Mahata
(Mahàta) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mampihorohoro”].
1. Levita Kehatita razamben’i Samoela sy Hemana, izay mpihira tao an-tranon’i Jehovah.—1Ta 6:31-35.
2. Levita Kehatita anisan’ny nanadio ny tempoly tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. (2Ta 29:12, 15, 16) Mpiadidy koa izy, ary teo ambany fahefan’i Konania sy Simey, izay niandraikitra “ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena ary ny zava-masina” tao amin’ny tempoly.—2Ta 31:12, 13.