Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Magoga

Magoga

(Magôga).

1. Zanakalahin’i Jafeta sady zafikelin’i Noa, ary anisan’ireo lohan’ny fianakaviambe niavian’ireo firenena niely eran-tany taorian’ny Safodrano.​—Ge 10:1, 2, 5; 1Ta 1:5.

2. Anarana ao amin’ny faminanian’i Ezekiela izay miresaka momba ny fanafihan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” ny vahoakan’i Jehovah. Toa tany na faritra tany amin’ny “farany avaratra” i Magoga. Avy any no hivoahan’ny tafik’i Goga izay “mitaingin-tsoavaly daholo. Vahoaka maro be ireo, sady tafika lehibe” mpandroba mitondra sabatra sy tsipìka.​—Ezk 38:2-4, 8, 9, 13-16; 39:1-3, 6.

Tamin’ny andron’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, dia efa nisy nihevitra fa ny tanin’ireo foko skytianina tany Eoropa Avaratratsinanana sy Azia Afovoany ilay “tany Magoga.” (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 123 [vi, 1]) Nilaza ireo mpanoratra tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina fa olon-dia tany avaratra ny Skytianina, mpandroba, tia ady, nanana miaramila mpitaingin-tsoavaly maro be, ampy fitaovam-piadiana, ary kalazalahy tamin’ny fampiasana tsipìka. Mety ho avy amin’ny hoe “Askenaza”, anaran’ny taranak’i Jafeta (Ge 10:2, 3) ilay anarana hoe Skytianina. Milaza anefa Ny Rakipahalalana Britannica, fanontana 1959 (Boky faha-20, p. 235) fa “mazàna ny faritra manontolo teo avaratra sy avaratratsinanan’ny ranomasina Mainty no nantsoin’ireo boky fahiny hoe Skytia, ary izay olon-dia avy any amin’ireo faritra ireo no Skytianina (Skotes).” Milaza koa ny boky hafa fa manana heviny malalaka ny hoe “Skytianina” (toa ny hoe “Tartara” ankehitriny), ka matetika no ilazana an’ireo foko mpifindrafindra monina tany avaratr’i Caucase (anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne). Hoy àry Ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog: “Nanana heviny malalaka ilay hoe ‘Skytianina’ tamin’ny andro fahiny, toy ilay teny hebreo hoe ‘Magoga.’”​—Nataon’i S. Jackson, 1956, Boky Faha-5, p. 14.

Heviny an’ohatra. Tsy resahin’ny Baiboly (sy ny tantara) hoe taiza marina ilay “tany Magoga.” Milaza koa ny Ezekiela 38:8 fa hitranga ilay fanafihana “rehefa hifarana ny taona maro.” Tsy nitranga tany Israely mihitsy anefa ilay izy. Midika izany fa amin’ny hoavy, ‘amin’ny fotoanan’ny farany’, vao ho tanteraka ilay faminaniana momba an’i Magoga. Maro àry ny mpivaofy teny milaza fa ny hevitr’ilay faminaniana dia hoe hanafika farany an’ilay Fanjakan’Andriamanitra ireo fanjakana eto an-tany. “Ilay tontolo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fanjakany” ilay tany Magoga, hoy izy ireo.​—Diksionera Ara-baiboly Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls, 1936, p. 307.

Manana heviny an’ohatra àry ny hoe tany Magoga. Ilazana olona mahery setra sy mietry ny hoe “Skytianina”, izay mazàna no ampifandraisina amin’ny hoe Magoga. Toa ilazana fietrena àry ny hoe Magoga, mitovy amin’ny fietren’i Satana sy ny anjeliny taorian’ilay ady tany an-danitra. Tezitra mafy izy izao ka ‘miady amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy.’​—Ap 12:7-17; jereo GOGA No. 2.

3. Anarana ao amin’ny Apokalypsy 20:8. Resahina ao izay hitranga rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy, ka hafahana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana. Tsy tany na toerana akory ny hoe “Goga sy Magoga”, fa ilazana an’ireo olona voatarik’ilay Fahavalo hikomy amin’ny fitondran’Andriamanitra, ka hiady amin’ny “olona masina sy ilay tanàna malala.”​—Ap 20:3, 7-10.