Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Makira

Makira

(Makìra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mivarotra”].

1. Zanakalahin’i Manase tamin’ilay vadikeliny syrianina. Ny anaran’i Makira no voatonona voalohany amin’ireo zanakalahin’i Manase. Razamben’ny fianakaviana Makirita i Makira ary antsoina koa hoe “rain’i Gileada.” Maka no anaran’ny vadiny, ary mbola velona i Josefa tamin’ny fotoana niterahany ny zanany lahy sasany. (Ge 50:23; No 26:29; Js 17:1; 1Ta 2:21, 23; 7:14-17) Nobaboin’ny “taranak’i Makira” ny faritr’i Gileada, ary noroahiny ny Amorita, ka nomena ho lovany ilay faritra. (No 32:39, 40; De 3:15; Js 13:31) Anisan’ny fianakavian’i Makira taranak’i Manase i Zelofada sy ireo zanany vavy. (No 27:1; 36:1, 2; Js 17:3) Toa natao hilazana ny fokon’i Manase iray manontolo ny hoe “Makira”, tao amin’ilay hiram-pandresen’i Debora sy Baraka.​—Mpts 5:1, 14.

2. Zanakalahin’i Amiela (nonina tany Lo-debara). Nipetraka tany aminy i Mefiboseta zanak’i Jonatana, mandra-pahatongan’ny fotoana nakan’i Davida azy sy nikarakarany azy. (2Sa 9:4-7, 13) Tatỳ aoriana, dia i Makira no namatsy sakafo sy zavatra hafa an’i Davida Mpanjaka sy ny olony, tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma.​—2Sa 17:27-29.