Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manda, Rindrina

Manda, Rindrina

Zavatra arafitra ho fefy na vala na efitra manasaraka. Manao manda sy rindrina noho ny antony maro ny olona rehefa manorina trano sy tanàna, ka samihafa ny endrik’izy ireny, ary maro ny akora anaovana azy. Arakaraka ny fomba anaovana ny rindrina sy ny akora ampiasaina ny haben’ny trano sy ny hamafiny.

Vato voapaika ny rindrin’ny lapan’i Davida. (2Sa 5:11) Toa vato efa voapaika koa ny rindrina ivelan’ny tempolin’i Solomona, ary norakofana hazo fisaka sedera ny aty rindrina sasany. (1Mp 6:2, 7, 15) Noravahana sary sokitra ireo hazo ireo, ary nopetahana takela-bolamena. (1Mp 6:29; 1Ta 29:4; 2Ta 3:4, 7) Voalalotra ny rindrina anatin’ny lapan’i Belsazara. (Da 5:5) Tsotra kosa ny rindrin’ny tranon’ny sarambabem-bahoaka: Biriky nohamainina tamin’ny masoandro, vato tsy voapaika, na hazo narafitra izay nolalorina. Voalalotra fotsy ny rindrina sasany.​—As 23:3.

Manda. Nanao manda manodidina tanàn-dehibe ny olona fahiny, sao hisy hanafika. (1Mp 4:13; Is 25:12) Nialokaloka tao amin’ny tanàna nimanda ny mponin’ireo ‘tanàna [kely] niankina tamin’ilay’ tanàna, rehefa notafihina. (No 21:25) Tsy nitovy ny zon’ny tompon’ny trano tao anaty tanàna nisy manda sy tsy nisy, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 25:29-31) Niaro ny mponina tamin’ny fahavalo ny manda. Avo koa ny manda ka teny ambony teny ireo niaro azy io. Tsy mora àry ny nandavaka azy io, na namotika azy tamin’ny lohondry vy na nandoaka ny fototra. (2Sa 11:20-24; 20:15; Sl 55:10; To 5:7; Is 62:6; Ezk 4:1, 2; 26:9) Ny mpanafika kosa indraindray nanangana manda mba hanaovana fahirano sy hiafenany rehefa nanafika tanàna.​—2Mp 25:1; Je 52:4; Ezk 4:2, 3; 21:22; jereo TOERANA VOARO MAFY.

Tamboho. Tamboho vato matetika no natao fefin’ny tanimboaloboka na saha na natao valan’ondry. (No 22:23-25; Oh 24:30, 31; Is 5:5; Mi 2:12; Ha 3:17) Nisy koa natao tohan’ny voly mikitohatohatra. (Jb 24:11) Nateza ihany ireny tamboho ireny. Vato tsy voapaika no nanaovana azy, ary nasiana tanimanga na rihitra indraindray.

Heviny an’ohatra. Indraindray manana heviny hoe voaro sy mandry feizay ny hoe ao anaty manda. (1Sa 25:16; Oh 18:11; 25:28) Mety hanana heviny hoe manasaraka koa ny rindrina na manda. (Ge 49:22; Ezk 13:10) Hoy àry i Paoly tamin’ny Efesianina: “Izy [Kristy] mantsy no nampihavana antsika, eny, izy izay nampiray antsika roa tonta sy nandrava an’ilay rindrina teo anelanelany izay nanasaraka antsika.” (Ef 2:14) Fantatr’i Paoly ilay rindrina teo afovoan’ny tokotanin’ny tempolin’i Jerosalema, izay nisy soratra fampitandremana hoe ho voaheloka ho faty izay tsy Jiosy nihoatra azy io. Tsy te hilaza anefa izy hoe noravana io rindrina io satria mbola nisy izy io, fony izy nanoratra ho an’ny Efesianina tamin’ny taona 60 na 61. Nohariny tamin’io kosa ny fifaneken’ny Lalàna, izay toy ny rindrina nanasaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena efa hatry ny ela. Rava io “rindrina” io rehefa maty i Kristy, efa ho 30 taona talohan’izay.

Nilazana i Jeremia fa ho toy ny manda varahina voaro mafy hahatohitra ny mpanenjika izy. (Je 1:18, 19; 15:20) Oharina amin’ny mponina ao amin’ny tanàna tsy misy manda kosa ny vahoakan’Andriamanitra ka toa tsy voaro, nefa milamina sy tsy manana ahiahy satria ampiany. (Ezk 38:11) Azo lazaina hoe voaro mafy ny tanàna iray raha manana an’i Jehovah ho “manda afo” miaro azy (Za 2:4, 5), na raha ny famonjena fa tsy vato sy biriky no ataon’i Jehovah manda fiarovana azy. (Is 26:1) Manana ‘manda jaspa lehibe sady avo’ ilay “tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao” midina avy any an-danitra. Mirefy 144 hakiho (64 m) ny haavon’ilay manda, ary ny fototra dia vatosoa 12 misy ny anaran’ny apostoly 12.​—Ap 21:2, 12, 14, 17-19.