Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mana

Mana

(màna).

Foto-tsakafon’ny Israelita nandritra ny diany 40 taona tany an-tany efitra. (Ek 16:35) Tany an-tany efitr’i Sina i Jehovah no voalohany nanome ny mana, tamin’ny faramparan’ny volana faharoa nivoahan’ny Israely avy tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. (Ek 16:1-4) Io no sakafon’izy ireo mandra-pihinany ny vokatry ny tany tao Kanana tamin’ny 1473 T.K.​—Js 5:10-12.

“Nisy zavatra manify mikarepoka tany an-tany efitra, dia zavatra toy ny ranomandry mitsiratsiraka teny amin’ny tany.” Io no mana, ary teny amin’ny tany izy io rehefa lasa etona ny andon’ny maraina. Sambany nahita azy io ny Israelita ka nifanontany hoe: “Fa inona ireny”? (a.b.t.: man hoʼ?) (Ek 16:13-15; No 11:9) Mety ho izany no nahatonga azy ireo hiantso azy io hoe “mana.”​—Ek 16:31.

Endriny. “Fotsy tahaka ny voan-kotimila” ny mana, ary “toy ny” ditin’ny hazo matambelo, izay toy ny perla mangilohilo tantera-pahazavana. “Toy ny an’ny mofo fisaka misy tantely” na “mofo mamy misy menaka” ny tsirony. Nandrahoina tao anaty vilany ilay izy na natao mofo ary nandrahoina tao anaty lafaoro, rehefa avy nototoina tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona.​—Ek 16:23, 31; No 11:7, 8.

Tsy misy mihitsy ankehitriny zavamaniry na zavatra voajanahary mitovy amin’ny mana na azo lazaina hoe mana. Nanao fahagagana mantsy i Jehovah rehefa nanome ny mana. Tsy niankina tamin’ny vanin-taona na ny toerana koa ny nahazoana an’ilay izy. Namoaka olitra sy maimbo ilay izy raha namelana ambiny isan’andro. Tamin’ny andro fahenina ihany no tsy simba ny mana eran’ny omera fanampiny isan’olona notehirizina ho amin’ny Sabata. Tsy nisy mana azo nalaina tamin’ny Sabata, ka tsy maintsy nitandrina Sabata ny Israelita.​—Ek 16:19-30.

Ny loham-pianakaviana no nanangona na nampanangona ny mana ho an’ny ankohonany. Nangoniny haingana izay tokony ho lanin’ny ankohonany ary nafatrany, satria niempo ny mana raha vao nafana ny andro. Tsy maintsy eran’ny omera (2,2 L) isan’olona ihany no nangonina, na kely na be no voangona, arakaraka ny isan’ny mpianakavy. (Ek 16:16-18) Niresaka an-kolaka momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nampirisika an’ireo Kristianina tany Korinto mba hanome fanampiana ka hameno ny tsy ampy teo amin’ny rahalahiny.​—2Ko 8:13-15.

Antony nanomezana azy. Navelan’i Jehovah ho noana ny Israelita tany an-tany efitra, ary avy eo nomeny mana. Tiany ho fantatr’izy ireo mantsy fa “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” Tiany koa ny ‘hampanetry tena azy ireo sy hitsapa azy ireo ka hanasoavana azy ireo any aoriana.’ (De 8:3, 16) Nofaizin’i Jehovah àry izy ireo rehefa leon’ny mana ka nikomy ary nilaza hoe “mofo tsisy ilana azy” ilay izy. Nandefasany bibilava misy poizina izy ireo ary maro no maty.​—No 21:5, 6.

Nantsoina hoe “sakafo avy any an-danitra” (Sl 78:24), “mofo avy any an-danitra” (Sl 105:40), ary “mofon’ireo mahery” (Sl 78:25) ny mana. “Ireo mahery” dia ny anjely satria “mahery dia mahery” (Sl 103:20) izy ireo. Tsy nihinana mana anefa izy ireo, fa mety ho nirahin’Andriamanitra hanome azy io ho an’ny Israelita fotsiny. (Ampit. Ga 3:19.) Any an-danitra koa ny fonenan’izy ireo, ka mety ho nantsoina hoe “mofon’ireo mahery” ny mana satria avy any an-danitra.

Nataon’i Arona tao anaty “siny volamena” ny mana eran’ny omera (2,2 L), ary napetrany teo anatrehan’i Jehovah tao anatin’ny Vata volamena misy ny fifanekena, mba ho hitan’ny taranaka any aoriana. (Ek 16:32-34; He 9:4) Efa tsy tao intsony anefa ilay siny, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa nafindra avy tao amin’ny tranolay naorin’i Davida nankao amin’ny tempolin’i Solomona ilay Vata masina. (2Sa 6:17; 1Mp 8:9; 2Ta 5:10) Efa vita mantsy ny nilana azy.

Heviny an’ohatra. Avy tamin’Andriamanitra ny mana (Ne 9:20), nefa tsy nahatonga ny Israelita ho velona mandrakizay. Nohamafisin’i Kristy Jesosy izany, ary hoy izy: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jn 6:30-33, 48-51, 58) Mihinana amin’io mana na “mofon’aina” avy any an-danitra io ny mpianatr’i Kristy, rehefa mino fa ny nofon’i Jesosy sy ny rany natao sorona no afaka manavotra azy ireo. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay any an-danitra miaraka amin’i Kristy na eto amin’ny tany paradisa àry izy ireo.

Nilaza koa i Kristy fa homena amin’ny “mana nafenina” ny mpianany voahosotra raha mandresy, ka ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo any an-danitra. Tsy mety simba sy tsy mety lany io mana an’ohatra io.​—Ap 2:17; 1Ko 15:53.