Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manase

Manase

(Manasè) [Ilay Mahatonga ho Be Fanadinoana; Ilay Mampanadino].

1. Ny lahimatoan’i Josefa sady zafikelin’i Jakoba. Niteraka an’i Manase sy Efraima tamin’i Josefa i Asenata, zanak’i Potifera, mpisorona tao Ona. Nomen’i Farao ho vadin’i Josefa izy rehefa lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa. Nantsoin’i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy: “Efa nataon’Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra sy ny ankohonan-draiko manontolo.”​—Ge 41:45, 50-52.

Ninian’i Jakoba natao teo amin’i Efraima ny tanany havanana, ary teo amin’i Manase ny tanany havia, rehefa nitso-drano azy roa lahy izy. Nomeny tombony àry i Efraima, na dia zandrin’i Manase aza. (Ge 48:13-20) Hita amin’izany fa hahery noho i Manase i Efraima.

Nanana vadikely syrianina i Manase, ary niteraka zanakalahy maro tamin’izy io, anisan’ireny i Makira. (1Ta 7:14) Mbola hitan’i Josefa hatramin’ireo zanak’i Makira.​—Ge 50:22, 23.

2. Ilay foko avy amin’i Manase zanak’i Josefa. Fianakaviambe fito no anisan’io foko io. Herintaona teo ho eo taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia nisy 32 200 ny vatan-dehilahy, 20 taona no ho miakatra, tao amin’ny fokon’i Manase. (No 1:34, 35) Azo inoana fa anisan’izany i Gady, iray tamin’ireo folo lahy nilaza zavatra ratsy momba ny Tany Nampanantenaina rehefa nirahina hijery taratra azy io. (No 13:1, 2, 11, 25-33) Natao ny fanisam-bahoaka faharoa, 40 taona teo ho eo taorian’izay, ka hita fa nitombo ho 52 700 ny isan’ny lehilahy voasoratra anarana tao amin’ilay foko, izany hoe nihoatra 20 200 raha oharina amin’ireo tao amin’ny fokon’i Efraima. (No 26:28-34, 37) Nahoana i Mosesy no niresaka momba ny “alinalin’i Efraima” nefa ny an’i Manase kosa nataony hoe ‘arivoarivo’? Satria tsy dia hiavaka i Manase amin’ny hoavy raha oharina amin’i Efraima.​—De 33:17.

Nitoby niaraka tamin’ny fokon’i Efraima sy Benjamina teo andrefan’ny tranolay masina ny fokon’i Manase, tany an-tany efitra. I Gamaliela zanak’i Pedazora no mpiadidy teo amin’ilay foko. Io fizarana nisy foko telo io no niainga fahatelo rehefa nifindra lasy ny Israelita.​—No 1:10, 16; 2:18-24; 7:54; 10:23.

Fandresena tany andrefana sy tany atsinanan’i Jordana. Rehefa resin’ny Israelita i Sihona sy Oga, mpanjakan’ny Amorita, dia nomen’i Mosesy ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo mpanjaka ireo. Izao anefa: Tsy maintsy nanampy an’ireo foko hafa mba handresy ny faritra andrefan’i Jordana ireo foko ireo. (No 32:20-33; 34:14, 15; De 29:7, 8) Toa efa lasan’ny fokon’i Manase ny tapany avaratra tamin’ilay faritra atsinanan’i Jordana, satria i Jaira sy Noba ary ny “taranak’i Makira” no niady mba hahazoana izany. Izany no antony nanomezan’i Mosesy an’io tapany io ho azy ireo.​—No 32:39-42; De 3:13-15; 1Ta 2:21, 22.

Tatỳ aoriana, dia niampita an’i Jordana tokoa ny lehilahy avy tamin’ny “antsasaky ny fokon’i Manase”, izay efa nahazo ny lovany. Nankany izy ireo mba handray anjara tamin’ny ady natao mba hahazoana an’ilay faritra tany andrefana. (Js 1:12-18; 4:12) Anisan’ireo nivory teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima koa izy ireo, rehefa ‘novakin’i Josoa mafy izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona.’ (De 27:12; Js 8:33, 34) Nandresy mpanjaka kananita 31 ny Israelita, tao anatin’ny enin-taona teo ho eo, teo ambany fitarihan’i Josoa. (Js 12:7-24) Nozarain’i Josoa ho lovan’ny foko tsirairay ilay tany, taorian’izay, na dia mbola nisy faritra tsy azo aza. Nanampy an’i Josoa tamin’izany i Eleazara Mpisoronabe sy ireo mpiadidy voatendrin’Andriamanitra avy tamin’ny foko folo, anisan’izany i Haniela zanak’i Efoda, avy tamin’ny fokon’i Manase.​—No 34:17, 23; Js 13:1-7.

Anjara lova. Efa azon’ny antsasaky ny fokon’i Manase ny faritra atsinanan’i Jordana, anisan’izany i Basana sy ny ampahany tamin’i Gileada. (Js 13:29-31) Teo atsimo ny faritanin’ny fokon’i Gada, ka i Mahanaima no tanàna teo amin’ny sisin-taniny. (Js 13:24-26, 30) Be lembalemba io faritra atsinanan’i Jordana io, ary nahatratra 610 m teo ho eo ny haavony tamin’ny ankapobeny. Tao no nisy an’i Golana (anisan’ireo tanàna enina fialokalofana) sy Bestera na Astarta (anisan’ny tanànan’ny Levita).​—Js 20:8, 9; 21:27; 1Ta 6:71.

Ilay antsasany hafa tamin’ny fokon’i Manase kosa nahazo lova tany andrefan’i Jordana. (Js 17:2, 5) I Efraima no teo atsimony, Asera no teo avaratrandrefana, Isakara no teo avaratratsinanana, ary ny Ranomasina Mediterane no teo andrefana. Nanomboka teo Mikmeta ny sisin-tany nanasaraka ny faritanin’i Efraima sy Manase, ary nitohy nankany Tapoa, avy eo nanaraka ny lohasaha falehan-driakan’i Kana, ary nifarana tany amin’ny Ranomasina Mediterane. (Ampit. Js 16:5-8; 17:7-10.) Nisy tanàna maromaro an’ny Efraimita tafiditra tao amin’ny faritanin’ny Manasita, ary nisy tanàna maromaro (Beti-sana, Ibleama, Dora, En-dora, Tanaka, ary Megido, sy ny tanàna niankina tamin’ireo) an’ny Manasita tafiditra tao amin’ny faritanin’i Isakara sy Asera. (Js 16:9; 17:11) Tsy vitan’ny Manasita ny nandroaka an’ireo Kananita tao amin’ireny tanàna ireny, fa nampanaoviny asa an-terivozona izy ireo tatỳ aoriana. (Js 17:11-13; Mpts 1:27, 28; ampit. 1Ta 7:29.) Nomena an’ireo Levita Kehatita ny roa tamin’ireny tanàna ireny, dia i Tanaka (Anera?) sy Ibleama (Bileama na Gata-rimona?).​—Js 21:25, 26; 1Ta 6:70.

Tantaran’ilay foko. Nitso-drano an’ireo Robenita sy Gadita ary ilay “antsasaky ny fokon’i Manase” tany atsinanana i Josoa, rehefa avy nizara an’ilay tany. Nampirisika azy ireo koa izy mba hanompo an’i Jehovah foana. (Js 22:1-8) Niala tao Silo izy ireo, avy eo, ka nankany Jordana ary nanorina alitara teo akaikin’i Jordana. Saika nahatonga ady an-trano anefa izany, satria nihevitra ireo foko hafa fa nivadika sy nikomy tamin’i Jehovah izy ireo. Nilamina ihany ilay raharaha rehefa nohazavaina fa tsy alitara hanaovana sorona ilay izy fa hahatsiarovana ny tsy fivadihana amin’i Jehovah.​—Js 22:9-31.

Tatỳ aoriana, dia nisy mpitsara atao hoe Gideona, izay taranak’i Manase. Nampiasa azy i Jehovah mba hanafaka ny Israelita tamin’izy ireo nampahorin’ny Midianita. (Mpts 6:11-16, 33-35; 7:23; 8:22) Azo antoka fa avy tamin’ny fokon’i Manase koa i Jefta, ilay mpitsara nanafaka ny Israely tamin’izy ireo nampijalin’ny Amonita.​—Mpts 11:1, 32, 33.

Tamin’ny andron’i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, dia niady tamin’ny Hagarita sy ny mpiray dina taminy ny Robenita sy ny Gadita ary ilay “antsasaky ny fokon’i Manase” tany atsinanana, ka naharesy azy ireo. (1Ta 5:10, 18-22) Tamin’izany fotoana izany koa no nisy taranak’i Manase nivadika tamin’i Saoly ka nankany amin’i Davida. Miaramila tena nahay ny sasany tamin’izy ireny. (1Ta 12:19-21) Rehefa maty i Saoly sy Isboseta mpandimby azy, dia nisy avy tamin’ny fokon’i Manase tonga tany Hebrona mba hanao an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra (1070 T.K.): Nisy 18 000 ny avy tany andrefan’i Jordana ary an’arivony ny avy tany atsinanana.​—1Ta 12:31, 37, 38.

Niezaka namerina ny fivavahana marina i Asa mpanjakan’ny Joda, taona maro tatỳ aoriana, ka maro tamin’ny taranak’i Manase no niala tamin’ilay fanjakana tany avaratra, “rehefa hitany fa nomba an’i Asa i Jehovah Andriamaniny.” (2Ta 15:8, 9) Anisan’ireo olona maro be nivory tao Jerosalema sy nanao fifanekena mba hitady an’i Jehovah ny taranak’i Manase, tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Asa (963 T.K.). (2Ta 15:10, 12) Tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda (745-717 T.K.), dia nanetry tena ny Manasita sasany ka tonga rehefa nasain’i Hezekia hankalaza ny Paska tany Jerosalema, na dia maro aza no naneso an’ireo olona nirahin’i Hezekia. Anisan’ny nandrava an’ireo zavatra nampiasaina tamin’ny fanompoan-tsampy ireny Manasita nankalaza ny Paska ireny.​—2Ta 30:1, 10, 11, 18; 31:1.

Talohan’izay, dia nataon’i Tiglato-pilesera III (Tilgato-pilnesera) sesitany ireo Manasita nonina tany atsinanan’i Jordana (t. 760 T.K.). (1Ta 5:23-26) Toa niady ny fokon’i Efraima sy Manase tamin’izany, fa niray hina kosa izy ireo rehefa nanohitra an’i Joda.​—Is 9:20, 21.

Efa ho zato taona taorian’ny naharavan’ilay fanjakan’ny foko folo, dia tonga hatrany amin’ireo toerana rava an’ny taranak’i Manase sy hatrany amin’ny faritra hafa ivelan’i Joda i Josia mpanjakan’ny Joda, mba handrava ny zavatra nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso, izany hoe ny alitara, ny fandoroana emboka manitra, ny tsato-kazo masina, ary ny sarivongana (nanomboka tamin’ny 648 T.K.). Nanamboatra an’izay simba tamin’ny tempoly koa i Josia, ka nampiasaina tamin’izany ny vola fanomezana avy tamin’ireo foko, anisan’izany ny fokon’i Manase.​—2Ta 34:1-11.

Nisy Manasita nonina tao Jerosalema rehefa avy natao sesitany tany Babylona (537 T.K.).​—1Ta 9:1-3.

Teo anelanelan’ny faritanin’i Naftaly sy ny faritanin’i Efraima ny faritany nomena an’i Manase, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Ezk 48:4, 5) Anisan’ireo fokon’ny Israely ara-panahy koa i Manase.​—Ap 7:6.

3. Anarana hita ao amin’ny Mpitsara 18:30, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, ary vokatry ny fanovana nataon’ireo mpanao dika soratra. Miresaka momba ny fivadiham-pinoan’ny Danita ilay andininy. Hoy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Lasa mpisorona ho an’ny fokon’ny Danita i Jonatana zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, dia i Jonatana sy ny zanany.” (Jereo koa Prot.; Kat.; DIEM; DPV.) Notsinginin’ireo Jiosy mpanao dika soratra an’ilay litera hebreo hoe n (nona) teo anelanelan’ireo litera roa voalohany tamin’ilay anarana hebreo tany am-boalohany, ka lasa hoe “Manase” ilay hoe “Mosesy.” (Jereo JM.) Nanao izany ireo Jiosy ireo noho ny fanajany an’i Mosesy. Mety ho afa-baraka mantsy ny anaran’i Mosesy noho izay nataon’i Jonatana. Tsy ilay fanovana ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta ihany no misy hoe “Manase”, fa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo Sora-tanana Vaticanus No. 1209 koa, ary ny Peshitta syriàka. “Mosesy” anefa no hita ao amin’ny Mpitsara 18:30, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo Sora-tanana Alexandrinus sy ao amin’ny Vulgate latinina.

4. Mpanjakan’ny Joda, ary zanak’i Hezekia Mpanjaka sady mpandimby azy. (2Mp 20:21; 2Ta 32:33) Hefziba no renin’i Manase. Vao 12 taona i Manase dia efa nandova ny seza fiandrianana, ary izy no mpanjaka faha-14 tao Joda taorian’i Davida. Nanjaka 55 taona (716-662 T.K.) tao Jerosalema izy. (2Mp 21:1) Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, ary naoriny indray ireo toerana avo efa noravan-drainy. Nanorina alitara ho an’i Bala izy, ary nivavaka tamin’izay “rehetra eny amin’ny lanitra” sady nanorina alitaran’ny fivavahan-diso teo amin’ny tokotany roa tamin’ny tempoly. Nandoro ny zanany tao anaty afo izy, ary nampiasa herin’ny maizina sy nanao sikidy, ka nampiroborobo ny asan’ny maizina. Nataony sary sokitra koa ny tsato-kazo masina ka napetrany tao an-tranon’i Jehovah. Notaominy ny mponin’i Joda sy Jerosalema mba “hanao ratsy mihoatra noho izay nataon’ireo firenena naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely.” (2Mp 21:2-9; 2Ta 33:2-9) Naniraka mpaminany foana i Jehovah, nefa tsy nisy nihaino izy ireny. Be dia be koa ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase. (2Mp 21:10-16) Milaza ny asa soratr’ireo raby jiosy fa anisan’ny olona novonoin’i Manase i Isaia, izay voalaza fa nasain’i Manase notsofana.​—He 11:37.

Tsy nihaino ny fampitandreman’i Jehovah i Manase ka nofaizina ary nentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo tany Babylona (anisan’ireo tanànan’ny mpanjakan’i Asyria i Babylona tamin’izay). (2Ta 33:10, 11) Nataon’i Esara-hadona, mpanjakan’i Asyria, ny lisitr’ireo mpanjaka 22 nandoa hetra taminy, izany hoe ireo “mpanjakan’i Hatti, tanàna amoron-dranomasina sy ireo nosy.” Hita tao amin’io lisitra io i ‘Manase avy any Joda.’ Voasoratra tao amin’ny lisitr’ireo mpanjaka nandoa hetra tamin’i Asorobanipala koa ny anaran’i Manase.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 291, 294.

Nibebaka i Manase rehefa lasa babo. Nanetry tena izy, ary nivavaka tamin’i Jehovah sady nitalaho mba hamindrany fo. Nihaino azy Andriamanitra ka nampody azy tamin’ny fanjakany tany Jerosalema. (2Ta 33:12, 13) “Nanorina manda ivelany ho an’ny Tanànan’i Davida” i Manase taorian’izay, ary nametraka lehiben’ny tafika tany amin’ireo tanàna voaro mafy tany Joda. Nesoriny tao an-tranon’i Jehovah ireo andriamani-kafa sy ny sampy ary ireo alitara naoriny “teo an-tendrombohitra nisy ny tranon’i Jehovah sy tao Jerosalema.” Naoriny indray ny alitaran’i Jehovah ka nanao sorona teo ambonin’izy io izy, mba hampirisihana ny hafa hanompo an’i Jehovah koa. Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo ihany anefa ny olona, saingy ho an’i Jehovah. (2Ta 33:14-17) Maty i Manase tatỳ aoriana, ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.​—2Ta 33:20.

5. Lehilahy israelita iray “avy tamin’ny taranak’i Pahata-moaba.” Anisan’ireo nanambady vehivavy hafa firenena izy, ary nandroaka azy ireny “niaraka tamin’ny zanany”, tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:30, 44.

6. Lehilahy israelita hafa “avy tamin’ny taranak’i Hasoma.” Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena izy, noho ny fampirisihan’i Ezra izay nafana fo tamin’ny fivavahana marina.​—Ezr 10:33, 44.