an’ireo olona mafy loha i Jehovah, ka rehefa mampihatra ny didim-pitsarany amin’izy ireo izy, dia mazava ny antony ary fantatra hoe avy aminy izany. Hoy izy, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, tamin’ireo Israelita be di-doha: “Fantatro fa maditra ianao, ka vy ny hozatry ny hatokao ary varahina ny handrinao. Noho izany, dia efa hatry ny ela aho no tsy nitsahatra nilaza taminao ny zava-drehetra. Mbola tsy nitranga izany dia efa nambarako taminao, mba tsy hitenenanao hoe: ‘Ny sampiko no nanao izany, ary ny sary sokitro sy ny sarivongana metaliko no nandidy momba izany.’”—Is 48:4, 5; ampit. Je 44:16-23; jereo BE DI-DOHA.