Manao Mofo, Mpanao Mofo
Mahandro mofo anaty lafaoro ny hoe “manao mofo.” ʼAfah (heb.), fototenin’ny hoe ʼôfeh (mpanao mofo), no tena ilazana ny hoe “manao mofo.” (Ge 19:3; 40:2) Adika koa hoe ‘mahandro’ mofo anaty lafaoro ny hoe ʽog (heb.; Ezk 4:12), izay iray tarika amin’ny hoe ʽogah (“mofo boribory”).—Ge 18:6; jereo MOFO.
Ny nanao mofo no tena asan’ny vehivavy hebreo tao an-tokantrano, nefa nanao koa ny mpanompon’ny fianakaviana sasany nanana zanaka sy mpanompo maro. Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita nangataka mpanjaka olombelona: “Halainy koa ny zanakareo vavy, ka hataony mpanamboatra menaka fanosorana sy ho mpahandro ary ho mpanao mofo.” (1Sa 8:13) Mety ho nanara-maso ny fanaova-mofo na nanao mofo koa anefa ny lehilahy. “Nanao mofo tsy misy lalivay” ho an’ny anjely roa nitsidika azy tao Sodoma, ohatra, i Lota. “Dia nihinana izy ireo.”—Ge 19:1-3.
Nandrahoina tao anaty lafaoro ny mofo fahiny. (Jereo LAFAORO.) Nampiasaina koa anefa ny vato nalahadahatra izay nasiana afo. Nesorina ny lavenona rehefa nahamay tsara ireo vato. Natao teo amboniny ny koba, navadika, ary navela ho masaka tsara. (Ho 7:8) Teo amin’ny lavaka marivo nofenoina vatokely nohafanain’ny afo kosa ny mpanao dia lavitra no nahandro mofo vita tamin’ny lafarinina tsy dia tsara toto. Nesoriny ny vainafo, ary nataony teo ambonin’ireo vatokely ny koba, izay mety ho navadibadiny imbetsaka.—1Mp 19:6.
Matetika no “natao tao anaty lafaoro”, na “nandrahoina tao anaty lasitra”, na “nendasina tao anaty vilany misy menaka” ny fanatitra varimbazaha natolotry ny Israelita. (Le 2:4-7) Tanimanga (na vy) fisaka matevina nisy lempona efajoro be dia be ilay lasitra.—Ezk 4:3.
Nanana mpanao mofo matihanina ny tanàna maro. Nohazonina tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina tao Jerosalema i Jeremia, rehefa horavana ilay tanàna tamin’ny 607 T.K. Zara raha nisy sakafo, ka nomena mofo boribory iray isan’andro “avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo” izy, raha mbola tsy lany ny mofo. (Je 37:21) Nisy mpanao sy mpivarotra mofo àry teo amin’io lalana io. Namboarina koa ny simba tamin’ny “Tilikambon’ny Lafaoro”, rehefa nasain’i Nehemia namboarina ny mandan’ilay tanàna tatỳ aoriana. (Ne 3:11; 12:38) Tsy tena fantatra ny niavian’ilay anarana, fa mety ho teo ny lafaoron’ny mpanao sy mpivarotra mofo.
Nitana toerana ambony ny mpanao mofon’ny mpanjaka, tany Ejipta fahiny. Ahitana mpanao mofo ny sary hoso-doko avy tao amin’ny fasan’i Ramsès III eo amin’ny Lohasahan’ny Mpanjaka, any Thèbes, ka ny sasany manitsakitsaka koba, mamolavola koba, na manomana ny lafaoro. Resahin’ny Genesisy fa nanota tamin’ny mpanjakan’i Ejipta ny ‘lehiben’ny mpanao mofony’ ka nogadraina. Nanonofy izy hoe niloloha harona telo feno mofo, nefa nohanin’ny vorona ny tao amin’ny harona farany ambony. Navoaka izy telo andro taorian’izay ary ‘nahantona’, araka ny nohazavain’i Josefa hoe: “Ny harona telo dia telo andro. Rehefa afaka telo andro, dia havoakan’i Farao ianao, ka hotapahiny ny lohanao. Ary hahantony amin’ny tsato-kazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao.”—Ge 40:1-3, 16-22.