Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Makpela

Makpela

(Makpèla) [avy amin’ny fototeny midika hoe “roa sosona”].

Anaran’ny toerana iray nisy saha sy lava-bato. Mety hidika io anarana io fa nisy roa ny fidirana na fiafenana na fitoeran-javatra tao amin’ilay lava-bato. Tany akaikin’i Hebrona ilay saha sy ilay lava-bato, ary novidin’i Abrahama sekely volafotsy 400 (880 dolara t.), tamin’i Efrona Hetita. Tao amin’io lava-bato io no nandevenana an’i Saraha vadin’i Abrahama sy olon-kafa dimy, fara fahakeliny, izany hoe i Abrahama, Isaka, Rebeka, Jakoba, ary Lea. (Ge 23:14-19; 25:9; 49:30, 31; 50:13) Azo inoana fa nantsoina hoe Makpela koa ny toerana nanodidina azy io.​—Ge 23:17.

Maro no milaza fa i Meʽarat HaMakpela ilay lava-bato. Ao Hebrona ankehitriny no misy azy io, ao ambanin’i Haram el-Khalil, fiangonana silamo voafefy.

Miresaka momba ny toerana nisy an’ilay lava-bato tao Makpela ny Genesisy 23:17. Teny hebreo nadika hoe “tandrifin’i” Mamre no ampiasaina ao amin’io andininy io. Maro ny fomba nandikana an’io teny hebreo io ao amin’ny Baiboly samihafa, ohatra hoe “atsinanan’i” (BFC), “anoloan’i” (TOB), “akaikin’i” (DIEM), ary “tandrifin’i” (TV, Prot., Kat.). Raha marina ny lazain’ny lovantsofina momba ny toerana nisy an’i Mamre (er-Ramat el-Kalil), dia tsy mety raha adika hoe “atsinanan’i” ilay teny hebreo, satria any amin’ny 3 km eo ho eo any avaratr’i Hebrona no misy an’i er-Ramat el-Kalil (Mamre). Toa milaza anefa ny Genesisy 23:19 fa tao amin’ny faritanin’i Hebrona no nisy an’i Mamre.