Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahantra

Mahantra

Tsy manana fananana na izay ilaina amin’ny fiainana; mampahonena satria tsy mahalala an’Andriamanitra.

Efa hatry ny ela no nisy mahantra, ary maro kokoa noho ny mpanankarena foana izy ireo. Nilaza i Jesosy fa hisy foana ny mahantra raha mbola tsy lavorary koa ny olombelona. Hoy izy tamin’ny mpianany, rehefa avy nalala-tanana taminy ny olona iray: “Fa eo aminareo foana ny mahantra, ka isaky ny te hanao soa aminy ianareo, dia afaka manao izany. Fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.” (Mr 14:7) Voalanjalanja tsara ny voalazan’ny Baiboly momba ny fahantrana: Mampahonena ireo ampahorina, saingy tsy mety ny hoe kamo satria lasa “toy ny mihinana ny tenany ihany.” (Mpto 4:1, 5; Oh 6:6-11) Asongadina ao fa zava-dehibe kokoa noho ny harena ny fitahian’i Jehovah. (1Ti 6:17-19) Hoy ny apostoly Paoly: “Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1Ti 6:7, 8) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tsara ny hoe mahantra, ary mampitandrina izy io fa mety halaim-panahy hangalatra ny olona mahantra faraidiny.​—Oh 6:30, 31; 30:8, 9; ampifan. Ef 4:28.

Tany Israely. Tsy nirin’i Jehovah hisy hahantra ny Israelita. Nomena tany ho lovany mantsy ilay firenena. (No 34:2-12) Samy nahazo anjara lova àry ny fianakaviana israelita rehetra, ankoatra ny Levita, ka afaka namelon-tena tsara. Ny Levita nanompo tao amin’ny toerana masina kosa nomena ny ampahafolon’ny vokatry ny tany. (No 18:20, 21) Tsy natahorana ho lasan’olon-kafa koa ny tanin’ny fianakaviana na foko iray, fa azy foana izy io, araka ny lalàna momba ny lova. (No 27:7-11; 36:6-9; De 21:15-17; jereo LOVA.) Tsy azo natao varo-maty mantsy ny tany. (Le 25:23) Samy naverina tamin’ny tompony ny tany namidy, rehefa taon-jobily. (Le 25:13) Na izay nandanilany foana ny fananany aza, dia mbola afaka namela lova ho an’ny taranany.

Tsy ho nisy nahantra ny Israelita, raha nankatò ny lalàn’Andriamanitra foana izy ireo. (De 15:4, 5) Tsy ho notahin’i Jehovah kosa izy ireo raha tsy nankatò, ka ho nihanahantra satria ho notafihin’ny fahavalo sy ho tratran’ny hain-tany. (De 28:22-25; ampit. Mpts 6:1-6; 1Mp 17:1; 18:17, 18; Jk 5:17, 18.) Nety ho lasa nahantra ny fianakavian’ny olona iray kamo (Oh 6:10, 11; 10:4; 19:15; 20:13; 24:30-34), mamo lava, tendan-kanina (Oh 23:21), ary tia fahafinaretana (Oh 21:17). Nety ho lasa nahantra koa ny olona sasany noho ny sampona. Namela kamboty sy mpitondratena, ohatra, ny lehilahy iray nodimandry. Nety ho tsy afaka niasa elaela na tsy afaka niasa intsony koa ny olona tra-doza na narary. Hoy àry i Jehovah tamin’ny Israely: ‘Hisy olo-mahantra foana eo amin’ilay tany.’​—De 15:11.

Nanampy be an’ireo mahantra anefa ny Lalàna. Azon’ny mahantra nalaina, ohatra, ny vokatra navelan’ny mpijinja teny an-tsaha sy teny amin’ny tanimboaloboka, ka tsy voatery nangata-kanina na nangalatra izy ireo. (Le 19:9, 10; 23:22; De 24:19-21) Afaka nisambo-bola ny Israelita sahirana nefa tsy voatery nandoa zanabola, ary tokony halala-tanana aminy ny hafa. (Ek 22:25; Le 25:35-37; De 15:7-10; jereo TROSA, MPITROSA.) Azony natao koa ny nivarotra ny taniny na ny tenany, mandra-pahazony vola ampy hivelomana. (Le 25:25-28, 39-54) Nahazo nanolotra fanatitra mora kokoa tao amin’ny toerana masina koa izy, mba tsy ho enta-mavesatra ho azy ilay izy.​—Le 12:8; 14:21, 22; 27:8.

Tokony hotsaraina ara-drariny na ny manankarena na ny mahantra, fa tsy misy tokony hiangarana, araka ny Lalàn’Andriamanitra. (Ek 23:3, 6; Le 19:15) Nampahorina anefa ny mahantra rehefa nivadika ny firenen’Israely.​—Is 10:1, 2; Je 2:34.

Tamin’ny taonjato voalohany. Toa maro ny Jiosy nahantra tamin’izany. Nofehezin’ny hafa firenena mantsy izy ireo taorian’ny nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona, ka tsy voahaja intsony ny Lalàn’i Mosesy, anisan’izany ny lalàna momba ny lova. (Ampit. Ne 9:36, 37.) Tsy nampianatra ny olona ho tia namana sy hanaja an’ireo ray aman-dreny be taona sahirana koa ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ny Fariseo, fa nifantoka tamin’ny lovantsofina. (Mt 15:5, 6; 23:23; ampit. Lk 10:29-32.) Tia vola koa izy ireo, ka tsy niraharaha an’ireo mahantra.​—Lk 16:14.

I Kristy Jesosy kosa ‘nangoraka ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.’ (Mt 9:36) Nitory ny vaovao tsara tamin’ny mahantra sy ny ampahorina izy, fa tsy nanao hoatran’ireo mpitondra fivavahana jiosy. Anisan’ny porofo izany fa izy tokoa no Mesia. (Mt 11:5; Lk 4:18; 7:22) Afaka nanantena ny handova ny fanjakan’ny lanitra koa ireo nihaino azy.​—Mt 5:3; Lk 6:20.

Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra ny Jiosy, ka adidiny ny nanampy an’ireo Israelita namany sahirana. (Oh 14:21; 28:27; Is 58:6, 7; Ezk 18:7-9) Nilaza toy izao àry i Zakaiosy rehefa niaiky fa i Jesosy no Mesia: “Tompo ô, omeko ny mahantra ny antsasaky ny fananako.” (Lk 19:8) Hoy koa i Kristy Jesosy: ‘Ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba no asao, rehefa manasa olona hisakafo ianao. Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo.’ (Lk 14:13, 14) Nampirisihiny toy izao ny tovolahy iray mpanankarena: “Amidio daholo ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.” (Lk 18:22) Tsy nahafoy ny fananany mba hanampiana ny hafa anefa ilay tovolahy. Hita hoe tsy tena niahy ny mahantra izy, ka tsy nanana an’ireo toetra takina amin’ny mpianatr’i Jesosy.​—Lk 18:23.

Nety raha nampirisika ny olona hiantra ny mahantra i Jesosy, satria mba nanao toy izany koa izy. Nanana ny zava-drehetra io Zanak’Andriamanitra io tany an-danitra. “Na dia nanan-karena aza [anefa] izy, dia tonga nahantra.” Nahantra izy tetỳ an-tany nefa afaka nanavotra ny olombelona sy nanome an’ireo mpianany ny harena lehibe indrindra, dia ny fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra. (2Ko 8:9) Afaka ny hahazo harena ara-panahy hafa koa izy ireo.​—Ampit. 2Ko 6:10; Ap 2:9; 3:17, 18.

Niahy ny mahantra koa i Jesosy tetỳ an-tany. Nanana tahirim-bola hanampiana an’ireo Israelita sahirana izy sy ny apostoliny. (Mt 26:9-11; Mr 14:5-7; Jn 12:5-8; 13:29) Tia sy niahy ny mahantra koa ny Kristianina tatỳ aoriana, ka nanampy an’ireo rahalahiny mahantra. (Ro 15:26; Ga 2:10) Nanadino nanao izany anefa ny sasany, ka niteny mafy azy ireny i Jakoba mpianatr’i Jesosy. Niangatra tamin’ny mpanankarena mantsy izy ireny sady nanambany ny mahantra.​—Jk 2:2-9.

Izay mendrika ny hahazo fanampiana ihany no nampiana. Tsy nampirisihina mihitsy ny hakamoana. Hoy i Paoly tamin’ny Tesalonianina: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”​—2Te 3:10; jereo FIANTRANA NY MAHANTRA; MPANGATAKA.