Maka
(Màka).
Anaran’olona maromaro sy anarana fanjakana.
[1-9: mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “fiazana”]
1. Zanak’i Nahora rahalahin’i Abrahama tamin’i Reoma vadikeliny. Azo inoana fa zazalahy izy io, matoa nitondra ny anarany ny fanjakana iray sy ny mponina tao.—Ge 22:23, 24; 2Sa 10:6, 8.
2. Vadin’i Makira Manasita.—1Ta 7:14-16.
3. Iray amin’ireo vadikelin’i Kaleba (zanak’i Hezrona), izay niterahany maromaro.—1Ta 2:18, 48, 49.
4. Vadin’i Jeiela “rain’i Gibeona.”—1Ta 8:29; 9:35.
5. Iray amin’ireo vadin’i Davida. Zanakavavin’i Talmay mpanjakan’i Gesora izy io, ary renin’i Absaloma.—2Sa 3:2, 3; 1Ta 3:1, 2.
6. Rain’i Hanana na razambeny. Lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida i Hanana.—1Ta 11:26, 43.
7. Rain’i Sefatia na razambeny. Andriana teo amin’ny Israely i Sefatia, ary voatendry hifehy ny Simeonita, tamin’i Davida nandamina ny fanompoana ny mpanjaka.—1Ta 27:1, 16, 22.
8. Rain’i Akisy mpanjakan’i Gata. Nandositra tany amin’i Akisy ny mpanompon’i Simey, raha vao nanjaka kelikely i Solomona. (1Mp 2:39) Io Maka io ihany angamba ilay Maoka resahin’ny 1 Samoela 27:2.—Jereo MAOKA.
9. Zafikelin’i Absaloma, ary vadin’i Rehoboama mpanjakan’ny Joda. I Maka no vadiny tiany indrindra, sady renin’i Abia (Abiama) Mpanjaka. (2Ta 11:20-22; 1Mp 15:1, 2, 9, 10) “Andriambavy” i Maka satria renin’ny mpanjaka. Nesorin’i Asa Mpanjaka zafikeliny tsy ho andriambavy intsony anefa izy, tamin’i Asa namerina ny fivavahana marina tamin’ny laoniny. “Nanao sampy mahatsiravina izay nampiasaina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina” na Aseraha mantsy i Maka. (1Mp 15:9-13; 2Ta 15:16) Mikaia no anarany ao amin’ny 2 Tantara 13:2.
10. Fanjakana kely iray tany amin’ny faritra avaratr’i Palestina, tamin’ny Israelita nanafika tany. Antsoina hoe Makata koa izy io. Tafiditra tao anatin’ny faritanin’ny fokon’i Manase izy io, kanefa tsy noroahin’izy ireo ny mponina tao, ka ‘mbola nitoetra teo amin’ny Israely.’ (De 3:14; Js 13:13) Mazàna no miara-voatonona amin’ny fanjakan’i Gesora i Maka. Toa teo avaratr’i Gesora àry izy io, ary toa nifanila tamin’ny faritr’i Basana. (Js 12:5) Misy mihevitra fa nanomboka tany amin’ny ilany atsimon’ny Tendrombohitra Hermona ka hatrany amin’ny Debok’i Hola io fanjakana io, ary avy teo amin’ny Reniranon’i Jordana no niantsinanana hatrany amin’ny sisin’ny Tany Efitr’i Syria, izany hoe ny faritra avaratr’i Golana ankehitriny.
Fanjakana aramianina (syrianina) i Maka. Taranak’i Maka zanak’i Nahora angamba ny mponina tao. (Ge 22:24; 1Ta 19:6) Nanakarama an’ireo miaramilan’ny mpanjakan’i Maka sy miaramila hafa ny Amonita, rehefa hiady tamin’i Davida Mpanjaka. Fanjakana kely angamba i Maka, matoa ny miaramila nalefany no vitsy indrindra. (2Sa 10:6-8) Resin’i Joaba ny Amonita sy ny Syrianina namany, ary mbola resin’i Davida Mpanjaka koa ny Syrianina. (2Sa 10:13-19) Voalaza tatỳ aoriana fa toa lasa nofehezin’ny fanjakan’i Damaskosy ny fanjakan’i Maka.