Mahalota
(Mahalòta).
1. Zanakavavin’i Ismaela, ary anabavin’i Nebaiota. Anisan’ny vadin’i Esao izy (Ge 28:9), ary mety ho izy ihany ilay Basemata resahin’ny Genesisy 36:3.
2. Zafikelin’i Davida avy tamin’i Jerimota zanany lahy. Anisan’ireo vadin’i Rehoboama izy.—2Ta 11:18.