Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Makeda

Makeda

(Makèda).

Tanànan’ny mpanjaka kananita tany Sefela. Tao amin’ny lava-bato tao Makeda no niafina ireo mpanjaka dimy nivondrona hanafika an’i Gibeona. Nahitsoka tao izy ireo mandra-pamonoana azy. Lasa fasana niombonany àry ilay lava-bato niafenany. Nobaboin’ny tafika israelita notarihin’i Josoa ny tanànan’i Makeda taorian’izay, ary naringany tanteraka. Nomena ny fokon’i Joda i Makeda, rehefa nozaraina ny Tany Nampanantenaina.​—Js 10:5-29; 12:7, 8, 16; 15:20, 33, 41.

Tsy fantatra ny tena toerana nisy an’i Makeda. Misy milaza azy io ho i Kirbet el-Keishom, tokotokony ho 4 km any avaratra avaratratsinanan’i Azeka. Tanàna lehibe efa rava sisa no tavela any, ary misy toerana be lava-bato any akaikiny.