Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Magadana

Magadana

(Magadàna).

Faritra iray tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Nankany i Jesosy rehefa avy nanao fahagagana ka nanome sakafo lehilahy 4000 teo ho eo. (Mt 15:39; “Magdala” no ao amin’ny sora-tanana tatỳ aoriana kokoa.) “Dalmanota” no niantsoan’i Marka (8:10) an’ilay toerana, ary izany no ao amin’ny sora-tanana grika tsara indrindra.​—Jereo DALMANOTA.

Tsy misy toerana antsoina hoe Magadana ankehitriny any akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Misy manam-pahaizana mihevitra anefa hoe i Magadana ihany no Magdala. Amin’ny teny aramianina mantsy dia matetika no soloana l ny litera n amin’ny teny hebreo. Mety ho novana hoe Magdala àry ny hoe Magadana. Misy indray milaza fa “Magdala” no hita ao amin’ireo soratra grika tatỳ aoriana kokoa, satria noheverina ho i Majdal ankehitriny ilay Magadana fahiny.

Maro no milaza an’i Magdala (mety ho i Magadana ihany) ho i Kirbet Majdal (Migdala), tokony ho 6 km any avaratra avaratrandrefan’i Tiberiasy eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia. Tsara toerana izy io satria eo akaikin’ny fihaonan’ny arabe avy any Tiberiasy (manaraka ny moron’ny Ranomasin’i Galilia) sy ny arabe midina avy any amin’ireo havoana any andrefana. Nahitana tilikambo tsy dia tranainy be saingy efa rava tao, ka asehon’izany fa i Majdal no niaro ny fidirana avy any atsimo nankeo amin’ny Lemak’i Genesareta. Samy midika hoe “Tilikambo” ny hoe Majdal sy ny hoe Magdala (endrika isehoan’ilay teny hebreo hoe migdal). Maro no milaza an’io toerana io ho tanàna niavian’i Maria Magdalena.