Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahane-dana

Mahane-dana

(Mahanè-dàna) [Tobin’i Dana].

Toerana voalaza fa “teo anelanelan’i Zora sy Estaola.” (Mpts 13:25) Voalaza koa anefa fa tany andrefan’i Kiriata-jearima izy io. (Mpts 18:11, 12) Misy mihevitra fa toerana roa samy hafa ireo, satria kilaometatra maromaro any atsimoandrefan’i Kiriata-jearima no toa nisy an’i Estaola sy Zora. Na ahoana na ahoana, dia tsy fantatra hoe taiza no nisy an’i Mahane-dana. Midika hoe “Tobin’i Dana” ny hoe Mahane-dana, ka mety ho toerana fitobiana tsy naharitra izy io. Azo inoana anefa fa tsy toerana iray ihany no nitobiana toy izany.