Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malkama

Malkama

(Malkàma) [Mpanjakan’izy Ireo].

1. Benjamita zanakalahin’i Saharaima sy Hodesy vadiny.​—1Ta 8:1, 8, 9.

2. Ny andriamanitra lehibe indrindran’ny Amonita. (2Sa 12:30; 1Ta 20:1, 2; Je 49:1, 3) Mety ho izy ihany no Milkoma, Moleka na Moloka. (1Mp 11:5, 7; As 7:43) Teboka solon’ny zanatsoratra fotsiny no tsy itovizan’ilay hoe Malkama ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta sy ilay hoe Milkoma “zava-maharikoriko notompoin’ny Amonita.” (1Mp 11:5) Tsy nanaraka ny voalazan’ny Josoa 23:7 ny Jiosy, fa nanomboka nianiana tamin’ny anaran’i Malkama. (Ze 1:5) Ny teny manodidina no ahalalana raha ny anaran’ilay andriamanitra na ny hoe “mpanjakan’izy ireo” no tokony handikana an’ilay teny hebreo.​—Am 1:15; jereo MOLEKA.