Malko
(Malkô) [avy amin’ny fototeny heb. midika hoe “mpanjaka”].
Ilay mpanompon’i Kaiafa mpisoronabe, izay niaraka tamin’i Jodasy Iskariota sy ny vahoaka nankany Getsemane mba hisambotra an’i Kristy. Namely an’i Malko tamin’ny sabatra i Petera ka nahafaka ny sofiny havanana. (Jn 18:10; Mt 26:51; Mr 14:47) Nositranin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga anefa ilay sofina. (Lk 22:50, 51) Nanana havana iray, izay mpanompon’ny mpisoronabe koa, i Malko. Io havany io no nahafantatra an’i Petera taoriana kelin’izay, ka nahatonga an’i Petera handa an’i Kristy fanintelony.—Jn 18:26, 27.