Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malkia

Malkia

(Malkìa) [Mpanjakako i Jehovah].

1. Levita taranak’i Gersoma ary razamben’i Asafa, izay Levita mpitendry zavamaneno.​—1Ta 6:39-43.

2. Taranak’i Arona, ary lehiben’ny fizarana faha-5 tamin’ny antoko-mpisorona 24 nalamin’i Davida.​—1Ta 24:1, 9.

3. Mpisorona rain’i Pasora.​—1Ta 9:12; Ne 11:12; Je 21:1; 38:1.

4. “Zanaky ny mpanjaka.” Izy no tompon’ny lavaka fanangonan-drano nanipazana an’i Jeremia. (Je 38:6) Tsy hoe nateraky ny mpanjaka akory izy, fa mety hoe nifandray akaiky tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka na olona ambony tarana-mpanjaka.​—Jereo JERAMELA No. 3.

5. Israelita “avy tamin’ny taranak’i Parosy”, ary anisan’ny nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka an’ireny tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:25, 44.

6. Israelita iray hafa “avy tamin’ny taranak’i Parosy”, ary anisan’ny nandroaka ny vadiny hafa firenena. (Ezr 10:25, 44) “Hasabia” fa tsy “Malkia” no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.

7. Israelita “avy tamin’ny taranak’i Harima”, ary anisan’ny nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:31, 44.

8. Israelita “zanak’i Harima.” Nanamboatra ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema sy ny simba tamin’ny Tilikambon’ny Lafaoro izy sy Hasoba, taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 3:11) Mety ho izy ihany ilay No. 7.

9. Zanakalahin’i Rekaba ary andrianan’ny faritanin’i Beti-hakerema. Nanamboatra ny Vavahadin’ny Antontan-davenona izy, tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 3:14.

10. Mpanefy volamena nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 3:31.

11. Mpisorona nijoro teo ankavian’i Ezra mpanao dika soratra, tamin’izy namaky ny Lalàna tamin’ny Israelita tao Jerosalema voaorina indray.​—Ne 8:4.

12. Mpisorona iray, na ny razambeny, anisan’ny nanisy tombo-kase ilay “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 9:38–10:3.

13. Mpisorona anisan’ny nitokana ny mandan’i Jerosalema, izay naorina indray teo ambany fiadidian’i Nehemia. (Ne 12:40-42) Mety ho izy ihany ilay No. 11.