Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manamboninahitra Lefitra

Manamboninahitra Lefitra

Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “mpanafika malaza”, “mpiantafika voafantina”, “mpifehy”, na “manamboninahitra lefitra” ny teny hebreo hoe shalish (lehilahy fahatelo, na ilay miaramila fahatelo tao anaty kalesin’ady).

Miaramila asyrianina telo nitaingina kalesin’ady

Sarina lehilahy telo mitaingina kalesin’adin’ny “Hetita” sy Asyrianina no hita eo amin’ny rindrina sasany: Ny mpamily, ny mpampiasa sabatra na lefona na tsipìka, ary ny mpitondra ampinga. Tsy nisy miaramila telo ny ankamaroan’ny sarina kalesy ejipsianina, kanefa shalish no ilazan’ny Eksodosy 14:7 an’ireo miaramilan’i Farao nitaingina kalesy. Manamboninahitra lefitra nanarakaraka an’izay nibaiko tao amin’ny kalesin’ady àry ilay miaramila fahatelo mpitondra ampinga.

Tsy nisy tamin’ny zanak’Israely nataon’i Solomona andevo, “fa izy ireo kosa dia miaramila mpiady sy mpanompon’i Solomona sy andrianany sy manamboninahitra lefitra sy lehiben’ny mpitondra kalesiny ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaliny.” (1Mp 9:22) Mety hidika hoe “manamboninahitra lefitry ny mpanjaka” ilay hoe shalishim (mr.) eo.​—Fanazavana ny Testamenta Taloha, nataon’i C. Keil, 1973, Boky III, 1 Mpanjaka, p. 146.

Nataon’ny Syrianina fahirano i Samaria, fony i Jorama no mpanjakan’ny Israely, ka nisy mosary tao an-tanàna. Naminany i Elisa hoe hisy sakafo be indray, kanefa tsy nino azy ny manamboninahitra lefitr’i Jorama. Nahita ny fahatanterahan’ilay faminaniana izy io, araka ny voalazan’i Elisa, saingy tsy afaka nihinana tamin’izany na indraim-bava aza satria maty voahitsakitsaky ny olona teo am-bavahady.​—2Mp 7:2, 16-20.

Namono an’ireo mpivavaka tamin’i Bala ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra lefitr’i Jeho, anisan’izany i Bidkara. (2Mp 9:25; 10:25) Namono an’i Pekahia mpanjakan’ny Israely i Peka manamboninahitra lefitra, ka nanjaka nandimby azy.​—2Mp 15:25.