Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malkisoa

Malkisoa

(Malkisòa) [Ny Mpanjakako [dia Mandre Ahy] Miantso Vonjy].

Iray amin’ireo zanakalahin’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:49; 1Ta 8:33; 9:39) Matin’ny Filistinina tany an’ady, teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa, izy (1Sa 31:2; 1Ta 10:2), ary nafatotr’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatiny niaraka tamin’ny fatin’i Jonatana sy Abinadaba rahalahiny ary ny fatin’i Saoly rainy. Nalain’ireo Israelita mahery fo anefa ireo faty ireo ka nodorany tany Jabesy, ary naleviny tany ny taolan’izy ireo.​—1Sa 31:8-13.