Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manadio sy Mandrendrika Metaly

Manadio sy Mandrendrika Metaly

Mampitsonika metaly mba hiavahan’ny loto aminy sy mba hanadiovana azy. Ahoana no nanaovana izany? Natsonika imbetsaka tao anaty vilany tany ilay metaly, mba hialan’ny tain-drendrika sy ny loto ao aminy. (Sl 12:6; Oh 17:3; 27:21) Nahitana tain-drendrika nivangongo tany amin’ny faritra nanodidina an’i Sokota fahiny, izay nisy ny sasany tamin’ny toeram-pitrandrahana sy toeram-pandrendrehan’i Solomona. Ary ahoana no nanesorana ny loto? Nolevonina tamin’ny afo izany indraindray, fa indraindray kosa nampiasana savony (jereo MPANASA LAMBA) mba hampitambatra azy eo an-tampon’ilay metaly nitsonika ka ho mora esorina. (Is 1:25; Ml 3:2) Nipetraka teo anoloan’ny lafaoro ny mpandrendrika metaly, ary nampiasa tafoforana (fitaovana fitsofana afo) mba hampiredareda ny afon-tsaribao.​—Je 6:29; Ml 3:3.

Misy volafotsy kely ny volamena matetika. Tsy fantatra hoe ahoana no nanasarahana azy ireo fahiny. Ny azo antoka anefa dia tsy nitovy ny fomba fandrendrehana azy ireo, satria hoy ny Ohabolana 17:3 sy ny 27:21: “Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana.” Azo inoana fa mbola tsy fantatry ny olona ny asidra nitirika, raha tsy tamin’ny taonjato fahasivy. Fomba hafa àry no nanadiovana ny volamena talohan’izay. Natsonika, ohatra, izy io raha mbola akora nifangaro tamin’ny firamainty. Niraikitra tamin’ny firamainty ny volamena fa ny loto kosa lasa tain-drendrika ary nesorina. Natsonika moramora indray avy eo ny firamainty mba hiavaka, ka ny volamena tsy misy fangarony sisa no nijanona. Raha nahamay loatra anefa ny hafanana na nitsonika haingana loatra ny firamainty, dia tsy niavaka tamin’ny firamainty ny volamena. Tena nilana fahaizana àry izany, ka ny lokon’ilay metaly nitsonika no nanampy an’ilay mpandrendrika. (Ampit. Sl 12:6; Je 6:28-30; Ezk 22:18-22.) Asehon’ny Soratra Masina fa nampiasa savony ny mpanadio volafotsy.​—Ml 3:2, 3.

Ahoana no natao mba hahazoana ny varahina tao amin’ny oksidana varahina na karbonatana varahina mbola akora? Nopotipotehina ilay akora, nafangaro tamin’ny saribao, ary avy eo nodorana mba hahazoana ilay varahina. Ahoana kosa no nahazoana varahina tao amin’ny solfiorana varahina mbola akora? Tsy maintsy nodorana aloha izy io ka rehefa may ny solifara dia lasa gazy roanoksidana solifara. Mivadika ho oksidana varahina kosa ilay solfiorana varahina. Atsonika ao anaty saribao avy eo ilay oksidana varahina, mba hahazoana varahina tsy misy fangarony.

Sarotra kokoa ny nahazo vy tsy misy fangarony avy tamin’ny vy mbola akora, satria hafanana mahamay be 1535 ° C vao mampiempo azy. Nanamboatra fatana fandrendrehana nisy tafoforana anefa ny olona fahiny, ary toy ny lafaoro fandrendrehana maoderina izy ireny. (De 4:20; Je 6:29; Ezk 22:20-22) Tsy tena fantatra hoe hoatran’ny ahoana ny fatana fandrendrehan’ny Hebreo, fa angamba nitovitovy tamin’ireo nampiasaina tany Inde fahiny. Vita tamin’ny tanimanga izy ireny ary nitovy tamin’ny poara lehibe ny bikabikany. Tokotokony ho 1,2 metatra ny savaivony ambany, ary kely kokoa ny savaivony ambony satria 0,3 metatra. Nasiana tafoforana maromaro vita tamin’ny hoditr’osy izy ireny. Nipetaka teo amin’ny fantsona tanimanga ny lohan’ireny tafoforana ireny, ary ireo fantsona ireo no fidiran’ny rivotra nankao amin’ny tapany ambany tamin’ilay fatana fandrendrehana. Rehefa avy nasiana saribao tao amin’ilay fatana, dia narehitra ny afo ary nampidirina tao ny vy mbola akora. Mbola nasiana saribao koa teo ambony ary notsofina mba hahamay be ny afo, nandritra ny adiny telo na efatra. Novakina ny teo anoloana tamin’ilay fatana avy eo, mba hangalana an’ilay bolongana metaly tsy misy fangarony.

Ny solfiorana firamainty mbola akora matetika no ahazoana firamainty, ary mora ny mahazo azy io. Dorana amin’ny rivotra mahamay aloha ilay akora mba hivadika ho oksidana firamainty. Mikambana amin’ny oksizenina mantsy ilay solifara ka lasa gazy roanoksidana solifara. Afangaro amin’ny saribao avy eo ilay oksidana firamainty, ary ampidirina ao anaty lafaoro fandrendrehana. Miala ny roanoksidana karbonina ary ny ranoka firamainty sisa no tavela.

Heviny an’ohatra. Lazain’ny Baiboly hoe mpanadio na mpandrendrika metaly i Jehovah. Madio toy ny metaly voadio ny Teniny. (2Sa 22:31; Sl 18:30; 119:140; Oh 30:5) Toy ny metaly vita sedra ny Teniny, ary io no fomba iray ampiasainy hanadiovana ny vahoakany, izany hoe hanesorany ny fahotana na fahalotoana rehetra izay ampitahaina amin’ny tain-drendrika. (Sl 17:3; 26:2; 105:19; Da 12:9, 10; Ml 3:3) Lasa manana toetra tsara kokoa ny olona, raha tsy mivadika ao anatin’ny fitsapana mahamay. (Is 48:10; Da 11:35; Za 13:9; ampit. 1Pe 1:6, 7.) Ahoana kosa ny ratsy fanahy? Heverina toy ny tain-drendrika tsy misy vidiny izy ireny, ary any amin’ny fanariana loto no mendrika azy.​—Sl 119:119; Oh 25:4, 5; Ezk 22:18-20.