Mahola
(Mahòla) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mandihy; mihodinkodina”; na mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mitsoka sodina”].
Nanana zanakalahy tena hendry i Mahola, nefa tsy hoe hendry noho i Solomona Mpanjaka izy ireo, na izany aza. (1Mp 4:31) Misy mihevitra fa antokona mpitendry zavamaneno na antokona mpandihy ilay hoe “zanak’i Mahola.”—Ampitahao amin’ny Sl 150:4, izay ahitana an’ilay teny hebreo nadika hoe “mahola”, saingy nadika hoe “dihy faribolana.”