Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manam-pahefana

Manam-pahefana

Teny ampiasaina ao amin’ny Romanina 13:1 mba hilazana an’ireo manana fahefana ara-panjakana. Toy izao avy no fomba nandikana an’io andininy io: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” (TV) “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa.”​—DIEM.

Navelan’i Jehovah Andriamanitra hisy ireny manam-pahefana ireny matoa eo, fa tsy hoe Andriamanitra no nampisy azy ireny. (Ampit. Mt 4:8, 9; 1Jn 5:19; Ap 13:1, 2.) Mbola eo izy ireny satria avelany hisy. Azony esorina na tarihina na fehezina anefa izy ireny mba hahatanteraka ny sitrapony, rehefa hitany hoe mety ny hanaovana izany. Hoy i Daniela mpaminany momba an’i Jehovah: “Manova fotoana sy vanim-potoana izy, manaisotra mpanjaka sy mametraka mpanjaka.” (Da 2:21) Hoy koa ny Ohabolana 21:1: “Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.”​—Ampit. Ne 2:3-6; Es 6:1-11.

Nahoana ny Kristianina no mila manaiky? Tokony hanaiky ny manam-pahefana ny Kristianina, satria Andriamanitra aza mamela azy ireny hisy, ka ny Kristianina indray ve no hanohitra izany? Marina fa mety hisy mpitondra fanjakana manao ny tsy mety, kanefa tsy hanasazy olona manao ny tsara na manara-dalàna izy ireny, na izany aza. Afaka manampo sazy avy amin’ny manam-pahefana kosa ny mpangalatra, mpamono olona na mpandika lalàna hafa. Mety hovonoina ho faty, ohatra, ny olona ninia namono olona. Nilaza i Jehovah Andriamanitra taorian’ny Safodrano fa azo atao ny mamono an’izay meloka ho namono olona. (Ge 9:6) Azo lazaina hoe “mpanompon’Andriamanitra” àry ny manam-pahefana rehefa mamono an’ireo mpandika lalàna. “Mpamaly an’ireo mpanao ratsy” koa izy amin’izany, ka ‘mampihatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ireny.’​—Ro 13:2-4; Tit 3:1; 1Pe 2:11-17.

Afaka manasazy an’ireo mpanao ratsy ny manam-pahefana. Tsy izany anefa no tena antony aneken’ny Kristianina azy ireny, fa noho ny feon’ny fieritreretana. Manaiky an’ireo manam-pahefana izy, satria miaiky fa izany no sitrapon’Andriamanitra. (Ro 13:5; 1Pe 2:13-15) Tsy azo lazaina hoe tsy misy fetrany àry ny fanekena an’ireo manam-pahefana na mpitondra ara-politika eto amin’ity tontolo ity. Lasa tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra ny Kristianina ary tsy manana feon’ny fieritreretana madio intsony, raha mandika ny lalàn’Andriamanitra satria noteren’ny mpitondra ara-politika. Manaiky ny manam-pahefana ny Kristianina, nefa tokony hifanaraka foana amin’izao tenin’ny apostoly tamin’ny Fitsarana Avo Jiosy izao izany: ‘Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.’​—As 5:29.

Manao asa maro tena ilaina ny manam-pahefana mba hahasoa ny vahoaka sy hisian’ny filaminana. Manan-jo haka hetra sy haba ho setrin’izany asa izany àry izy ireo. Azo antsoina hoe “mpanompon’Andriamanitra miasa ho an’ny besinimaro” izy ireo, satria maro ny zavatra mahasoa ataony. (Ro 13:6, 7) Nandray soa mivantana tamin’izay nataon’izy ireny ny mpanompon’Andriamanitra, indraindray. Noho ny nataon’i Kyrosy Mpanjaka, ohatra, no nahafahan’ny Jiosy niverina tany Joda sy Jerosalema, ka afaka nanorina ny tempoly indray izy ireo. (2Ta 36:22, 23; Ezr 1:1-4) Ny rehetra mihitsy matetika no mandray soa rehefa miasa ara-dalàna ireo sampan-draharaham-panjakana, anisan’izany ny fitsarana izay azon’ny olona itakiana ny rariny sy angatahana fiarovana amin’ny ataon’ny mpanao heloka bevava sy ny mpirotaka, na ny toy izany.​—Fi 1:7; As 21:30-32; 23:12-32.

Mazava ho azy fa hataon’i Jehovah ampamoaka izay mpitondra manampatra fahefana. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’”​—Ro 12:19; Mpto 5:8.