Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malakia, Bokin’i

Malakia, Bokin’i

Ny boky farany ao amin’ny Soratra Hebreo, ao amin’ny Baiboly malagasy. Ny farany amin’ireo Mpaminany 12 koa izy io, saingy alohan’ny Asa Soratra (Hagiografy), ao amin’ny boky eken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina. Fanambaran’i Jehovah momba ny Israely nolazain’i Malakia izy io.​—Ml 1:1.

Zava-nitranga tamin’ny andron’i Malakia. Tena ratsy ny nataon’ny mpisorona tamin’izany. Nandika ny Lalàna izy ireo satria nanao sorona biby malemy, jamba, ary marary teo amin’ny alitaran’i Jehovah. (Ml 1:8; Le 22:19; De 15:21) Tsy nanome tari-dalana sy tsy nampianatra ny vahoaka izy ireo, ka maro no tafintohina. (Ml 2:7, 8) Niangatra koa izy ireo rehefa nitsara. (2:9) Nihevitra àry ny Israelita hoe tsy nisy dikany ny fanompoana an’i Jehovah. (3:14, 15) Tsy nitondra ny ampahafolon-karena tao amin’ny tempoly, ohatra, izy ireo. Nanazimbazimba an’i Jehovah izy ireo, satria nahavita nisaraka tamin’ny vadiny mba hanambady vehivavy mpanompo sampy. Nanjary nisy koa mpilalao ody, mpanitsakitsa-bady, mpandainga, mpanambaka, ary mpampahory. (2:11, 14-16; 3:5, 8-10) Nampitandrina àry i Jehovah fa ho avy hitsara ao amin’ny tempoliny izy. (3:1-6) Nampirisihiny hibebaka anefa ny mpanao ratsy. Hoy izy: “Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.”​—3:7.

Fotoana nanoratana azy. Azo fantarina avy amin’izay voalazan’ny bokin’i Malakia fa vita taorian’ny sesitany tany Babylona ny fanoratana azy io. Governora mantsy no nifehy ny Israelita tamin’izay. Efa voaorina koa ny tempoly matoa nisy nanao sorona tao. (Ml 1:7, 8; 2:3, 13; 3:8-10) Taorian’ny andron’i Hagay (520 T.K.) sy Zakaria (520-518 T.K.) àry no nosoratana ilay boky, satria ireo mpaminany ireo no nandrisika ny Israelita hamita ny tempoly. (Ezr 5:1, 2; 6:14, 15) Tsy nanohana ny fivavahana marina anefa ny Israelita ary tsy nanaraka ny lalàn’Andriamanitra. Toa tamin’izay i Nehemia no tonga fanindroany tany Jerosalema, taorian’ny taona faha-32 nitondran’i Artaksersesy Mpanjaka (t. 443 T.K.). (Ampit. Ml 1:6-8; 2:7, 8, 11, 14-16; Ne 13:6-31.) Mety ho nosoratana taorian’ny 443 T.K. àry ny bokin’i Malakia, hoatran’ny bokin’i Nehemia ihany.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Naka teny tao amin’ny Malakia 1:2, 3, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nanazava fa tsy miankina “amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka” ny safidin’Andriamanitra, “fa miankina kosa amin’Andriamanitra izay mamindra fo.” (Ro 9:10-16) Resahin’ilay boky koa fa i Jehovah no Mpamorona (Ml 2:10; ampit. Sl 100:3; Is 43:1; As 17:24-26), Andriamanitra tia rariny sy mamindra fo ary tsy miova izy, nefa tsy mamela an’ireo minia manao ratsy ho afa-maina. (Ml 2:2, 3, 17; 3:5-7, 17, 18; 4:1; ampit. Ek 34:6, 7; Le 26:14-17; Ne 9:17; Jk 1:17.) Asongadiny koa fa zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. (Ml 1:5, 11, 14; 4:2; ampit. De 28:58, 59; Sl 35:27; Mi 5:4.) Nampirisihina koa ny Israelita hahatsiaro ny Lalàn’i Mosesy.​—Ml 4:4.

Resahin’ilay boky fa ho avy ny Mesia sy ny andron’i Jehovah. Haniraka ny ‘irany’ koa i Jehovah. Ho mpialoha lalana fotsiny anefa io iraka io. Hialoha an’ilay “iraky ny fifanekena” izay hiaraka amin’i Jehovah izy io. (Ml 3:1) Asehon’ny Filazantsaran’i Matio (11:10-14; 17:10-13) sy Marka (9:11-13) ary Lioka (1:16, 17, 76) fa i Jaona Mpanao Batisa, izay nialoha lalana an’i Jesosy, no ilay ‘iraka’ sy ilay “Elia” noresahin’ny Malakia 3:1 sy 4:5, 6.

[Efajoro, pejy 313]

HEVITRA MISONGADINA: MALAKIA

Fanambarana hoe hataon’i Jehovah Andriamanitra ampamoaka izay tsy miraharaha ny fitsipiny

Nosoratan’i Malakia, 95 taona teo ho eo taorian’ny nodian’ny Jiosy voalohany avy tany an-tsesitany tany Babylona

Tian’i Jehovah ny Israely, saingy nanamavo ny anarany (1:1-14)

Tian’i Jehovah ny olony toy ny nitiavany an’i Jakoba, fa halany kosa i Esao

Nanamavo ny anaran’Andriamanitra anefa ny mpisorona, satria nanaiky hanao sorona biby kilemaina sy marary, izay tsy homeny ho an’ny governora akory

Nomelohina ny mpisorona sy ny vahoaka tsy nitandrina ny lalan’i Jehovah (2:1-17)

Niala tamin’ny lalan’Andriamanitra ny mpisorona, ka nahatonga olona maro ho “tafintohina tamin’ny lalàna”; “nivadika tamin’ny fifanekena natao tamin’i Levy” àry izy ireo

Nisy nanambady vehivavy hafa firenena, ary nisy nivadika tamin’ny vadin’ny fahatanorany ka nisaraka taminy

Nandreraka an’Andriamanitra ny Israelita nilaza hoe ankasitrahan’Andriamanitra ireo manao ratsy

Hitsara sy hanadio ny vahoakany ilay tena Tompo (3:1-18)

Ho avy ao amin’ny tempoly i Jehovah sy ilay iraky ny fifanekena; hodioviny ny Levita; hampifaly an’i Jehovah ny fanatitra hataon’ny Joda fanomezana

Ho mailaka hitsara an’ireo mpilalao ody, mpanitsakitsa-bady, mpianiana lainga, mpanambaka, ary mpampahory i Jehovah

Ento ao an-trano fitehirizan’i Jehovah ny ampahafolon-karena rehetra, fa handrotsaka fitahiana be dia be izy

Misy boky fahatsiarovana hosoratana ho an’ireo matahotra an’i Jehovah; ho hitan’ny olony ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy

Ho avy ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra (4:1-6)

Ho ripaka ny ratsy fanahy amin’izay, fa “hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana” kosa ireo matahotra ny anarany

Hampiverina ny olona amin’Andriamanitra i Elia mpaminany alohan’io andro io