Mamre
(Mamrè) [mety hidika hoe Nohatavezina].
1. Mpiadidy amorita. Nanana rahalahy atao hoe Anera sy Eskola izy ary niaraka taminy ireo mba hanampy an’i Abrahama handresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpiray dina taminy. Nanampy an’i Abrahama izy ireo satria efa nanao fifanekena taminy.—Ge 14:13, 24.
2. Toerana lazain’ny olona fa i er-Ramat el-Kalil, 3 km eo ho eo any avaratr’i Hebrona. Misy kosa mihevitra fa lavitra kokoa any andrefan’i Hebrona i Mamre, araka ny Genesisy 23:17. (Jereo MAKPELA.) Nonina naharitra tao Mamre i Abrahama, ary nonina kelikely tao koa i Isaka. Nisy lava-bato nandevenana azy ireo sy ny vadiny avy, ary koa i Jakoba sy Lea, teo akaiky teo, izany hoe tao Makpela. (Ge 13:18; 35:27; 49:29-33; 50:13) Nisy loharano maro nahatonga an’ilay faritra ho azon-drano tsara. Be hazo goavam-be tao Mamre tamin’ny andron’i Abrahama. Nanorina alitara ho an’i Jehovah tao izy. (Ge 13:18) Teo ambanin’ny iray tamin’ireny hazobe ireny i Abrahama no nandroso sakafo ho an’ireo anjely tonga tao aminy, talohan’ny nandringanana an’i Sodoma sy Gomora. (Ge 18:1-8) Teo koa i Jehovah no nampanantena azy fa hahazo zanakalahy avy amin’i Saraha izy. (Ge 18:9-19) Teo amin’ny toerana iray teo akaikin’i Mamre i Abrahama no nahatazana an’ilay faritra nisy an’i Sodoma terỳ ambany terỳ. Nidona-tsetroka ilay faritra manontolo noho ny afo nandravana azy.—Ge 19:27-29.
Manan-tantara ireo hazobe (hazo oaka ny ankamaroany) ao amin’ilay Mamre ankehitriny, hatramin’ny andron’i Josèphe ka hatramin’izao. Nisy toerana masina maromaro naorina tao, nandritra ny taonjato maro. Hazo iray efa antitra be no nahatonga izany, satria noheverina fa teo ambanin’io
hazo io i Abrahama no niresaka tamin’ny anjely. Nanangana rindrim-bato nanodidina an’io toerana io i Heroda Lehibe. Nanorina eglizy lehibe teo i Constantin Mpanjaka, rehefa avy nitsidika an’ilay toerana ny rafozambaviny tamin’ny taonjato fahefatra. Nanjary nankamasina an’io toerana io koa tatỳ aoriana ny Silamo mpanafika.