Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manavotra, Mpanavotra

Manavotra, Mpanavotra

Miseho voalohany ao amin’ny Genesisy 48:16 ny matoanteny hebreo hoe gaʼal, izay midika hoe ‘manavotra’, na mahazo indray, na mividy indray havana akaiky na ny fananany na ny lovany. Antsoina koa hoe mpanavotra ny mpamaly ra. (Sl 74:2; Is 43:1) Ireto avy ny havana akaiky nanana adidy ho mpanavotra (heb.: gôʼel): 1) Rahalahy, 2) dadatoa, 3) zanaky ny dadatoa, 4) izay havana lehilahy iray ra amin’ilay avotana.​—Le 25:48, 49; ampitahao amin’ilay filaharana ao amin’ny No 27:5-11; jereo MPAMALY RA.

Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia azon’ny mpanavotra natao ny nividy indray an’izay Israelita havany lasa nahantra ka voatery nivarotra ny tenany ho mpanompo. (Le 25:47-54) Azony natao koa ny nividy indray ny lova namidin’ilay havany, mba hiverenan’ilay lova amin’io tompony io. (Le 25:25-27) Tsy azo navotana anefa izay “voatokana ho zava-masina” na olona “efa natokana haringana.”​—Le 27:21, 28, 29; jereo ZAVATRA VOATOKANA.

Resahin’ny bokin’i Rota ny fanavotana nataon’ny gôʼel iray. Nilaza tamin’i Naomy rafozambaviny i Rota fa nitsimpona salohim-bary teny amin’ny sahan’i Boaza izy. Hoy i Naomy: “Havantsika izay lehilahy izay, ary anisan’ny mpanavotra antsika.” (Rt 2:20) Nanaiky hanavotra i Boaza ka nanao fifanekena teo anatrehan’ny mpitsara sy vavolombelona, rehefa tsy nanaiky hanavotra an’i Naomy ny havana iray akaiky kokoa.​—Rt 3:9, 12, 13; 4:1-17.

Mpanavotra i Jehovah. Mpanavotra i Jehovah satria nomeny ho sorona ny Zanany lahitokana, mba hanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana ary ny fasana. Nidina tetỳ an-tany io Zanany io, ary tonga ‘tahaka an’ireo “rahalahiny” tamin’ny lafiny rehetra.’ Tonga nofo aman-dra izy ka lasa havana akaikin’ny olombelona. (He 2:11-17) Hoy ny apostoly Paoly: “Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany.”​—Ef 1:7; ampit. Ap 5:9; 14:3, 4; misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny hoe VIDIM-PANAVOTANA.