Maktesy
(Maktèsy) [Laona].
Toa faritra tany akaikin’i Jerosalema teo akaikin’ny Vavahadin-trondro sy ny tanàna vaovao. Nolazain’ny faminaniana fa hidradradradra ny mponin’i Maktesy, rehefa hiharan-doza ny tao Joda. Ho foana mantsy ny varotra tao Maktesy.—Ze 1:1, 2, 10, 11.
Midika hoe “laona” (Oh 27:22) na “lavaka iray niendrika laona” (Mpts 15:19) ny teny hebreo hoe maktesh. Tsy ilay anaran-tsamirery hoe “Maktesy” àry no ao amin’ny Baiboly sasany fa “Laona.” (Jé) Ny Targoma kosa dia milaza azy io ho ny Lohasahan’i Kidrona, hadilanana manamorona ny ila-manda atsinanan’i Jerosalema. Tsy any andrefana any akaikin’ny “Vavahadin-trondro” na any akaikin’ilay “tanàna vaovao” anefa no misy an’io lohasaha io. Maro àry no milaza an’i Maktesy ho ilay tapany ambony amin’ny Lohasaha Afovoany (Tyropoeona).