Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manamboninahitra

Manamboninahitra

Avy amin’ny teny grika hoe hekatôntarkes (na hekatôntarkôs) sy kentyriôn, ary ilazana manamboninahitra mifehy miaramila zato, na lehiben’ny zato. Nizara ho antoko-miaramila 60 (samy nofehezin’ny manamboninahitra) foana ny andian-tafika romanina iray, na kely ilay izy na lehibe. Raha latsaka ny 6000 ny tao amin’ilay andian-tafika, dia mbola nizara ho 60 ihany, na dia latsaka ny 100 aza ny tao amin’ny antoko iray nofehezin’ny manamboninahitra iray. Notendren’ny mpitari-tafika sy ny manam-pahefana ambony ny manamboninahitra. Grady ambony indrindra mety ho azon’ny miaramila tsotra ny hoe lehiben’ny zato, na dia nisy fisondrotana ihany aza ho an’ny lehiben’ny zato.

Nitana toerana lehibe ny lehiben’ny zato na dia teo ambany fahefan’ny mpitari-tafika sy nanatanteraka ny baikony aza. Izy no nifehy mivantana an’ireo miaramila, nampiofana azy ireo, niara-niasa taminy, nijery ny fiadiana sy fitaovana ary sakafon’izy ireo, nanome fitsipika momba ny fitondran-tena, nanafay ka nanara-maso ny fikapohana sy ny famonoana ho faty, ary nanome alalana ny hanasaziana azy ireo. Ny lehiben’ny zato àry no tena nahatonga ny tafika romanina ho vonona sy hahay hiady. Izy ireo no ampy traikefa indrindra sy tena nilaina tao amin’ny tafika.​—Jereo TAFIKA.

Anisan’ireo manamboninahitra resahin’ny Soratra Grika Kristianina ilay tao Kapernaomy. Niangavy an’i Jesosy hanasitrana ny mpanompony izy, ary noderain’ny Tompo satria nanam-pinoana lehibe. (Mt 8:5-13) Hafa firenena izy satria hoy ny Jiosy: “Tia ny firenentsika izy sady nanorina synagoga teto.” Hoy koa izy: “Tsy mendrika ny handray anao ao ambany tafontranoko aho”, ary hoy i Jesosy: “Mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany aho, na teo amin’ny Israely aza.” Vao mainka niavaka ny toetrany raha Romanina izy, satria tsy mba nangoraka ny mpanompony ny Romanina.​—Lk 7:1-9.

Manamboninahitra no nitarika an’ireo miaramila efatra namono an’i Jesosy ho faty. (Jn 19:23) Azo inoana fa reny ny niampangana an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato hoe nilaza tena ho zanak’Andriamanitra izy. (Jn 19:7) Hitany koa ny nitsarana sy ny namantsihana azy ary ilay zava-nitranga mahagaga rehefa maty izy. ‘Nanome voninahitra an’Andriamanitra [àry] ilay manamboninahitra’ ka niteny hoe: “Tena olo-marina tokoa io lehilahy io” sy hoe “Zanak’Andriamanitra tokoa io.” (Lk 23:47; Mt 27:54) Ilay manamboninahitra no nanontanian’i Pilato raha maty tokoa i Jesosy vao nomeny halevina ny fatiny.​—Mr 15:44, 45.

I Kornelio, manamboninahitra tao amin’ny Andia-miaramila Italianina tany Kaisaria, no hafa firenena tsy voafora voalohany lasa Kristianina. (As 10:1-48) Tsy nipetraka niaraka tamin’ny antoko-miaramila ny manamboninahitra toa azy, fa nanana trano sy miaramila nikarakara azy.​—Jereo KORNELIO.

Manamboninahitra sy miaramila ary mpitari-tafika tao amin’ny Tilikambon’i Antonia no nihazakazaka namonjy an’i Paoly, rehefa nirotahan’ny vahoaka tao amin’ny tempoly izy (taona t. 56). (As 21:32) Nasain’ilay mpitari-tafika nokapohina i Paoly, nefa tsy nokapohina indray rehefa nilaza tamin’ny manamboninahitra iray hoe olom-pirenena romanina ny tenany. (As 22:25, 26) Nilazan’ny zanak’anabaviny i Paoly hoe nisy te hamono azy, ka nasainy nentin’ny manamboninahitra tany amin’ny mpitari-tafika izy io. Nodidiana hanomana miaramila, mpitaingin-tsoavaly, ary mpitan-defona (nisy 470 izy rehetra) àry ny manamboninahitra roa mba hiaro an’i Paoly tamin’izy nentina niala tao Jerosalema.​—As 23:17, 23.

I Jolio, manamboninahitra avy tamin’ny andia-miaramilan’i Aogosto (jereo AOGOSTO, ANDIA-MIARAMILAN’I) no niandraikitra ny dian’i Paoly avy tany Kaisaria ho any Roma. Tsara fanahy taminy i Jolio. Tsy narahiny anefa ny tenin’i Paoly, fa tatỳ aoriana vao nekeny rehefa hitany hoe marina. Izy no niaro ny ain’i Paoly.​—As 27:1, 6, 11, 31, 43.