Mahera-salala-hasi-baza
(Mahèra-salàla-hàsi-bàza) [Faingàna ry Zavatra Nobaboina! Nohafainganiny ny Fandrobana; na Nihazakazaka Haka Babo Izy ka Nohafainganiny ny Fandrobana].
Anarana nomen’i Jehovah ny lahiaivon’i Isaia.
Nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany tamin’ny takela-kazo lehibe ilay hoe Mahera-salala-hasi-baza, ary nohamarinin’ny vavolombelona azo itokisana. Nasainy natao anaran’ny zanak’i Isaia vao teraka izy io. Ho resin’ny mpanjakan’i Asyria mantsy i Damaskosy sy Samaria fahavalon’i Joda, hoy i Jehovah, raha mbola tsy mahay miantso “Dada” sy “Neny” akory ilay zaza. (Is 8:1-4) Tanteraka tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely tokoa ilay faminaniana. Nanafika an’i Israely mantsy i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria, naka tanàna maro, nandroba an’ilay tany, ary nitondra olona maro ho babo. Nisy namono i Peka avy eo. (2Mp 15:29, 30) Nobaboin’ilay mpanjaka koa i Damaskosy renivohitr’i Syria, nataony sesitany ny mponina tao, ary novonoiny i Rezina mpanjakan’i Syria. (2Mp 16:9) Toy izany no nahafatesan’i Peka sy Rezina izay nitetika ny hanafika an’i Joda. Resin’i Asyria koa i Samaria (740 T.K.), ka nesoriny tsy ho ao amin’ilay tanàna sy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra ny Israelita nivadi-pinoana. (2Mp 17:1-6) “Famantarana sy fahagagana” azo nitokisana avy tamin’i Jehovah tany Israely tokoa ilay zanak’i Isaia sy ny vadiny (nantsoiny hoe “ilay mpaminanivavy”).—Is 8:3, 18.