Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malemy Tongotra

Malemy Tongotra

Olona kilemaina ka tsy afaka mandeha tsara. Mety ho efa hatrany an-kibon-dreniny izy no sembana. (As 3:2; 14:8) Maro kosa anefa no lasa nalemy tongotra noho ny loza na ny aretina.

Mpisorona taranak’i Arona. Tsy afaka ny ho mpisorona izay taranak’i Arona, ka nalemy tongotra. Nahazo nihinana tamin’ny anjara sakafon’ny mpisorona anefa izy. (Le 21:16-23) Tokony ho tomady tsara ny mpisorona satria izy ireo no solontenan’i Jehovah tao amin’ny toerana masina, ary anisan’ny fepetra notakin’i Jehovah izany. Mpisoronabe ambony i Kristy, ka noho izany dia “tsy mivadika, tso-po, tsy misy loto, tafasaraka amin’ny mpanota.”​—He 7:26.

Sorona. Voararan’ny Lalàna ny nanao sorona biby nanan-takaitra, ohatra hoe nalemy tongotra. Mifanitsy amin’ny sorona tonga lafatra nataon’i Kristy mantsy izy ireny. (De 15:21; Le 22:19, 20) Tsy nankatò an’io lalàna io ireo Israelita nivadi-pinoana, ka hoy Andriamanitra: ‘Rehefa manolotra biby kilemaina ianareo, dia manao hoe: “Tsy misy maha ratsy an’izany!” Mba atero any amin’ny governoranao ange izany e! Ho faly aminao ve izy, na handray tsara anao? Koa hahafaly ahy ve izay entinareo?’ (Ml 1:8, 13) Nilaza i Paoly fa sorona toy izany koa no takina amin’ny Kristianina. Hoy izy: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’​—Ro 12:1.

Jakoba. Nisy anjelin’Andriamanitra nitafy nofo nifampitolona tamin’i Jakoba nandritra ny alina manontolo, tamin’izy 97 taona teo ho eo. Tsy navotsony ilay anjely raha tsy nitso-drano azy. Nokasihin’ilay anjely ny foto-pen’i Jakoba, tamin’izy ireo nifampitolona. Nipitsoka àry ny foto-pen’i Jakoba ka lasa nikotringa izy. (Ge 32:24-32; Ho 12:2-4) Nampahatsiahy an’i Jakoba izany fa tsy tena nandresy an’ilay anjely matanjaka izy, na dia nilaza aza ilay anjely hoe: “Efa nitolona tamin’Andriamanitra [tamin’ny anjelin’Andriamanitra] sy tamin’olona ianao, ka nandresy.” Tsy ho afaka nitolona tamin’ilay anjely mihitsy i Jakoba raha tsy namela azy hanao izany i Jehovah, ary raha tsy nisy zavatra nokendren’i Jehovah tamin’izany. Tiany hanaporofo mantsy i Jakoba hoe tena te hahazo tsodrano avy aminy.

Fanajana. Mampianatra ny Soratra Masina hoe tokony hohajaina ny malemy tongotra. Nilaza i Joba fa “tongotra ho an’ny malemy” izy, na dia tamin’izy mbola nanan-karena aza. (Jb 29:15) Nangoraka an’ireo narary sy nalemy tongotra i Jesosy sy ny mpianany, ka nanasitrana azy ireny.​—Mt 11:4, 5; 15:30, 31; 21:14; As 3:1-10; 8:5-7; 14:8-10.

Heviny an’ohatra. Nirehareha erỳ ny Jebosita hoe tena voaro mafy ny tanànany, ka sahy niteny tamin’i Davida izy ireo hoe: “‘Tsy ho tafiditra eto ianao, fa ny jamba sy ny kilemaina no hisakana anao.’ Nieritreritra mantsy izy ireo hoe: ‘Tsy ho tafiditra eto i Davida.’” Nilaza i Josèphe mpahay tantara fa nametraka jamba sy kilemaina teny ambonin’ny manda mihitsy angamba izy ireo mba hiaro ny tanànany. (Rakitry ny Ela Jiosy, VII, 61 [iii, 1]) Mety ho izany no nahatonga an’i Davida hiteny hoe: “Izay mamely an’ireo Jebosita, dia aoka izy hiditra avy eo amin’ny tionelin-drano, ka hamely ny kilemaina sy ny jamba, izay samy halan’i Davida!” Nataon’ny Jebosita hanompana an’i Davida ireny kilemaina sy jamba ireny, ary ny tena loza aza dia ny tafik’i Jehovah mihitsy no nilany ady. Halan’i Davida izy ireo mbamin’ireo kilemaina sy jamba teo aminy noho izany fizahozahoana izany. Mety ho nantsoin’i Davida hoe ‘kilemaina sy jamba’ koa ireo mpitondra jebosita, mba hanesoana azy ireo.​—2Sa 5:6-8.

Hoy ny andininy faha-8: “Izany no anton’ilay fitenenana hoe: ‘Tsy hiditra ao an-trano ny jamba sy ny kilemaina.’” Maromaro ny fanazavana momba izany. Tsara homarihina fa tsy tenin’i Davida io, fa mety hoe ny olona no nanao azy io ho ohabolana nilazana an’ireo nitovy tamin’ny Jebosita ka nirehareha na natoky loatra hoe azo antoka ny toerana nisy azy. Na mety hidika koa izy io hoe: ‘Tsy hisy ho tafiditra eo izay mifandray amin’ny olona mahasosotra toy ny Jebosita.’ Nisy kosa nandika azy io hoe: “Satria niteny foana ny jamba sy ny kilemaina hoe: Tsy hiditra ato amin’ity trano ity izy” na hoe: “Satria na ny jamba sy ny kilemaina aza niteny hoe tsy hiditra ao an-trano izy.”​—Famintinana Tsikera, nataon’i Barrett, Londres, 1847, Boky II, Fizarana faha-2, p. 518.

Tatỳ aoriana, dia hoy i Elia tamin’ny Israelita: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina [a.b.t.: hikotringa ho amin’ny hevitra roa samy hafa]? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.” Sady nihambo ho nanompo an’i Jehovah izy ireo no nanompo an’i Bala. Niroaroa saina izy ireo, ka toy ny malemy mikotringa. Niantsoantso an’i Bala ireo mpaminaniny, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, ary “tsy nitsahatra nihinjakinjaka nanodidina an’ilay alitara nataony.” Sasa-poana anefa izy ireo. Angamba natao hanesoana an’ilay fombafomba fandihizan’ireo mpivavaka tamin’i Bala ny hoe “nihinjakinjaka”, na mety ho nikotringatringa izy ireo satria vizana noho ilay fombafomba naharitra ela loatra.​—1Mp 18:21-29.

Mety hikotringa, ho solafaka, ary ho tafintohina ny olona malemy tongotra. Ampiasaina an’ohatra ireo teny ireo mba hilazana olona manana fiainana tsy milamina, miovaova hevitra, na manao fahadisoana amin’izay lazainy. Hoy i Bildada momba ny hiafaran’ny ratsy fanahy: “Efa vonona hanao izay hampikotringa azy ny loza.” (Jb 18:12) Niteny izany tamin’i Joba izy satria noheveriny hoe nanao ratsy i Joba. Nilaza i Davida sy Jeremia fa niandry izay hahasolafaka azy ireo ny fahavalony, mba ho afaka hiteny hoe: “Ho resintsika ary hotanterahintsika ny valifatintsika aminy.” (Je 20:10; Sl 38:16, 17) Te hamandrika an’i Jesosy Kristy tamin’ny teniny ny fahavalony ka niandry ny hanaovany fahadisoana amin’izay lazainy.​—Mt 22:15.

Ohabolana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Toy ny olona manapaka ny tongony [ka lasa malemy tongotra], sy mitera-doza ho an’ny tenany, ny olona manankina andraikitra amin’ny adala.” Tena midi-kizo izay olona manankina ny raharahany amin’ny adala. Azo antoka fa tsy handeha tsara ilay raharaha ka hitondra fatiantoka ho azy.​—Oh 26:6.

Hoy ihany ny Ohabolana: “Mahavita mantsaka rano ve ny olona malemy tongotra? Raha izany no izy, dia mba mahavita mampiasa ohabolana koa ny tsisy saina.” (Oh 26:7) Matetika no nila nidina tohatra lava be ny olona fahiny rehefa hantsaka rano tao an-davadrano, indrindra fa ireo nonina teny an-tampon-kavoana. Raha olona nalemy tongotra no nitondra rano niakatra tohatra toy izany, dia ho nikaviavia be ary tsy hahavita na inona na inona. Toy izany ny olona tsisy saina manandrana mampiasa sy manazava ohabolana.

Vahoakan’Andriamanitra fahiny. Nampanantena i Jehovah fa hanatanjaka ny vahoakany izy mba hialan’izy ireo tany Babylona sy mba hahavitan’izy ireo an’ilay dia nampidi-doza niverina tany Jerosalema. Tsy hisy halemy tongotra ara-panahy, na hisalasala àry amin’izay. Nasain’Andriamanitra niteny toy izao i Isaia mpaminany mba hampaherezana ny vahoakany: “Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.” (Is 35:6) Toy ny hoe nikotringa ny vahoakan’i Jehovah ary lasa babo. Hoy anefa i Jehovah: ‘Amin’izany andro izany, dia hovoriko ilay vahoaka mikotringa. Hasiako sisa tavela amin’ilay vahoaka mikotringa, ary hataoko firenena matanjaka ilay nalefa lavitra.’​—Mi 4:6, 7; Ze 3:19.

Mbola te hampahery ny vahoakany i Jehovah, ilay Mpanjakan’izy ireo, ka nampanantena fa hiaro azy ireo amin’ny mpanafika. Nilaza izy fa tsy hahavita na inona na inona ny fahavalon’i Ziona, satria toy ny sambo efa ratsy: Migoragora ireo tadin-tsambo, mangozohozo ny andrin-tsambo, ary tsy nisy lay intsony. Hoy i Jehovah avy eo: “Amin’izay fotoana izay dia hozaraina ny zavatra maro azo babo, ka na ny malemy tongotra aza haka be dia be amin’izay norobaina.” Be tokoa ny zavatra azo babo, ka nomena anjara na dia ireo tsy tokony ho nahazo izany aza.​—Is 33:23.

Fanajana an’ireo malemy tongotra ara-panahy. Nilaza ny apostoly Paoly, izay nanoratra taratasy ho an’ny Hebreo, fa Kristianina hebreo maro no tsy matotra fa mbola nila nanao fandrosoana. (He 5:12-14) Hoy izy rehefa avy niresaka momba ny famaizana: “Ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo, mba tsy hifandiso ny tonon-taolan’ny efa malemy tongotra, fa mba ho sitrana kosa.” (He 12:13) Na ny Kristianina matanjaka aza dia mila mitandrina tsara ny fomba itondrany ny fiainany mba tsy hanafintohina na handratra an’ireo tsy matanjaka na “malemy tongotra” ara-panahy. Mety ho tafintohina mantsy ireo malemy finoana rehefa mahita ny zavatra sasany ataon’ny matanjaka, na dia zavatra azo atao ihany aza ilay izy.​—Ro 15:1.

Naka ohatra momba ny fihinanana sy ny fisotroana i Paoly mba hanazavana an’io toro lalana io. (Ro 14:13-18, 21) Hoy izy: “Aoka kosa mba ho izao no fanapahan-kevitrareo: Ny tsy hametraka vato mahatafintohina na zavatra mahasolafaka eo anoloan’ny rahalahy.” Hoy koa izy: “Tsara ny tsy mihinan-kena na misotro divay na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.”​—Ampit. 1Ko 8:7-13.

Nanoro hevitra koa anefa i Paoly hoe tokony hanatanjaka ny ‘tongony’ ara-panahy ny Kristianina mba tsy hikotringa na ho tafintohina amin’izay mitranga na amin’izay ataon’ny hafa. Tokony hiezaka ny hatanjaka izy mba tsy hangozohozo mihitsy amin’ny finoana. Hoy i Paoly: “Aoka izay mihinana tsy hanamavo an’izay tsy mihinana, ary aoka izay tsy mihinana tsy hitsara an’izay mihinana, fa Andriamanitra efa nandray tsara azy.” (Ro 14:3) Nilaza toro lalana toy izany koa ny mpanao salamo hoe: “Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao, ka tsy misy mahatafintohina azy.” (Sl 119:165) Raha tia ny lalàn’Andriamanitra àry ny olona iray dia tsy hisy na inona na inona hampikotringa azy ara-panahy.

Fanasitranana tanteraka. Nampitomany olona maro ny hoe malemy tongotra. Nanasitrana olona maro nalemy tongotra, kilemaina, na maty tanana mihitsy aza, i Jesosy tamin’izy teto an-tany. (Mr 3:1, 5; ampit. Lk 22:50, 51.) Mbola hanao toy izany indray io Zanak’Andriamanitra io rehefa tonga ny “lanitra vaovao.” Hitondra fanasitranana tanteraka io Mpisoronabe sy Mpanjaka notendren’Andriamanitra io, ka ho voafafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ny olona.​—Mt 8:16, 17; Ap 21:1, 4.