Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maingoka

Maingoka

[Heb.: ʽakrav; gr.: skôrpiôs].

Biby madinika (karazany manan-tongotra valo sy vatana mizara roa, fa tsy sokajin’ny mpikaroka ho bibikely) ao amin’ny sokajy misy ny hala. Tsy manatody toy ny biby hafa manan-tongotra valo anefa ny vaviny, fa miteraka.

Lava mahia misy tonony ny rambony, izay misy fanindronana mifaingoka sady misy poizina ny tendrony. Manana tanana lehibe roa (toy ny an’ny oran-dranomasina) rakotra volo mora mahatsapa zavatra ny maingoka. Mifaingoka miakatra eo andamosiny ny rambony matetika sady mihetsiketsika. Ampiasainy hiarovan-tena sy hahazoana haza ny fanindronany. Samboriny amin’ny tanabeny ilay haza ary tsindroniny ho faty, raha ilaina. Mivoaka hihinana hala sy bibikely izy rehefa alina, fa ny antoandro kosa izy miafina anaty triatra sy lavaka amin’ny trano, ary ambany vato, kidoro, na fandriana.

Misy karazany 600 mahery ny maingoka, ary latsaky ny 2,5 sm ka hatramin’ny 20 sm ny habeny. Hita any Palestina sy Syria ny karazany 12 eo ho eo. Tsy mahafaty olona mazàna ny fanindronan’ny maingoka, nefa misy karazany vitsivitsy manana poizina mahery kokoa noho ny an’ny bibilava maro mampidi-doza any an-tany efitra. Ny Leiurus quinquestriatus mavo no karazany mampidi-doza indrindra any Israely. Manaintaina be izay voatsindron’ny maingoka, araka ny Apokalypsy 9:3, 5, 10. Manana ‘fahefana toy ny fahefan’ny maingoky ny tany’ ny valala an’ohatra resahina ao, ka afaka mampijaly olona toy ny ataon’ny “maingoka rehefa mamely olona.”

Be maingoka tany an-tany efitr’i Joda sy tany amin’ny Saikinosin’i Sinay, izay ‘tany efitra mampahatahotra.’ (De 8:15) Natao hoe Akrabima (“Maingoka”) mihitsy aza ny anaran’ny fiakarana teo amin’ny ilany atsimoatsinanana amin’ny sisin-tanin’i Joda, tany atsimoandrefan’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty.​—No 34:4; Js 15:3; Mpts 1:36.

Midika ara-bakiteny hoe “maingoka” ilay hoe ʽakrabbim (heb.) nadika hoe “karavasy misy zava-maranitra.”​—1Mp 12:11, 14; 2Ta 10:11, 14.

Tsy hisy ray hanolotra maingoka ho an-janany raha angatahana atody, hoy i Jesosy Kristy. Nampiasa io ohatra io izy mba hanaporofoana fa hanome fanahy masina an’izay mangataka izany aminy ny Rainy any an-danitra. (Lk 11:12, 13) Nomeny fahefana teo amin’ny zavatra mampidi-doza, izay oharina amin’ny bibilava sy maingoka, izy 70 lahy nirahiny hitory.​—Lk 10:19; ampit. Ezk 2:6.