Malta
(Màlta).
Nosy eo amin’ny Ranomasina Mediterane, tokotokony ho 100 km any atsimon’i Sisila, ary 246 km2 eo ho eo ny velarany. Tao Malta no rendrika ny sambo nandehanan’i Paoly, ka nijanona tao telo volana izy. Tamin’izay izy no nanasitrana ny rain’i Poplio sy ny marary hafa.—As 28:1, 7-9, 11.
Taloha dia nisy nilaza an’i Malta ho i Mljet (Meleda amin’ny teny italianina), nosy eo amin’ny ilany andrefan’ny morontsiraky ny Saikinosy Balkanika. Melite mantsy no teny grika nadika hoe “Malta” ary Melita kosa no niantsoana an’i Mljet fahiny. Samy milaza anefa ny lovantsofina sy ny Soratra Masina fa tany Malta i Paoly no vaky sambo. Voalaza fa natopatopan’ny “ranomasin’i Adria” ilay sambo rehefa nihananakaiky an’i Malta. Anisan’ny ranomasin’i Adria ny ampahan’ny Ranomasina Mediterane, izay eo atsinanan’i Sisila, ary andrefan’i Kreta. Voahodidin’ny ranomasin’i Adria àry io Malta io.—As 27:27.
Rendrika ny sambo nitondra an’i Paoly. Taoriana kelin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (Septambra na Oktobra), dia niala tao amin’ny Seranana Kanto tany Kreta ilay sambo nitondra an’i Paoly, ary niharan’ny tafio-drivotra (Eorakylona), izay toa avy any atsinanana avaratratsinanana. As 27:8, 9, 13-17) Tsy ho vitan’ny rivotra avy any atsinanana avaratratsinanana mihitsy ny hitondra an’ilay sambo hankany Mljet, izay tokony ho 1000 km any avaratra avaratrandrefan’i Kaoda. Natopatopan’ny rano nandritra ny tapa-bolana teo ho eo ilay sambo, ary nanakaiky an’i Malta, tokotokony ho 870 km any andrefana avaratrandrefan’i Kaoda.—As 27:33; jereo EORAKYLONA.
Voafonja i Paoly tamin’izay. Nopaohin’ilay rivotra hiala ny morontsirak’i Kreta ilay sambo ka nentiny tany Kaoda. Natahorana àry ilay sambo sao hidona tamin’ny dongom-pasik’i “Sirtisy”, teny amin’ny morontsirak’i Afrika Avaratra. (Azo inoana fa tody tao amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Helodranomasin’i Md. Paoly ilay sambo, rehefa natosiky ny rivotra nankany andrefana avaratrandrefana, fa tsy voatery hidona mihitsy tamin’ny morony hafa tamin’ilay nosy. Matsilo sofina ny tantsambo ka ren’izy ireo angamba ny onja nidona tamin’ny harambaton’ny Tanjona Qawra (Kora), teo amin’ny ilany atsinanan’ny Helodranomasin’i Md. Paoly, teo amin’ny Ranomasina Mediterane. Nino àry izy ireo fa nanakaiky tany. Nilaza izy ireo fa “enina amby telopolo metatra” sy “fito amby roapolo metatra” ny halalin’ny rano, ary mitovy amin’izany ny refy hita teny amin’ny Helodranomasin’i Md. Paoly, tany antenatenan’ny taonjato faha-19.—As 27:27, 28.
Seranana hafa tao Malta no nahazatra an’ireo tantsambo, ka izany no tsy nahafantarany an’ilay nosy na dia efa nazava aza ny andro. La Vallette mantsy no seranana lehibe indrindra sy be mpahalala any. Any amin’ny 13 km any atsimoatsinanan’ny Helodranomasin’i Md. Paoly no misy azy io.—As 27:39.
Misy helodrano kely roa eo amin’ny ilany andrefana amin’ny Helodranomasin’i Md. Paoly. Teo amin’ny iray tamin’ireny angamba ireo tantsambo no te “hampidona an’ilay sambo”, nefa tsy vitan’izy ireo izany satria ‘lasa teo anelanelan’ny ranomasina roa izy ireo’ (raha adika ara-bakiteny ny teny grika). Mety hidika izany fa “tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina” (Prot.), na “teo amin’ny andilantany anankiray” (DIEM), na teo amin’ny “dongom-pasika iray teo afovoan-dranomasina” (TV) ilay sambo no nidona. Na nifanohitra ny korian-drano teo amin’izay nisy an’ilay sambo ka rendrika izy io. (Ampit. Jé.) Tsy afa-nihetsika ny lohan-tsambo satria angamba tafahitsoka tao anaty fotaka sy tanimanga, izay fahita any amin’ny 5,4 m any ambanin’ny rano, any amin’ny faritra sasany amin’ny Helodranomasin’i Md. Paoly. Ny vodisambo kosa rotidrotiky ny onja.—As 27:39-41.
Paoly tany Malta. Tapa-kevitra ny hamono an’i Paoly sy ireo voafonja hafa ny miaramila. Hentitra be mantsy ny lalàna miaramila romanina hoe tsy ho afa-maina ny mpiambina raha afa-nandositra ny voafonja niandraiketany. (Ampit. As 12:19; 16:27.) Te hiaro an’i Paoly ilay manamboninahitra, ka tsy navelany hamono an’ireo voafonja ny miaramila. Avotra soa aman-tsara àry ny olona rehetra tao amin’ilay sambo, 276 ny tontaliny. Nisy nilomano, nisy namikitra tamin’ny hazo fisaka na zavatra hafa nitsingevana avy tamin’ilay sambo rendrika.—As 27:37, 42-44.
Tsy niteny grika ny mponin’i Malta nefa tena tia olona sy tsara fanahy ka nandrehitra afo mba hamindroan’ireo tsy maty an-drano. Rehefa nanampy kitay an’ilay afo anefa ny apostoly Paoly, dia nisy bibilava misy poizina nivoaka, ary niraikitra tamin’ny tanany. Gaga ny olona fa sady tsy nivonto izy no tsy maty, ka nihevitra izy ireo fa andriamanitra i Paoly.—As 28:1-6.
Tsy misy bibilava misy poizina intsony any Malta ankehitriny. Maro ny zavatra niova tatỳ aorian’ny taonjato voalohany. Raha jerena ny velaran-tanin’i Malta, dia anisan’ny firenena be mponina indrindra eran-tany izy io satria 1300 eo ho eo ny isan’ny mponina isaky ny km2. Mety ho feno ala anefa io nosy io tamin’ny andron’i Paoly. Tsy maintsy ho nisy vokany tamin’ny biby sy ny zavamaniry teo amin’ilay nosy ny fitomboan’ny isan’ny mponina. Mety ho izany no nampanjavona ny bibilava misy poizina tao amin’ilay nosy, toy izay nitranga tao Arran, nosy any atsimoandrefan’ny morontsirak’i Ekosy. Voalaza fa tamin’ny 1853 dia nisy bibilava misy poizina hita teny amin’ny Helodranomasin’i Md. Paoly.