Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manambara ho Marina

Manambara ho Marina

Ny teny hebreo hoe tsadek (iray tarika amin’ny hoe tsedek, midika hoe “fahamarinana”) no nadika indraindray hoe “manambara ho marina” sy “milaza hoe marina.” (De 25:1; Jb 27:5) Nadika koa hoe “manamarina” io teny io, ary “fanamarinana” no anarana azo avy aminy. Ny Soratra Grika Kristianina no tena manazava ny hevitr’ireo teny tany am-boalohany (matoanteny: dikaiôô, anarana: dikaiôma sy dikaiôsis), izay midika hoe: Manafoana fiampangana, mihevitra olona iray ho tsy manan-tsiny, ka manafaka azy madiodio na manambara azy ho marina sy mitondra azy ho toy ny olo-marina.​—Jereo ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy nataon’i W. Bauer (nohavaozin’i F. Gingrich sy F. Danker), 1979, p. 197, 198; sy ny Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott (nohavaozin’i H. Jones), Oxford, 1968, p. 429.

Nirin’ny apostoly Paoly “ho hita fa marina [endriny hafa amin’ny hoe dikaiôô]” àry Andriamanitra amin’izay lazainy, ary handresy rehefa tsarain’ny mpanakiana azy. (Ro 3:4) Nilaza i Jesosy fa ‘ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony’, ary ny tenin’izy ireo no ‘hanambarana azy ireo ho marina [endriny hafa amin’ny hoe dikaiôô]’ na hanamelohana azy, amin’ny Andro Fitsarana. (Mt 11:19; 12:36, 37) Nilaza koa izy hoe “hita fa marina noho” ilay Fariseo nieboebo ilay mpamory hetra “rehefa nidina tany an-tranony.” Nanetry tena mantsy ilay mpamory hetra, rehefa samy nivavaka tao amin’ny tempoly izy roa lahy. (Lk 18:9-14; 16:15) I Paoly kosa nilaza fa “afaka madiodio [endriny hafa amin’ny hoe dikaiôô] amin’ny fahotany” ny olona maty, satria ny fahafatesana no tambin’ny ota.​—Ro 6:7, 23.

Manana heviny manokana koa ireo teny grika ireo. Ilazana ny fanambaran’Andriamanitra ny olona iray ho tsy manan-tsiny izy ireo (As 13:38, 39; Ro 8:33), na ny fanambarany fa mendrika ny ho velona mandrakizay ireo tsy mivadika mihitsy.

Talohan’ny andro kristianina. Lavorary sy olo-marina ary “zanak’Andriamanitra” i Adama, tamin’ny voalohany. (Lk 3:38) Olo-marina izy satria noforonin’Andriamanitra sady hitan’ilay Mpamorona hoe “tena tsara.” (Ge 1:31) Nivadika taminy anefa izy ka tsy olo-marina intsony, ary tsy ho olo-marina koa ny taranany.​—Ge 3:17-19; Ro 5:12.

Nisy nanam-pinoana ihany anefa ny taranany ka “niara-nandeha tamin’Andriamanitra”, toa an-dry Noa sy Enoka ary Joba. (Ge 5:22; 6:9; 7:1; Jb 1:1, 8; 2:3) Naneho finoana an’Andriamanitra i Abrahama, ka “nambara ho marina.” “Nambara ho marina” koa i Rahaba satria nasehony tamin’izay nataony ny finoany. Tsy ringana àry izy rehefa noravana ny tanànan’i Jeriko. (Jk 2:21-23, 25) Samy nanambara i Jakoba sy Paoly fa “nekena ho isan’ny olo-marina” i Abrahama, noho ny finoany. (Ro 4:3-5, 9-11) Namerina ny voalazan’ny Genesisy 15:6 teo i Paoly. Mba hahazoana ny tiana holazaina amin’izany, dia hodinihintsika izao ny hevitr’ilay matoanteny grika hoe lôgizômai, izay nadika hoe “nekena ho isan’ny” eo.

“Nekena ho isan’ny” olo-marina. Io matoanteny grika hoe lôgizômai io no nampiasaina taloha mba hilazana ny kajy na kaonty nataon’ny olona iray, toy ny rehefa nataony kajy ny vola miditra sy mivoaka. Nadika hoe “mihevitra, manisa” izy io ao amin’ny Baiboly. Naverina ao amin’ny Romanina 4:8, ohatra, ny tenin’i Davida mpanao salamo hoe: “Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.” Nampirisika an’ireo nijery ivelany fotsiny koa i Paoly mba hamakafaka tsara, toy ny hoe mijery ny vola miditra sy mivoaka ao amin’ny bokim-bola iray. (2Ko 10:2, 7, 10-12) Nanahy koa izy ‘sao mihoatra’ an’izay tena vitany teo amin’ny fanompoana no ‘hoheverina [endriny hafa amin’ny hoe lôgizômai]’ fa vitany.​—2Ko 12:6, 7.

Mety hidika koa hoe “manaja, manaiky, manisa, mihevitra, na atao ho isan’ny (sokajy na karazana)” ny hoe lôgizômai. (1Ko 4:1) Nilaza àry i Jesosy fa “natao ho isan’ny [endriny hafa amin’ny hoe lôgizômai] tsy tan-dalàna” izy. (Lk 22:37) Nanoratra koa i Paoly fa “efa anisan’ny voafora ihany” ny olona nitandrina ny Lalàna ‘na dia tsy nifora aza’, satria noheverina ho toy ny voafora izy. (Ro 2:26) Hoy koa izy tamin’ny Kristianina: ‘Hevero ho efa maty ny tenanareo raha ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra kosa, noho i Kristy Jesosy.’ (Ro 6:11) ‘Noheverina ho taranak’i’ Abrahama ny Kristianina voahosotra hafa firenena, na dia tsy tena avy tamin’i Abrahama aza.​—Ro 9:8.

Nahoana no nambara ho marina i Abrahama, nefa izy velona talohan’ny nahafatesan’i Kristy?

“Nekena [natao, noheverina] ho isan’ny olo-marina” i Abrahama, satria nasehony tamin’izay nataony ny finoany. (Ro 4:20-22) Tsy hoe lavorary sy tsy nisy ota akory izy sy ny olon-kafa nanam-pinoana, talohan’ny andro kristianina. Nino ny fampanantenan’Andriamanitra momba ilay “taranaka” kosa izy ireo sady niezaka mafy nankatò ny didiny, ka tsy natao ho isan’ireo tsy marina izay tsy nankasitrahan’Andriamanitra. (Ge 3:15; Sl 119:2, 3) Tsy nanan-tsiny teo imason’i Jehovah izy ireo, raha noharina tamin’ireo olona tafasaraka taminy. (Sl 32:1, 2; Ef 2:12) Afaka nitahy sy nifandray tamin’ireo mpanompony tsy lavorary ireo àry Andriamanitra, noho izy ireo nanam-pinoana. Tsy nandika an’ireo fitsipiny ara-drariny akory izy rehefa nanao izany. (Sl 36:10) Niaiky koa anefa izy ireo fa nila navotana tamin’ny ota, ka niandry ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra izany.​—Sl 49:7-9; He 9:26.

“Asa fanamarinana iray” nataon’i Kristy Jesosy. Olombelona lavorary foana i Jesosy Kristy mandra-pahafatiny (1Pe 1:18, 19), satria tsy nivadika mihitsy izy na dia niharam-pitsapana aza. Efa fikasan’Andriamanitra rahateo ny hoe ‘hatao lavorary amin’ny alalan’ny fahoriana’ ilay Mpitarika Lehibe Indrindra mitondra famonjena. (He 2:10) Natao lavorary àry i Jesosy rehefa nankatò sy tsy nivadika mihitsy, ka ho afaka hiantsoroka tsara ny andraikitry ny Mpisoronabe mitondra famonjena, araka ny Hebreo 5:7-10. Tsy nisy tsininy mihitsy izy mandra-pahafatiny, ka azo lazaina hoe nohamarinina. Izy irery no olona tsy nivadika mihitsy rehefa niharam-pitsapana, ary izy irery no olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra noho ny ezaka nataony. Azo ambara ho marina àry izay olona mino azy noho iny “asa fanamarinana [endriny hafa amin’ny hoe dikaiôma] iray” iny, izany hoe noho i Jesosy Kristy nanao ny marina tamin’ny fomba lavorary sy tsy nisy tsininy nandritra ny androm-piainany ary nanome ny ainy ho sorona.​—Ro 5:17-19; 3:25, 26; 4:25.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Nifototra tamin’ny zava-baovao indray ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny mpanompony tetỳ an-tany rehefa tonga tetỳ ny Zanany, ilay Mpamonjy nampanantenaina. Nambarany ho marina aloha ireo Kristianina voafidy ho rahalahin’i Kristy hiara-manjaka aminy any an-danitra, noho ny finoan’izy ireo azy. (Ro 3:24, 28; 8:17) Toy ny hoe namoaka didy hanafahana azy ireo madiodio i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitsara Fara Tampony, ka tsy misy afaka ny “hiampanga” an’ireo olom-boafidiny ireo. (Ro 8:33, 34) Fa nahoana izy no nanao izany?

Lavorary sy masina i Jehovah (Is 6:3) ka tsy maintsy lavorary koa ireo ekeny ho zanany. (De 32:4, 5) Lavorary sy “tsy mivadika, tso-po, tsy misy loto, [ary] tafasaraka amin’ny mpanota”, ohatra, i Jesosy Kristy, ilay Zanany lehibe indrindra. (He 7:26) Ny mpianatr’i Jesosy kosa tsy lavorary sy mpanota, satria nandova ota avy tamin’i Adama razambeny. (Ro 5:12; 1Ko 15:22) Tsy zanak’Andriamanitra àry izy ireo tamin’ny voalohany. (Jn 1:12, 13) Be hatsaram-panahy feno fitiavana anefa i Jehovah Andriamanitra, ka nataony izay hahafahany ‘hanangana’ an’ireo olona ankasitrahany ireo ho zanany. (Ro 8:15, 16; 1Jn 3:1) Afaka ny hanangana azy ireo ho zanany izy, satria efa nambarany ho marina izy ireo noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Kristy, sady efa nahafahany madiodio tamin’izay mety ho fanamelohana vokatry ny ota. (Ro 5:1, 2, 8-11; ampit. Jn 1:12.) “Nekena ho isan’ny” olo-marina àry izy ireo satria efa voavela daholo ny helony, ka tsy misy antony hanamelohana azy intsony.​—Ro 4:6-8; 8:1, 2; He 10:12, 14.

Lehibe kokoa noho ny soa azon’i Abrahama (sy ny mpanompon’i Jehovah hafa talohan’ny andro kristianina), ny soa azon’ireo Kristianina nambara ho marina. Hoy i Jakoba momba an’i Abrahama: ‘Tanteraka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina izy.” Koa nantsoina hoe “naman’i Jehovah” izy.’ (Jk 2:20-23) Nambara ho marina àry i Abrahama noho ny finoany, ka lasa naman’Andriamanitra. Tsy lasa zanany anefa izy, satria tsy ‘nateraka indray’ ka tsy nanantena ny ho any an-danitra. (Jn 3:3) Mbola tsy nisy olona natsangana ho zanak’Andriamanitra na nanantena ny ho any an-danitra mantsy, talohan’ny nahatongavan’i Kristy tetỳ an-tany.​—Jn 1:12, 17, 18; 2Ti 1:10; 1Pe 1:3; 1Jn 3:1.

Tsy lasa lavorary anefa ireo Kristianina ireo, na dia heverin’Andriamanitra ho olo-marina aza. (1Jn 1:8; 2:1) Tsy ilaina koa ny hananan’izy ireo vatana lavorary, satria mbola ho any an-danitra izy ireo. (1Ko 15:42-44, 50; He 3:1; 1Pe 1:3, 4) Nanao ny rariny anefa Andriamanitra, rehefa nanambara azy ireo ho marina sy nanaiky azy ireo “ho isan’ny” olo-marina. Nampidiriny tao amin’ny “fifanekena vaovao” koa ireo olona natsangany ho zanany ireo, ary ny ran’i Jesosy Kristy no nampanan-kery an’io fifanekena io. (Lk 22:20; Mt 26:28) Antsoina hoe Israely ara-panahy ireo zanany nateraky ny fanahy ireo, ary ‘atao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy’, izany hoe ho faty toy ny nahafatesany.​—Ro 6:3-5; Fi 3:10, 11.

Malemy sy tsy lavorary ireo Kristianina ireo ka manao ady anaty, na dia efa navelan’i Jehovah aza ny fahotany. (Ro 7:21-25) Miady amin’ny “lalàn’Andriamanitra” na ny lalàn’ny sainy efa nohavaozina (Ro 12:2; Ef 4:23) mantsy ny “lalàn’ny ota” ao amin’ny vatany, satria mbola tsy lavorary izy ireo na dia efa ekena ho isan’ny olo-marina sy efa voavela heloka aza. Fitsapana ho azy ireo izany, mba hahitana raha hivadika amin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Afaka ny handresy amin’ilay ady izy ireo, raha manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra sy hampian’i Kristy Jesosy, ilay Mpisoronabe mamindra fo. (Ro 7:25; He 2:17, 18) Tsy maintsy maneho finoana ny sorom-panavotan’i Kristy sy manara-dia azy foana anefa izy ireo, raha te handresy sy te ho olo-marina foana eo anatrehan’Andriamanitra. (Ampit. Ap 22:11.) ‘Ataon’izy ireo azo antoka àry ny fiantsoana sy ny fifidianana azy’ ireo. (2Pe 1:10; Ro 5:1, 9; 8:23-34; Tit 3:6, 7) Tsy eken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina intsony anefa izy ireo raha zatra manota sy mihemotra amin’ny finoana, satria “mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.” (He 6:4-8) Ho ringana ny olona toy izany. (He 10:26-31, 38, 39) Ny ota nataon’izy ireo no nolazain’i Jesosy hoe ota tsy hahazoana famelan-keloka. Nilaza koa ny apostoly Jaona fa misy ota “mahafaty” ary misy ota “tsy mahafaty.”​—Mt 12:31, 32; 1Jn 5:16, 17.

Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy Kristy, ka lasa “fanahy” tsy mety lo sy tsy mety maty rehefa “novelomina.” (1Pe 3:18; 1Ko 15:42, 45; 1Ti 6:16) ‘Fanahy àry izy rehefa nambara ho marina’ (1Ti 3:16; Ro 1:2-4), ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra. (He 8:1; Fi 2:9-11) Manantena fitsanganana toy ny an’i Kristy koa ireo mpianany tsy mivadika (Ro 6:5), ary tsy andrin’izy ireo ny ho lasa “fanahy tahaka an’Andriamanitra.”​—2Pe 1:4.

Olo-marina hafa koa. Nantsoin’i Jesosy hoe “olo-marina” ireo olona nohariny tamin’ny ondry, tao amin’ny fanoharana nataony momba ny fiaviany amim-boninahitra. (Mt 25:31-46) Tsy ireo nantsoiny hoe “rahalahiko” anefa izy ireo, fa olon-kafa mihitsy. (Mt 25:34, 37, 40, 46; ampit. He 2:10, 11.) Tahin’Andriamanitra sy antsoiny hoe “olo-marina” ireo “ondry” ireo, satria manampy ny ‘rahalahin’i Kristy’ izy ireo noho ny finoany azy. Ekena ho isan’ny olo-marina na nambara ho marina izy ireo, ka lasa naman’Andriamanitra toa an’i Abrahama. (Jk 2:23) Ho tafavoaka velona àry izy ireo, rehefa ho ‘ringana mandrakizay’ ny olona oharina amin’ny “osy.”​—Mt 25:46.

Miresaka karazan’olona roa samy hafa toy izany koa ny Apokalypsy 7:3-17: Ny “vahoaka be” tsy tambo isaina sy ireo 144 000 ‘nasiana tombo-kase.’ (Ampit. Ef 1:13, 14; 2Ko 5:1.) Eken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina ilay “vahoaka be”, satria ‘nosasan’izy ireo sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjon’izy ireo.’​—Ap 7:14.

Na dia tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” aza ilay “vahoaka be”, dia mbola tsy hambara ho marina ho amin’ny fiainana, izany hoe mbola tsy hanan-jo hiaina mandrakizay eto an-tany. Mila misotro amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” foana izy ireo, ary manaiky hotarihin’ny Zanak’ondry na Kristy Jesosy, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Ap 7:17; 22:1, 2) Hosoratan’Andriamanitra mandrakizay ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo, raha tsy mivadika izy ireo mandritra ilay fitsapana farany rehefa tapitra ny arivo taona. Hanambara azy ireo ho marina amin’ny heviny feno i Jehovah amin’izay.​—Ap 20:7, 8; jereo FIAINANA (Hazon’aina).

Manao ny marina foana Andriamanitra. Tsy mandika ny fitsipiny momba ny rariny sy ny hitsiny mihitsy Andriamanitra, rehefa mifandray amin’ny olona tsy lavorary. Tsy noho ny ezaka ataon’izy ireo fotsiny no anambarany azy ho marina, ka hoe mody tsy mahita ny fahotany na manala tsiny izany izy. (Sl 143:1, 2) Hoy i Paoly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra. Toy ny fanomezana maimaim-poana anefa ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy. Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana izy, ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany. Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany, noho izy namela ny fahotana fahiny tamin’izy naneho fandeferana, sy mba hanehoana ny fahamarinany amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy.” (Ro 3:23-26) Be hatsaram-panahy feno fitiavana àry Andriamanitra, ka nanome an’i Kristy ho sorona. Io no fomba ara-dalàna nofidiny mba hamelana ny fahotan’ireo manam-pinoana. Araka ny rariny sy ny hitsiny izany nataony izany.

Olona manamarin-tena. Andriamanitra irery no manan-jo hanambara ny olona ho marina. Tsy marim-pototra àry ny filazan’ny olona iray ny tenany ho marina noho ny ezaka nataony fotsiny, na ny filazan’ny olon-kafa azy hoe marina. Nanarina, ohatra, i Joba satria ‘nolazainy fa ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra’, na dia tsy nanome tsiny an’Andriamanitra aza izy. (Jb 32:1, 2) Nisy lehilahy nahay lalàna nanontany an’i Jesosy momba izay tokony hataony mba hahazoana fiainana mandrakizay. Nahitsin’i Jesosy anefa izy satria nitady hanaporofo fa marina ny tenany. (Lk 10:25-37) Nomelohin’i Jesosy koa ny Fariseo, noho izy ireo nilaza tena ho marina teo anatrehan’ny olona. (Lk 16:15) Nanazava i Paoly fa mpanota sy tsy lavorary ny olona rehetra, ka tsy azo ambara ho marina mihitsy izay olona mitady hanamarin-tena noho ny fanaovany ny asan’ny Lalàna. (Ro 3:19-24; Ga 3:10-12) Nasongadiny kosa fa izay mino an’i Kristy Jesosy ihany no ambara ho marina. (Ro 10:3, 4) Nanamafy izany i Jakoba rehefa nilaza fa amin’ny atao no tokony hampisehoan’ny olona hoe velona ny finoany, toy ny nataon’i Abrahama sy Rahaba, fa tsy amin’ny fitandremana ny Lalàna.​—Jk 2:24, 26.

Notoherin’ny olona sasany nihambo ho apostoly ny fanompoan’i Paoly sy ny naha apostoly azy, ka nitady hitaona ny fiangonan’i Korinto hanaraka ny heviny izy ireo. (2Ko 11:12, 13) Fantatr’i Paoly anefa fa mpanompon’i Kristy mendri-pitokisana ny tenany, ka nilaza izy fa tsy noraharahainy izay ‘fitsaran’ireo olona’ ireo azy, satria tsy nahazo alalana hitsara azy akory izy ireo. Na izy aza, hoy izy, tsy mitsara ny tenany, fa i Jehovah no tiany handinika ny momba azy. (1Ko 4:1-4) Tsy azo atokisana àry ny fitsaran’olombelona ny olona iray hoe marina na tsia, raha tsy hoe mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra angaha ny fitsaran’izy ireo. Ilay olona mihitsy no tsy maintsy mandinika an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ary hamela azy io hampiharihary ny tena toetrany. (He 4:12) Tsy handa anatra na hitady hanamarin-tena anefa ny olona anarin’ny Kristianina namany na ny anti-panahin’ny fiangonana, raha mifototra amin’ny Baiboly ilay fananarana. (Oh 12:1; He 12:11; 13:17) Homelohin’Andriamanitra kosa izay mpiandraikitra nasaina hitsara ady na raharaha hafa, raha “manamarina ny ratsy fanahy mba hahazoana kolikoly.”​—Is 5:23; Jk 2:8, 9.